Dans la mme rubrique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

03/06/2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

03/06/2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

03/06/2020

Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

03/06/2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

Hamaky ny tohiny...

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

03/06/2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko mpanohitra mijoro ara-dalàna Arirariran’ny fanjakana

11/07/2019

Eny amin’ny antenimieram-pirenena Lapan’ny demokrasia no tena hahafahana milaza ny tsy mety.

 

Ny TIM izay manana depiote 16 no efa nametraka ny taratasy ara-dalàna maha mpanohitra azy.  Raha ny tokony ho izy ny antoko mpanohitra dia manana ny toerany ao amin’io andrim-panjakana io, manana anjara toerana filoha lefitra. Hotakiana ary hampiasainay io, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rtoa Ramalason Olga, ary tsy ho firaisana tsikombakomba amin’ny governemanta fa mijoro manara-maso ny fiainam-pirenena. Mety ho kabinetra manokana io, ary mety hitovy isa amin’ny minisitera ny mpikambana ao anatiny, hanara-maso akaiky ny fiasan’ny minisitera tsirairay, ary hanolo-kevitra hanatsarana ny fiainam-bahoaka hanampiana ny hevitry ny governemanta. Hatreto anefa, mbola miandry ny taratasy ara-panjakana na ny “récépissé” avy amin’ny minisiteran’ny Atitany milaza ny maha mpanohitra ara-dalàna ny TIM, izay nampanantenaina fa ao anatin’ny 3 na 4 andro no tokony hivaly, saingy tsy nivaly hatramin’izao. “Fanahy iniana ve sa tena tsy tiana mihitsy ny hijoroan’ny antoko mpanohitra ?, hoy ny TIM. Hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina no tsy navoaka ny didim-panjakana mikasika ny satan’ny mpanohitra, izay voasoratry ny lalàmpanorenana ary fametrahana ny tena demokrasia. Mizotra amin’izany ihany koa ve ny fanjakana Rajoelina ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana