Dans la męme rubrique

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

18/09/2019

Aferana kolikoly avo lenta maro no hiakatra indray eo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin’ity volana ity, izay tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny fitsarana mandeha satria ny 19 aogositra ka hatramin’ny 27 aogositra ny adiany voalohany.

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

Hamaky ny tohiny...

Centre Immatriculateur de Madagascar

18/09/2019

« Permis » 21.205 sy « carte grise » 7.835 no vita tao anatin’ny 5 volana

Centre Immatriculateur de Madagascar

Hamaky ny tohiny...

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

16/09/2019

Aoka izay ny kolikoly, aoka izay ny fanararaotam-pahefana, … aoka izay ny fivarotana ny tanin’ny kaominina. Manaiky ve isika ny hivarotana ny zaridainan’Antananinarenina, avereno amin’ny kaominina ny taniny,…

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

Hamaky ny tohiny...

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

16/09/2019

Anio alatsinainy 16 septambra ny fitsarana ny raharaha fanenjehana mpanao gazety miisa 3 sy ny Talen’ny kolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo tamin’ilay raharaha mahakasika ny fisidinana angidimby tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 30 aogositra,

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

13/09/2019

Nivoaka nandritry ny filankevitry ny minisitra ny 11 septambra lasa teo fa voatendry ho Talen’ny Tranompiritim-pirenena Rajaofetra Andry Nirina araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

13/09/2019

Ahiana hivadika zavatra hafa ny olana misy eo amin’ny samy mpino Silamo.

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

Hamaky ny tohiny...

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

12/09/2019

Tontosa ny 10 septambra lasa teo, ny fametrahana ny vato fototry ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano,

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Famatsiana herinaratra Nahazo milina vaovao Ankazobe

01/04/2019

Faritra maro no niharan`ny delestazy mahery vaika no efa notolorana vahaolana haingana nomena milina mpamokatra vaovao.

Misy no efa nahazo toa an`Antalaha, izay nahazo milina mpamokatra miisa efatra. Nisy ihany koa fampidirana milina vaovao any Sambava sy Farafangana ary Ankazobe ka hovinavinaina hihodina tamin`ny faran`ny herinandro lasa teo.  Ho an`ny distrikan`Ankazobe manokana dia nikatso avokoa ny fiveloman`ireo mpandraharaha mandinika vokatry ny fahatapahan-jiro nisesisesy tao anatin` ny volana vitsivitsy. Manginy fotsiny ny firongatry ny fandriampahalemana ateraky ny tsy fisian` ny hazavana. Olana fahatapahan-jiro noho ny fahanteran`ny milina famatsian-jiro izay matetika simba no antony, hoy ny teo anivon`ny JIRAMA. Nandefa milina miisa roa, manana hery 200 kW sy 90 kW, izay hamaha ny filàna herinaratra ny fitondram-panjakana tamin`ny alalan`ireo mpiara-miombon`antoka ara-teknika sy ara-bola amin`ny fanatanterahana ny fanamby hanomezana hazavana isan-tokantrano sy ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana. Nanomboka ny alakamisy 28 martsa lasa teo dia niala tamin`ilay hoe “Black out” ka niditra amin`ilay “delestage tournant” ny ao an-toerana taorian`ny fanamboarana ny milina.  Araka ny vinavina, ny milina manana hery 90 KW dia hanomboka hamokatra amin'ny alahady raha ny iray hafa kosa, mitaky andro vitsivitsy, fa tsy mihoatra ny herinandro manaraka. Taorian'ny fanamboarana nataon'ny teknisianina dia naverina tamin'ny laoniny ny herinaratra. Ny antony dia ny iray amin'ireo gropy roa, miaraka amin'ny tanjaka 120 KW kanefa namokatra 45 KW fotsiny ary ny 25 KW hafa. Izany dia mahatratra 70 KW kanefa mila hery eo amin`ny 185 KW, izany hoe misy banga 115 kW. Miampy ireo fitaovana vaovao miisa roa ireo, dia hamokatra herinaratra eo amin`ny 360 kw ny tobim-pamatsiana herinaratra ao Ankazobe ka hovahana ny olan`ny delestazy. Tsy Ankazobe ihany no hisitraka fitaovana fa hiparitaka amin`ireo distrika miisa 23, izay isan`ny tena lasibatry ny fahatapahan-jiro,  ny “groupe electrogène” miisa 35 izay efa tonga eto Madagasikara, toa an`Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Ampanefena, Ambatondrazaka, Morondava, Ihosy, Maintirano, Vangaindrano, Bealanana, Mahabo, Morombe, Tsiroanomandidy, Miandrivazo, Antalaha ary Ankazobe. Ankoatra ireo  milina miisa 30 ihany koa no ho tonga amin`ity taona 2019 ity.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana