Dans la mme rubrique

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

29/08/2019

Mangataka mba hanakatona vonjimaika ny FJKM Katedraly Analakely aloha ny Pasitera Rasolomanana Jafetra hitrandrahana ny tena marina amin’ny raharaha.

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

Hamaky ny tohiny...

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FANODIKODINAM-BOLA TAO TOAMASINA

18/03/2019

Efa tonga any Toamasina ankehitriny ny sampan-draharahan’ny fanjakana izay mitady fanamarinana sy mitady porofo momba ny fanodikodinam-bola nataon’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany.

 

Tonga hatrany Mahanoro mihitsy ireo mpiasan’ny Inspection Générale de l’Etat nitady ny Ben’ny tanàna mba hahafahana manao fanadihadiana azy. Efa fanindroany izay niharan’ny fanadihadian’ny fanjakana ity olom-boafidy ity. Izy dia mbola hilatsaka hofidiana depiote ao Mahanoro ankehitriny.  


ALEO MPANAO POLITIKA IHANY

 

Tsy mety ny fisian’ny kandida tsy miankina  fa aleo ao anaty ny antoko politika ihany  raha ny fanambaran’ny Kmf Cnoe . Amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity anefa, ireo kandida mahaleo tena no betsaka mirotsaka ho fidiana. Vao maika mampitombo ny kolioly sy ny fivadihana palitao io tsy miankina betsaka ao amin’ny antenimierampirenena io hoy ny fiarahamonim-pirenena.

SAMBO FLYING

 

Misy angatra ve ilay sambo Flying izay mpanondrana boaderozy ao Toamasina ? Raha mbola tazomina am-ponja ao Ambalatavoahangy mantsy ireo tatsambo 15 izay miandraikitra ny fampiodinana azy, dia misy mahatsikaritra fa velona hoazy ny motera isaky ny alina. Nandefasana vadin-tany mihitsy tao anatin’ilay sambo mba hijery izany. Tsy vitan’izay fa efa mitongilana koa ity fitaovam-pitaterana ity ankehitriny ary ahiana ny hilentika taorian’ny oram-ben’ny andro ratsy farany teo ireny.  

TAFATSOAKA ILAY MPAKA AN-KERINY

 

Mbola tafatsoaka ihany ilay mpaka an-keriny ao Tsaratanàna izay antsoina hoe Del Kely. Nandefasana zandary marobe nikaroka azy ary hita tokoa ny nisy azy. Raikitra ny fifampitifirana ary nisy tamin’ireo namany no voasambotra fa izy kosa dia mbola afaka nitsoaka tao anaty ala ihany. Ireo olona izay natao kidnapping izay mbola nentin’izy ireo kosa dia mba afaka soa aman-tsara. Raha tsiahiviana dia nampanantena ny zandary ny hanome vola izay mitentina 20 tapitrisa ariary ho an’izay manome vaovao hahafahana misambotra an’i Del Kely.  

 

 

 


MIALA BALA NY CENI

 

Avadiky ny Ceni any amin’ny olompirenena indray ny rihatra noho ny olana amin’ny fisian’ny anarana roa miverimberina ao amin’ny lisi-pifidianana. Nananamafy izy ireo fa ireo olona izay misoratra any amin’ny fokontany roa samyhafa no tena maahatonga an’ireny fa tsy olana teknika tany amin’ny Ceni.  Izay vao Hiroso amin’ny fanadiovana ny lisitra amin’ny lafiny nasionalin’ny Ceni tao aorian’ny fanakianana maro azon’izy ireo. 

 

TRANO NIHOTSAKA NAHAFATY OLONA

 

 Nihotsaka ny tany ary nitontona tany amin’ny tranon’olon-tsotra. Nahafaty olona telo izany tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antsahamamy, ao Andapa. Ramatoa iray mpamboly sy ny zanany kely vao 12 volana no namoy ny ainy vokatr’izany. Mbola nisy olona telo hafa koa naratra mafy vokatr’izany. Ny tranga toa itony dia tokony hanintona ny sain’ny mpitondra satria tsy eto an-drenivohitra ihany no misy fihotsahan-tany fa indrindra koa any amin’ny faritra. Matetika anefa adinodino izany. 

FIVIDIANANA NY SAFIDIM-BAHOAKA

 

Zara raha mba mihaino ny tolo-kevitra sy ny fisintonana lakolosy nataon’ireo fiarahamonimpirenena ny mpitondra amin’izao hoy izy ireo.Raha nisy ny tolo-kevitra 50 tamin’ny fanitsiana ny fitsipika mifehy ny fifidianana , folo tamin’ireo ihany no noraisina.  Efa tena miendrika fividianana sy fakana ny fon’ny vahoaka koa izao fiomanana etsy sy eroa sy asa sosialy ataon’ireo kandida depiote  amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao hoy ny fiarahamonim-pirenena.  

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana