Dans la mme rubrique

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

18/09/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 septambra 2019 teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany amin’ny atrikasa iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola ho an'ny fizahantany sy ny fitaterana na ny “Wave Madagascar”,

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

Hamaky ny tohiny...

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

18/09/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany nanazava ny mikasika ny fiavian’ny katsaka hampiasainy ho akora fototra hanamboarana ireo zava-pisotro vokariny, omaly ny orinasa STAR, taorian’ny nandefasana fahitalavitra vahiny iray fanadihadiana toa miampanga ity orinasa ity.

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

Hamaky ny tohiny...

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

16/09/2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

05/09/2019

Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Hatavezana tsy ara-dalàna Vokatry ny tsy fahaizana misakafo sy ny tsy fampiasam-batana

18/03/2019

Betsaka ireo olona tratry ny hatavezana tsy ara-dalàna amin’izao fotoana na ilay antsoina hoe : « obesité ». Ireo ankizy latsaky ny 18 taona no tena betsaka voan’izy ity noho ny tsy fahaizana misakafo.

 

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina mantsy dia  tafahoatra loatra ny fihinanan’ny ankizy sakafo be siramamy toy ny mofomamy sy ny paty ohatra ankoatra  ireo karazan-tsakafo vaovao  hita sy  miseho any anatin’ireo dokam-barotra maro samihafa ireny. Fa ankoatra izay hoy hatrany ity dokotera ity dia tsy  dia mampiasa vatana ihany koa ny ankizy tratra ireny hatavezana tsy ara-dalana ireny. Tsy mba manokan-tena mandeha dia an-tongotra kely  rehefa mamonjy fianarana ohatra fa variana mitaingina taxi-be hatrany no sady manao facebook, tranga iainan’ireo ankizy eto an-drenivohitra. Vahaolana tsotra aroson’ny dokotera Fidy araka izany ny  hihinanana amin’ny antony ireo karazan-tsakafo  ahitana ny hery fiarovana sy ny hery fiasana . Toraka izany koa legioma sy ny voankazo izay tokony hanao betsaka tokoa ankoatra ny fisotroana rano iray litatra isan’andro. Tsiahivina moa fa raha mirefy 1 m sy 40 ohatra ny olona iray dia tokony ho 30 kg ny lanjany ara-dalana, izay hoe : analana isa folo hatrany amin’ny halavana tarehimarika faharoa dia fantatra ny tokony  ho lanjan’ny vatana.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana