Dans la mme rubrique

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

18/09/2019

Aferana kolikoly avo lenta maro no hiakatra indray eo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin’ity volana ity, izay tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny fitsarana mandeha satria ny 19 aogositra ka hatramin’ny 27 aogositra ny adiany voalohany.

Kolikoly sy fanodikodinam-bola Manampahefana maro teo aloha hotsaraina

Hamaky ny tohiny...

Centre Immatriculateur de Madagascar

18/09/2019

« Permis » 21.205 sy « carte grise » 7.835 no vita tao anatin’ny 5 volana

Centre Immatriculateur de Madagascar

Hamaky ny tohiny...

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

16/09/2019

Aoka izay ny kolikoly, aoka izay ny fanararaotam-pahefana, … aoka izay ny fivarotana ny tanin’ny kaominina. Manaiky ve isika ny hivarotana ny zaridainan’Antananinarenina, avereno amin’ny kaominina ny taniny,…

Famarotana tany eto Antananarivo Ny olon’ny fitondrana ihany no voatsindrona

Hamaky ny tohiny...

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

16/09/2019

Anio alatsinainy 16 septambra ny fitsarana ny raharaha fanenjehana mpanao gazety miisa 3 sy ny Talen’ny kolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo tamin’ilay raharaha mahakasika ny fisidinana angidimby tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 30 aogositra,

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

13/09/2019

Nivoaka nandritry ny filankevitry ny minisitra ny 11 septambra lasa teo fa voatendry ho Talen’ny Tranompiritim-pirenena Rajaofetra Andry Nirina araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

13/09/2019

Ahiana hivadika zavatra hafa ny olana misy eo amin’ny samy mpino Silamo.

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

Hamaky ny tohiny...

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

12/09/2019

Tontosa ny 10 septambra lasa teo, ny fametrahana ny vato fototry ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano,

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Marc Ravalomanana “Tena namela mamy i Manandafy”

18/03/2019

« Anisan'ny nianatra sy naka tahaka azy aho... Indreto izahay tonga mifankahery, mifampionona, noho ny nandaozan'ny Raiamandreny, ilay andrarezina, ilay mpanao politika mahay, nahafoy ny ainy tamin'ny andro sarotra rehetra, tsy nitsahatra nanoro hevitra sy nanampy ...

 

 

 Mahatsiaro banga izahay, mahatsiaro ho irery ... Apetrakay eo ampelatananao TOMPO izao fahoriana mihatra amin'ny Firenena izao ary ampitoero eo aminay mandrakariva ny fifankatiavana, ny fifamelàna, ny fifandeferana ary ny fampihavanana satria nimasomasoan'i Manandafy Rakotonirina tokoa izany ... », hoy i Ravalomanana nanoloana ny vatana mangatsiaka fianakaviamben'i Manandafy Rakotonirina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena omaly. Tonga nitsapa alahelo sy nitondra teny fampiononana noho ny fahalasanan’ity Raiamandreny lehibe ity moa ny avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, ny fianakaviamben’ny kaominina Antananarivo tarihin-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Mahatsiaro manokana ny zavatra nataon' i Manandafy Rakotonirina rehetra ho an'ny firenena ny tenany. Mankasitraka ny fanohanany tamin'ny fotoana rehetra na ny mora na ny sarotra. Ny torohevitra sy ny adihevitra, ary ny hetsika isan-karazany. Zokibe Raiamandreny tokoa. Mankahery ny fianakaviany sy ireo namany rehetra, hoy i Marc Ravalomanana.
Raha hiverenana ny ampahany amin’ny tantara, dia anisan’ireo olona tena akaiky an’i Marc Ravalomanana tamin’ny krizy politika ny taona 2001-2002 i Manandafy Rakotonirina ka nahatsiarovan’ny rehetra azy tamin’izany fotoana ny hoe “ mandroso i Madagasikara rehefa manana Ravalomanana maro be isam-paritra isika” . Efa notendren’i Marc Ravalomanana ho Praiminisitra ihany koa izy fotoana fohy taorian’ny fahatongavany tany Afrika Atsimo rehefa  nofofoin’ny mpanongam-panjakana ny ainy ny 2009; nandray anjara mavitrika tao anatin’ny dinika fifampiraharahana ho famahana ny krizy 2009 tao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa izy . Nosamborina teny amin’ny Hotely Carlton sy nogadraina tany Mantasoa kosa Atoa Manandafy Rakotonirina tamin’ireny . Efa namela ireo nanao ratsy azy koa anefa izy. Nanamarika azy farany teo amin’ny tontolo politika ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

 

Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana