Dans la męme rubrique

Tsy avela hilatsaka an-davaka

13/08/2019

Antananarivo , an'ny Malagasy tsy an-kanavaka Renivohitr'i Gasikara, ka tsy azo avela hilatsaka an-davaka Mahasaropiaro antsika ka mila olona mahay mitantana Ben'ny tanĂ na tanora sady tia tanindrazana.

Tsy avela hilatsaka an-davaka

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mankahery hatrany eee !

08/08/2019

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Mangingina ny aty fa ny any aminao any izao no tsy haiko.

Taratasin’i Jean Mankahery hatrany eee !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Aoka tsy ho jamba !

05/08/2019

Eeeh ! Jean a ! Mba henoy ihany ny akama nahatafita na dia tsy omenao toerana aza.

Taratasin’i Jean Aoka tsy ho jamba !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Alefa indray ary e !

23/07/2019

Tsy maninona fa raketo indray ary aloha ry Jean a ! Alefa indray ary e ! Hitako ohatry ny mba efa miakatrakatra indray mantsy.

Taratasin’i Jean Alefa indray ary e !

Hamaky ny tohiny...

Mahereza e !

19/07/2019

Tsy mihomehy loza aho ry Jean fa mba raharaha koa iny nahazo anao iny a ! Hay ve ka efa nitsidika an’ilay birao ianao ka mba efa nanantena hahazo ilay seza kinanjo….

Mahereza e !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Da fetibe da fetibe !

18/07/2019

Da fetibe da fetibe ! Tadidinareo ve iny vazo iny ry Jean ? Faly mihitsy aho rangahy miarahaba anareo fa ankevitry ny ho

Taratasin’i Jean Da fetibe da fetibe !

Hamaky ny tohiny...

Zavatra tsy vita amin’izao dia efa eeee….

17/07/2019

Tena hafa, tsy fahita tato anatin’ny 59 taona marina ry jean iny nataonareo teny an-dapa iny a.

Zavatra tsy vita amin’izao dia efa eeee….

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Maditraditra kely

15/03/2019

Manakory indray ianao aloha ry Jean aa ! Maditra kely hono ianareo ireto ee! Kkkk..!!

 

 Tapaka daholo tato ny tsinain’ny bandy naheno an’izany. Hay Jean kely tokoa moa ilay fiantsoana anao taloha. Ianao ihany no nitantara an’izany tamin’ilay nanao fanambarana fa hilatsaka ho mpitantana ny tanàna aa! Nolazainao tamin’izay fa hoy ny olona hoe iny Jean kely. Taorian’izay moa dia mbola sahinao ihany no namerina an’ilay fampanantenanao tamin’izany hoe asiana lamasinina mirifatra be ny eto an-tanàna, ny vovo bôjy moa tonga dia hoe avadika beton be feno rihana tsy azo hozongozonina. Dia tena gaga aminao mihitsy aho ry Jean amin’ity ditrakely tsy mety afaka aminareo ity ka! Mba marina moa! Vitanareo ve rangahy ny nampitelina manta an’izany kozy rehetra izany aty anaty vavoninay kanefa anie na ilay vovo bôjy aza tsy tontosa hatramin’ny farany akory tamin’ireny ee! ireo vita aza tsy nisy mpipetraka. Tsy ho resahiko intsony ilay lamasinina sy hopitaly sy ny tariny ry Jean fa io ditraditrakelinareo io hoy aho mba ialao amin’izay fa ho mahery tsy maody eo anie ee!

Marco

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana