Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Ho eo anilan’ny Malagasy hatrany

11/01/2019

Raha misy olona mendri-piderana amin’ny fahendrena nasehony angamba eto dia tsy misy tahaka an’i Marc Ravalomanana.

 

 

 

 Maro ny latsa-dranomaso sy tsy nahatana ny fihetseham-pony nahita ny fahatsoran’ity Raiamandrenin’ny firenena nahavita be ity nandefitra nanana ny rariny tamin’ny valim-pifidianana teo, ka nanaiky am-pahatsorana ny didin’ny HCC fa i Andry Rajoelina no voafidy ho filoham-pirenena. Azo iadian-kevitra ny fomba nahalaniany sy nahatongavany eo amin’io toerana io, ary taty amin’i Marc Ravalomanana ny fanalahidin’ny fahafahany mipetraka eo am-pilaminana. Olon-kendry sy tsy tia korontana i Marc Ravalomanana, ary efa teny fanaony matetika ny hoe : tsy mba izy no hipetraka ho olana fa kosa ho vahaolana hatrany ho an’ny firenena. Mety misy ampahany amin’ireo mpanara-dia no kivy tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, saingy izay no maha olon’ny fihavanana sy ny fitiavan-tanindrazana azy. Nitsodrano ny filoha voalaza fa lany no nataony, ary nampahery ny rehetra mpiara-dia aminy sy ny Malagasy manontolo hitraka hatrany. Mazava ny tarigetra hatramin’izay ho an’i Marc Ravalomanana dia ny fikatsahana ny soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary teny efa nataony ny hoe: “ny andro sisa iainako dia hataoko hanasoavana ny firenena”, ka na eo amin’ny toeran’ny filoha izy na tsia dia tsy mahasakana azy hanasoa ny firenena sy ny mpiara-belona izany. Nahavita dingana lehibe amin’ny fampanjakana ny demokrasia ny tenany, ary mipetraka hatrany ny maha mpitarika sy mpitondra mahay azy satria afaka nitaiza sy nampitony ny vahoaka mpiara-dia na hita izao aza fa misy ny tsy rariny. Nodorana ny fananany, naongana natao sesitany 5 taona izy nanomboka 2009, noresena tamin’ny fomba maloto tamin’ny fifidianana teo, fa mbola mijoro izy, ka lesona azon’ny vahoaka raisina izany hoe mila mijoro na inona na inona miseho. Tsy mba olon’ny valifaty izy fa tena tia fihavanana kanefa etsy an-kilany, mandeha ny eson-tenin’ny ekipan-dRajoelina: “Mba tsy hisy fivadihana indray anie afaka fotoana vitsy fa tena ho izay tokoa. Bonne rétraite Mr le Président Marc Ravalomanana”, hoy ny mpanao gazety iray akaiky an-dRajoelina.  Maro amin’ny olom-pirenena no manameloka tanteraka ny fiteny tsy voahevitra sy karazana fihantsiana na fanesoana tahaka ireny. Tsy mbola nilaza ny hisotro ronono velively i Marc Ravalomanana, saingy izay izany no fanirian’ny sasany satria toe-tsaina toa mirefarefa tanteraka amin’ny tany no enti-miaina ny raharaham-pirenena.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana