Dans la męme rubrique

Vina IEM Lasa vono HVM

18/06/2019

Toy ny manondraka rano an-damosin’ny gana daholo ankehitriny ireo vondrona sy antoko politika ary rafitra hafa miantso fifamelana amin’ny fitondrana ankehitriny ary tsy mahagaga raha miaiky

Vina IEM Lasa vono HVM

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Mbola mitohy ny zarazarao hanjakana !

18/06/2019

Ankatoka ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoan’ny Malagasy ny fahaleovantena. Mino aho, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy,

Fiainam-pirenena Mbola mitohy ny zarazarao hanjakana !

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tsy afa-miala bala intsony

18/06/2019

Nitombina tanteraka ny tenin-dRajoelina, roa andro monja taorian’ny latsa-bato natao ny 27 mey tany Frantsa, fa nahazo solombavambahoaka 80 ka hatramin’ny 90.

Andry Rajoelina Tsy afa-miala bala intsony

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana volam-panjakana Mamahan-dalitra vahoaka ny mpitondra

18/06/2019

Ny vavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy no nilaza rehefa nandeha ny kiana tamin’ny fandaniam-bola be nataon’ny mpitondra tamin’ny dian’ny filoha tany Sénégal ny volana martsa,

Fandaniana volam-panjakana Mamahan-dalitra vahoaka ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solontenan’ny mponin’Analalava Mitaky ny fangaraharan’ny valim-pifidianana

18/06/2019

Misy ny taratasy misokatra nalefan’ireo solontenan’ny mponin’ny distrikan’Analalava ho an’ny filoham-pirenena manoloana ny hoso-pifidianana niseho tany an-toerana.

Solontenan’ny mponin’Analalava Mitaky ny fangaraharan’ny valim-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Ahoana ny hoaviny ?

18/06/2019

Mialoha ny faran`ny volana septambra ho avy izao no tokony hanatanterahana ny fifidianana ben`ny tanĂ na sy mpanolotsaina.

Antananarivo Renivohitra Ahoana ny hoaviny ?

Hamaky ny tohiny...

Antoko sy vondron’antokon’ny filoha Ovaovaina isaky ny misy fifidianana

18/06/2019

Tsy manao hoe IRD intsony ny fampahalalam-baovao sasany miaraka amin’i Andry Rajoelina fa hoe IRMAR mantsy ireo depiote lany vonjimaika ho depiote araka ny valim-pifidianana navoakan’ny CENI.

Antoko sy vondron’antokon’ny filoha Ovaovaina isaky ny misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kianjan’ny 13 mey Hanao rodobe ny vahoaka anio

05/01/2019

Vao maraina dia efa rakotra mpitandro filaminana nirongo fiadiana nanakana ny hetsika am-pilaminana nokasain’ny K25 mitaky ny fahamarinana hatao.

 

 

 

 Naiditra tao anatin’ny « parvis » mihitsy ny fiarabe efa am-polony mahery niampy ireo fiara madinidinika nitondra ireo mpitandro ny filaminana, tsy nahafahan’ny olona niditra tao, ary niatrana am-bava basy avy hatrany izy ireo. Taorian’ny fivoriana notarihin’ny praiminisitra sy ny OMC-NAT (Organe Mixtes de Conceptions) no voalaza fa nanapahana ny hanakanana ny hetsika. Tsy nahasakana ny vahoaka maro ho tonga izany, ka narantirantin’izy ireo tety ivelany ny sorabaventy. Nandeha ny fifampiresahana tamin’ireo mpitarika sy ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hidirana tao an-kianja izy ireo. Izay no baiko avy amin’ny Prefen’Antananarivo, ka tsy afaka hanao zavatra mifanohitra amin’izay, raha ny valin-teny teny an-kianja. Nasaina niantso ny Prefe mba hisian’ny fifampiresahana sy hanome baiko hahafahan’ny vahoaka mitolona am-pilaminana, saingy tsy tontosa izany. Ny Prefen’Antananarivo rahateo moa, dia voalaza fa tsy mandray na namono finday hatrany. Tapa-kevitra ny nihazo an’i Tsimbazaza toeram-piasan’io tompon’andraikitra io ny mpitarika sy ny vahoaka tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, saingy efa namonjy niatrana teny an-toerana ny ampahan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy tao an-toerana indray ny tenany rehefa tonga tany ireo mpitolona, izay ireo depiote mpitarika no niresaka tamin’ireo mpiandry raharaha, izay angady tsy mahatapak’ahitra. Nambara fa mivory kosa ny Prefe, saingy tsy fantatra mazava hoe taiza ary mahakasika inona ary tsy nisy ny tatitra mahakasika izany hatramin’ny fotoana nanoratana. Nitsoaka andraikitra (abandon de poste) ve izany ny tenany tao anatin’ny raharaha efa mivaivay ary nanao tsinontsinona ireo vahoaka niandry am-pilaminana ny baiko avy aminy hahafaha-manohy ny hetsika ? Karazana fihantsiana sy fandranitana no handraisan’ny vahoaka mpitaky ny fahamarinana izany, ka tsy hanaiky lembenana izy ireo raha tsy mandresy ny tolona, ary ho an’ny andro anio izay tsy fiasana dia ho tonga maro be ny vahoaka. Tsiahivina fa ny 21 aprily nisian’ny faty olona teny Analakely noho ny baiko fandravana ny hetsika, dia nilaza izy ny 23 aprily fa tsy hanome baiko hampamono vahoaka handrava hetsika fa raha hanao dia fiarovana amin’ny fihoaram-pefy saingy tsy izany intsony no nataony amin’izao. Handranitra vahoaka milamina sy hanao izay hampitroatra mba hampiasana hery aminy hisian’ny ra mandriaka sy faty olona indray ve sanatria vao hamendrofendro ? Raha mbola misy ny fandrarana kanefa tsy mamaly antso na mamono finday ny tompon’andraikitra anio dia ho raikitra indray ny diabe mankeny amin’ny Prefektiora Tsimbazaza na koa eny amin’ny Primatiora tena niaingan’ny baiko, hoy ireo mpitarika.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana