Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Matahotra inona ?

20/05/2019

Fahasalamanao indray ry Jean ? Inona no malaza any aminao any ?

Taratasin’i Jean Matahotra inona ?

Hamaky ny tohiny...

Ho aiza indray ianareo ?

17/05/2019

Manao ahoana i Jean ! Ho aiza indray ianareo ? Tena nahita deba lava tongotra aho rangahy fa ianareo no tena nampiaiky ahy indrindra a !

Ho aiza indray ianareo ?

Hamaky ny tohiny...

Ririnina..

08/05/2019

Vanin'andro ririnina, hatsiaka mamirifiry Ny lamba fitafy anefa tsy mba misy firy Ary ny tena loza sy mampalahelo tokoa Dia mbola may hatramin'ny trano fonenana koa.

Ririnina..

Hamaky ny tohiny...

Zato andro na telo volana be izao Raha any ampianarana efa nahavita programa be tokoa Tsara ihany ny mampatsiahy an'izany ho ahy sy ho anao Fa ny fotoana tsy voavidim-bola ary tsy manam-paharoa. Aza hiandrasana rahampitso izay mety ho vit

30/04/2019

100 androMahaiza tsara mandamina izay tokony hefaina Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra ny saina.

Zato andro na telo volana be izao Raha any ampianarana efa nahavita programa be tokoa Tsara ihany ny mampatsiahy an'izany ho ahy sy ho anao Fa ny fotoana tsy voavidim-bola ary tsy manam-paharoa. Aza hiandrasana rahampitso izay mety ho vit

Hamaky ny tohiny...

Inona indray ary ity ?

15/04/2019

Dia ahoana ra Jean a ! Fa inona indray ity kozinao ity e e ? Fa maninona ary no dia hampianarina an’ireny sahady ny zaza ? Dia tena nilaina ve ny nampidera iny sarina voninkazo malaza ho manintona iny teo ?

Inona indray ary ity ?

Hamaky ny tohiny...

Tsy atao kilalao

27/03/2019

Solombavambahoaka, antenimieram-pirenena, depiote Zay ndray zao no mahoraka, resaka mandeha Seza maromaro no hiadivana sy hozaraina amin'izany Antoko vitsivitsy mifaninana, miezaka ny ho lany.

Tsy atao kilalao

Hamaky ny tohiny...

Alefa foana Jean aa!

25/03/2019

Mankasitraka anao aho ry Jean aloha amin’izao ataonao amin’ny boay kely eto an-tanàna izao fa tena reveko mihitsy aa!

Alefa foana Jean aa!

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Samy maika daholo..

22/08/2018

O ry Tanindrazanay Malala! Te hitondra anao daholo ry bodo sy ry adala Telopolo mahery ireo nilatsaka an-tsitrapo. Samy te ho lohany, maniry ny ho filoha.

 

 

Ao ireo tena resy lahatra, amin'ny fitiavan-tanindrazana

Misy koa anefa ireo natosika mba ho mpanakorontana

Ny sasany efa fantatra izao fa tsy ahazo vato mihitsy

Sa dia manantena mafy avieo fa ho lasa minisitra?

 

Toa ataon'ny sasany kilalao ity fitondrana fanjakana

Tsy aleo ve nangonina ny vola nampihena fahantrana.

Dia "Gaga elah" hoy ny fitenin'ny tanora

Amin'ireo mpifaninana tsy maintsy hisy ho voakora.

 

Eo am-pelatananao raMalagasy ny hoavin'ny taranaka

Koa mandehana mifidy, ary aza mora maka tahaka

Izay tena hitanao fa mahavita sy atokisana fidiana marina.

Fa misy ny mampiesona sy mpamadika, ndrao any an-kady no hivarina.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana