Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana Filoham-pirenena 46 ireo kandida

22/08/2018

Lasan’i Madagasikara ny amboaran’ny fifaninanana izay be kandida filoham-pirenena indrindra eto ambonin’ny tany.

 

 

Miisa 46 mianadahy ireo mpifaninana nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) Ambohidahy hatry ny omaly talata 21 aogositra tamin’ny 5 ora hariva.Mbola nisy ireo nitsoaka an-daharana maromaro far aha tsy izany dia efa tafiakatra 50 ireo kandida.Ahitana filoham-pirenena teo aloha 3 , filohan’ny tetezamia 1, praiminisitra teo aloha 1, mpitondra fivavahana, mpahay toekarena, mpanakanto, mpandraharaha, mpanao gazety, mpitsara, mpisolo vava, mpampianatra, filohana fikambanana, olon-tsotra…Tena ao daholo ny seha-pihariana rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.Endriky ny fisian’ny fahalalahana sy ny demokrasia ve, sa paikady fanaparitahana vato noho ny politika avo lenta ? ssamy manana ny fandinihany ny momba izay ny tsirairay saingy ny hita kosa aloha dia ity no fifidianana filoham-pirenena niavaka indrindra, tsy ho an’ny eto Madagasikara ihany fa tena maneran-tany mihitsy, indrinndra fa raha oharina amin’ny isan’ny mponina sy ny ampy taona afaka mifidy.Raha boriboriana ho 10 tapitrisa, izany hoe atao kaonty ambony kely noho nytarehimarika ofisialy ny isan’ny mpifidy eto Madagasikara, dia samy mahazo vato 217 392 avy izany ireo kandida 46 ireo amin’ny fihodinana voalohany.Mazava be ny resaka eto fa tsy hisy izany hoe 1er tour dia vita izany; mazava ho azy tsy maintsy hisy ny kandida 3 na 4 hisongadina ka hahazo vato betsaka kokoa, saingy raha kajy sy tarehimarika no resahana dia tsy maintsy hisy ny fihodinana faharoa ka any vao tena hifampitady ireo kandida 2 mpifaninana farany.Eo indrindra no miasa ny kajy politika satria tsy maintsy hisy ny kandida hanome toromarika ny mpifidy azy hoe izatsy na izaroa no omentsika ny vatontsika; mety eo ihany koa ireo hanome safidy malalaka ny mpanara-dia azy.Efa azo sary an-tsaina kosa anefa fa tsy maintsy hisy ihany ireo kandida hihintsana satria tsy nahafeno ara-dalàna ny fepetra, tsy ilaozan’izay mbola mety hitsoaka an-daharana eny am-pandehanana eny ihany koa noho ny antony maro samihafa.Manana tombony manokana kosa anefa ireo kandida efa fantatra anarana, sy manana rafitra manerana ny nosy entiny miatrika ny propagandy, arymazava ho azy fa manam-bola sy ampy fitaovana.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana