Dans la mme rubrique

Taratasin’i Jean Ra zato !

21/06/2019

Dia ahoana Ra zato aaa ! Oadray ! Ra Jean mantsy e ! Azafady indrindra re fa tena donto be an’ilay famakafakan’ilay sakaizanao tao amin’ny onjampeo omaly iny aho a !

Taratasin’i Jean Ra zato !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Soava dia !

19/06/2019

Eny ary ry Jean ! Tonga ity ilay fotoana ka dia mirary soa anao. Soava dia e !

Taratasin’i Jean Soava dia !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mba mihainoa, hoy aho !

17/06/2019

Manakory ianao ry Jean ! Mafy ianareo. Miaiky aho izay. Iza tamin’ireo nodimbiasanareo ireo no ataonao filamatra amin’izao

Taratasin’i Jean Mba mihainoa, hoy aho !

Hamaky ny tohiny...

Mody adala indray ee !

14/06/2019

Mahita tenenina foana ianareo ity ry Jean ka ! Izay sipa nokaotinareo tamin’ny fahatanoranareo angamba tonga dia iray andro daholo dia zaka.

Mody adala indray ee !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Efa hoe fanohanana !!

12/06/2019

O ry Jean a ! Ianareo ve tena minia tsy mahazo an’ilay fanentanana sa efa mahafaly anareo mihitsy ilay manakiana lava e ? Ilay izy efa hoe fanohanana no atao fa tsy misy idiran’ny resaka manana sy tsy manana.

Taratasin’i Jean Efa hoe fanohanana !!

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Ady mitsatsaka

24/05/2019

Tena hita mihitsy ianareo ry Jean fa mbola boay kely a ! Izay dia manao ady mitsatsaka fotsiny nefa nilokaloka ery tary aloha tary hoe lalao madio no hiarahanay amin’i Papa.

Taratasin’i Jean Ady mitsatsaka

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Fahasahiana ity anao ity ry Jean a !

22/05/2019

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Midera ny fahasahianao mihitsy aho rangahy marina a !

Taratasin’i Jean Fahasahiana ity anao ity ry Jean a !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Miady amin’ny inona ?

03/10/2017

Mbola mipetraka ihany ry Jean ny fanontanianay amin’izao fotoana izao hoe governemanta miady amin’ny inona tokoa moa izany ilay nireharehan’i Solobe tany am-piandohana ?


 Toa izay mba ady tokony ho nataonareo mantsy tsy misy vita fa resy amin’ny elanelan’isa lavitra be hatrany ianareo. Tsy mahavoka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, valan’aretina,… Dia inona izany izao no hilana anareo eo ? Ny miaro seza aloha dia tompony ianareo, saingy leom-boanana tamin’ny nafitsoky ry Jean kely ny Gasy ry Jean ka izay aloha no mampangina azy a! Tsaronao ery ry Jean ny fihebohebonareo tamin’ilay fivorian’ny Frankofonia hoe miasa ho anao rafanja, saingy nahoana no tsy haseho amin’izay izany izao e ? Voaporofo hatrany ny petatokonareo, ka aza diso fandray ka hihevitra fa efa malemy araka ny hevitrareo ny vahoaka tsy mandady harona. Ny biby hanaikitra tsy mba mampiomana sy mierongerona tahaka ny adin’ny kanosa ataonareo, ka aza diso fihevitra e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana