Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ady amin’ny famotsiam-bola Zandary 24 hofanin’ny SAMIFIN sy ny BFV

03/10/2017

omaly alatsinainy 2 oktobra 2017, tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny lanonam-panokafana ny fiofanana amin’ny ady atao amin’ny famotsiam-bola,

 

Notanterahana tamin’ny fomba ofisialy  izay iarahan’ny zandarimariam-pirenena amin’ireo sehatra samihafa, dia ny SAMIFIN sy ny « BFV- Société générale ». Miisa 24 mirahalahy ireo zandary notsongaina manerana ny Nosy ka hahazo tombony amin’izao fiofanana izao, izay mitsinjara ho toy izao : 09 manamboninahitra, 15 manamboninahitra lefitra. Hizara roa miavaka tsara ny fiofanana, ka ny 2 oktobra hatramin’ny 6 oktobra 2017, dia ny avy ao amin’ny SAMIFIN no hizara ny traikefa amin’ireo mpiofana ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Hotontosaina ny 9 oktobra ka hatramin’ny faha 11 oktobra 2017 ao Analakely kosa ny tapany faharoa, ka ny  « BFV-société générale » indray kosa no hitondra ny fahaiza-manaony amin’ireto mpiofana ireto. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny tale jeneralin’ny SAMIFIN, tale jeneralin’ny «BFV-Société générale » ary ny jeneraly komandin’ny zandarimariam-pirenena notronin’ireo manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony maro. Nitovy ny fomba fijery tamin’izao hetsika izao, araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny lahateny nifandimbiasana, dia ny hananana vokatra tsara amin’ny fanatanterahana ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny hananana mpanao fanadihadiana mahafehy an’ity sehatra ity (Enquêteurs financiers) ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ireo sehatra ara-panjakana sy ny tsy miankina « 3P », izay irariana hatrany ny firoboroboany mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana