Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ady tany Ministra FAT roa voatonontonona

08/11/2010

« Vonjeo ny lycée Toamasina II fa ataon’ny ‘Domaine fahirano, izahay vahoaka iombonana Besakay dia manohitra ny herisetran’ny mpanam-bola haka an-keriny ny taninay, narodan’ny mpanam-bola ny sekolinay ka nofefeny, dia ho aiza izahay ankizy eto Ambalamanasy ».

Sombiny tamin’ireo sorabaventy narantin’ireo mponina ao Toamasina II, hanoherana ny fakana an-keriny ny taniny ataon’ireo mpanam-bola samy hafa niisa am-polony ireo voalaza ireo. Milaza mantsy ireto mponina ao Toamasina II ireto fa « be loatra ny ‘titre’ na tany ambony latabatra izay tsy mahalala akory ny tena zava-misy eny ifotony, nefa izay fomba izay no entin’ireo mpanam-bola mibodo sy maka ny taniny ary mandroaka azy eo ambonin’ny fananany ». Nambaran’ireto mitaraina ihany koa fa « efa ny taona 1985 izy ireo no nanajary ny tany tao Toamasina II, izay namindrana ireo olona te hiompy sy te hamboly. Ankehitriny tonga tanàm-be ilay atiala fahiny ary betsaka amin’izay ireo milaza ho tompony ambony latabatra ».

Fantatra izao, araka ny fitarainan’ireto mponina ao Toamasina II ireto fa misy andiana mpanam-bola mihitsy mpiray tendro amin’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany ary ny fitsarana mahatonga ny olana, ka voatonona ao avokoa na mpitsara, na mpiasam-panjakana eo anivon’ny ‘Domaine’, minisitra tany aloha sy ny fianakaviany, tera-tany metisy sinoa ary eo koa ireo ministra FAT, olom-boatendry ankehitriny, olom-boafidin’ny kaominina Toamasina II. Vokatra izay, nolazain’ireo mponina mitaraina ireto fa « na hisy fati-olona aza eto dia tsy hanaiky ny fanananay hoviravirain’ireo mpangalatra tany sy ny forongony ireo izahay ; masi-mandidy amin’ny fananany ny vahoaka izay nanajary ny tany efa ho 20 taona mahery izao ».

Nohamafisin’izy ireo ary fa « tokony hofoanana ireo ‘titre’ ambony latabatra mivoaka ankehitriny ireo, ny fanaovana ny ‘expulsion’ izay tsindry hazo lenan’ny fitsarana, ary ny fampiatoana mpitsara iray eo anivon’ny fitsarana Toamasina izay mahatonga ny ady saritaka misy ankehitriny noho ireo didy avoakany izay mazàna izy avokoa no mpamoaka azy raha resaka tany ». Ankilan’izay, araka ny tatitra tsotsotra fantatra izao fa ny 85% ny ady tany dia vokatry ny asa ambony latabatra avokoa, ny 90% ny olana kosa dia fampiasana taratasy tsy izy avokoa satria betsaka ny ‘titre’ ara-dalàna eo amin’ny firafiny fa tsy ara-drariny noho ny tsy fisian’ny tena fahamarinany.

 
Rakoutou

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana