Fil d'actualités du 14/11/2019

  • 14/11/2019 - 15:00 : BAREA: Araka ny fandaminana sy fivoriana natao teny amin'ny Prefektiora dia hanomboka rahampitso 15 Novambra 2019 @10 ora ny tapakila ho an'ny GRADIN 10.000AR. Ireto avy ny toerana hivarotana : Kianja Maki ,Coliseum, Palais des Sports.Tapakila 03 farafahabetsany no azo vidian'ny olona 1.

  • 14/11/2019 - 14:30 : FANENDRENA: Araky ny tolokevitry ny minisitry angovo,ny rano ary ny akoranfo dia Atoa Jean Baptiste Olivier no voatendry ho tale jeneralin'ny OMH.

  • 14/11/2019 - 14:00 : FIANARANTSOA:Maoraka tany Besirohitra Fianarantsoa fa misy miaramila mihinan'olona,zazakely iray nilalao teo antokotany no voalaza fa nohaniny ny takolaka,sofina ary ny vavany,tranga mbola tsy fahita ity.

  • 14/11/2019 - 11:30 : FANATANJAHANTENA:Nafindra teny am stade Elgeco Plus by pass ry zareo Éthiopie manao ny fanazarantena.

  • 14/11/2019 - 11:00 : KOLOTSAINA:Misy ny fametrahana vato fehizoro ny fanombohana ny asa fanamboarana ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture »izay ataon'ny filoha etsy Ambotsirohatra amin'izao fotoana izao.

  • 14/11/2019 - 10:30 : TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA :Alarobia 13 Novambra 2019,Nomena alalana vonjy maika mandritry ny telo volana ny fividianana solika anivon'ny Jirama handefa hoan'ireo teoram-pamokarana Jiro.

  • 14/11/2019 - 10:00 : ILES EPARSE:Hisy ny fivoriana hiarahana amin'y Frantsay etsy amin'ny lapan'Andafy Avaratra amin'ny faha 18 Novambra ho avy izao.

  • 14/11/2019 - 09:30 : MAHAMASINA:Manomboka amin'ny volana Desambra ny asa fanitarana ny kianjabe ny Mahamasina.

  • 14/11/2019 - 09:00 : TANA-MASOANDRO:Misy ny hetsika ho ataon'ireo olona voakasika ny Tana Masoandro amin'ny Sabotsy ho avy izao.

  • 13/11/2019 - 15:00 : FIAROVAM-PIRENENA:Natao androany maraina teto Ampahibe ny fifanaovan-tsonia nataon'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka amin'ny hampiasan'ny Polisim-pirenena ny fitaovan'ny Tafika Malagasy hanamafisana ny fahalemana sy ny filaminana mialoha , mandritra ary aorian'ny lalao fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2021 izay hatao ny asabotsy izao ao Mahamasina ary ihany koa ny fampielezan-kevitra amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

14/11/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190508

Misongadina

Mpiara-miasa amin-dRajoelina Manomboka mivoaka ny dosie maloto…

08/05/2019

Mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina, hoy ny lahatsoratra navoakan’i Mahery Lanto Manandafy tamin’ny tambajotra ara-tsosialy facebook.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Varin’ny BNGRC tao Toamasina Nalaina kandida depiote amboletra ?

08/05/2019

Nisy ny fampitam-baovao vonjimaika voaray, fa noraofina kandida depiote iray ny varin’ny sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary na ny BNGRC any Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

AREMA Fanohizana ny asa nataony no misy eto amin`ny firenena

08/05/2019

“Manana ny foto-kevitra hijoroany ny antoko Arema ary tsy mahamaika ny hanohitra na hanohana be fahatany ny fitondrana”, hoy Atoa Simon Pierre, sekretera jeneralin`ny antoko AREMA.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Inona marina ireo hevitra fonosiny ?

08/05/2019

Hahazo ny maro an`isa ve i Andry Rajoelina ? Hitazona ny toerany ve ireo ministra ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ririnina..

08/05/2019

Vanin'andro ririnina, hatsiaka mamirifiry Ny lamba fitafy anefa tsy mba misy firy Ary ny tena loza sy mampalahelo tokoa Dia mbola may hatramin'ny trano fonenana koa.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanolanana ankizivavy 14 sy 12 taona Nadoboka am-ponja ao Fianarantsoa ilay polisy

08/05/2019

Polisy mpiandry raharaha amin’ny alina sady vao mpiana-draharaha ity mpitandro filaminana voarohirohy nanolana ankizy vavy roa tsy ampy taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Beryl Razafindrainony voasazy mandra-pahafaty Tsy mbola naharay taratasy manameloka azy izany

08/05/2019

Tsy menatra sady tsy malahelo amin’ny fanamelohana tsy mitombina atao amiko aho dia ny hoe voasazy mandra-pahafaty tsy hikitikitika lalao tsipy kanetibe intsony,

Hamaky ny tohiny...

Moto Scooter Red Dog Fantatra ireo tompondakan’i Madagasikara dingana faharoa

08/05/2019

Tontosa teny amin’ny “Circuits Srk Imerintsiatosika” tamin’ny alahady 05 mey lasa teo ny fifaninanana “Moto Scooter”

Hamaky ny tohiny...

Tiger Woods mpiangaly “golf” Notoloran’i Trump ny mariboninahitra ambony indrindra

08/05/2019

Nosaloran’ny filoha Amerikanina Donald Trump ny “Médaille de la liberté » tao amin’ny Maison Blanche i Tiger Woods mpiangaly ny taranja « golf »,

Hamaky ny tohiny...

Ligue des Champions Nofaizin’i Liverpool 4 – 0 ny FC Barcelone

08/05/2019

Boribory marina ny baolina ary tena avo lenta ny endri-dalaon’ny ligue des champions. Samy nahafaty baolina roa be izao i Divock Origi (7’sy 79’’) sy Georginio Wijnaldum(54’ sy 56’)

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lasa anjely latsaka an-tany !

08/05/2019

Mandeha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombambavambahoaka, ary maro ny zavatra hita taratra eny.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe Ivato-Vassacos Hatao filamatra, hasiana “GPS”

08/05/2019

Betsaka ny fitarainana nataon'ny mponina sy ny mpandeha amin'ny zotra Ivato - Vassacos noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny koperativa mpitatitra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina Laharam-pahamehana ny ady amin’ny fahantrana

08/05/2019

Nanomboka omaly talata 07 mey tetsy amin’ny Parvis Analakely ny fankalazana ny herinandron’i Eoropa izay nampirantiana tranoheva maro nampahafantarana ireo tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tale jeneralin’ny ofisin’ny sinema Noterena hametra-pialana

08/05/2019

Nafampana tetsy amin’ny ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika na OMACI tetsy Ambodifilao omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

08/05/2019

Nanamafy omaly talata 7 mey ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Leon Rakotonirina fa manana hatramin’ny 20 jona 2019 ho avy izao ireo olona manana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna mba hanatitra ny azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

Hamaky ny tohiny...

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

08/05/2019

Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA

08/05/2019

Ny volana oktobra amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara, izany hoe enim-bola aorian’ny fifidianana solombavambahoka.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tendrombohitra Miadamanjaka Ampitatafika Nahitana tapaka filahiana nihoson-dra…

08/05/2019

Tsy mandry fahalemana ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana ny fandrindram-piterahana 12 taona dia efa manao izany ny ankizivavy

08/05/2019

12 taona efa mampiasa fomba fandrindram-piterahana na FISA ireo tovovavy kely eto amintsika raha sivy taona no zandriny indrindra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Tsiadana Lalan-kely maro nohatsarain’ny CUA

08/05/2019

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lalan-kely eny anivon’ny fokontany ao amin’ny boriboritany faharoa ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Famatsiam-bola Hanamafy ny fanaraha-maso ny OMS

08/05/2019

Tsy manaiky ny fanodinkodinam-bola ho amin`ny vaksiny ny sampandraharahan`ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Hanamafy ny fanaraha-maso an`i Madagasikara izy ireo manomboka izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana