Fil d'actualités du 17/06/2019

  • 17/06/2019 - 16:00 : TSY FANDRIAM-PAHALEMANA:"Missionaire"iray mpitondra ny" titre de paiement pension" ho any Toliara no nisy nanafika ny Asabotsy 15 jona lasa teo.

  • 17/06/2019 - 15:55 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA:fiara avy any Miandrivazo hihazo an'Antananarivo no notifirin'ny dahalo tamin'ny lalam-pirenena faha 7.

  • 17/06/2019 - 15:30 : BIANCO:ho tapitra ny Alahady ho avy izao ny fem-potoana hiasan'ny tale jeneraly ny Bianco noho izany hivaly amin'ity herinandro ity ny valin'izay ho voafidy ho tale jeneralin'ny BIANCO.

  • 17/06/2019 - 14:30 : FETIN'NY MOZIKA:Hisy seho maimaim-poana izay ho tanterahina eo amin'ny tokotanibe ny tranombokim-pirenena ny zoma faha 21 jona izao manomboka amin'ny 2ora tolak'andro,maro ireo mpanakanto andray anjara amin'izany.

  • 17/06/2019 - 14:00 : SOUDAN:Hotsaraina noho ny raharaha kolikoly ny filoha teo aloha Omar el-Béchir Hiakatra fitsarana ao Khartoum renivohitr’i Soudan amin’ny herinandro ho avy io ny filoha teo aloha, niongana, Omar el-Béchir, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fampanoavana ao an-toerana, omaly. 41 be izao ny fiampangana ani’ Omar el-Béchir, ary mampitombo ny ahiahy kolikoly nataony ny nahitana vola 113 tapitrisa dolara tao an-tranony tamin’ny fisavana ny tranony, taorian’ny nionganany teo amin’ny fitondrana tamin’ny aprily 2019 lasa teo.

  • 17/06/2019 - 12:00 : FATAMPAHAN-DALANA:Tapaka ny lalana manomboka eo amin'ny sapanana ambodivonikely ka hatrany Antanety Ambohimanarina manomboka androany 17jona ka ahatramin'ny faha 22 jona ho avy izao.

  • 17/06/2019 - 11:30 : ANTANIFOTSY:RN7 – Antanifotsy: Fiara mpitondra mpiantsena, nidona tamin’ny kamiao Tao Begoaika, amin’ny lalam-pirenena faha-7 no nitranga ny loza io maraina io. Fiara minibus Mazda hitondra mpiantsena ao Antanifotsy no nifanehatra tamin’ny kamiao. Nihemotra ny lohan’ilay Mazda, tery teo anelalenan’ny sezany izay niroso sy ny familiana ny mpamily. Maro no naratra.

  • 17/06/2019 - 10:45 : VANILA:Hisokatra rahampitso 18 jona ny taom-piotazana lavanila any amin'ny faritra Mandritsara.

  • 17/06/2019 - 10:30 : TOLIARA CHAMPS DE FOIRE:Trano miisa 10 eo no may kila forehitra tokony ho tamin'ny 02 ora maraina teo. Tao amin'ny toeram-pisotroana iray tsy nifanalavitra teo no nihavian'ny afo.

  • 17/06/2019 - 10:00 : ADAVAMAMBA:Fiara iray misy laharana famatarana miloko maintso no nivarina ao anaty rano,mbola tsy fantatra atreto hoe inona no nahatonga ny loza?mbola mandeha ny fanadihadiana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190225

Misongadina

Loza sesilany eto Madagasikara Tonga ihany koa ny ny andiam-balala

25/02/2019

Ahitana andiam-balala (valala kijeja) maro amin'iny lalana mankany Belo/Tsiribihina(Toby Betesda- Allée des Baobabs-Bekonazy) iny amin'izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandida depioten’ny TIM Tana V Ralambozafimbololona Fetra no lanin’ny “Base”

25/02/2019

Hanomboka rahampitso talata 26 febroary hatramin’ny 12 martsa ny fandrotsahana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida solombavambahoaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Hazakazaka ho eny Tsimbazaza Hanolotra kandidà tokana ny ARMADA

25/02/2019

Rahampitso talata 26 febroary no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy sy anto-bola ho an’ireo hirotsaka solombavambahoaka eny anivon’ny CED manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny...

Nicolas Randrianasolo « Halaviro ny fanenjehana ara-politika »

25/02/2019

Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny didim-panjakana lah. 2019-189 entina hamerana ny isan’ny solombavambahoaka ho 151 sy ny fari-pifidianana manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny...

Ho politikan’ny fananganana sekta ?

25/02/2019

Ora sisa isaina dia hanomboka ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida depiote hiady ny toerana etsy amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

Hamaky ny tohiny...

Elikoptera nampiasain-dRajoelina Naverina fa tsy voaloa vola intsony ?

25/02/2019

Re ankehitriny, fa naverina any Afrika Atsimo tamin'iny faran’ny herinandro iny ilay angidimby raitra ZS RZA de A BELL430 iray tamin’ireo maromaro mpitondra ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Beazina hiankin-doha lava fa tsy hamokatra

25/02/2019

Tsy maintsy mitondra vahaolana ho an’ ny fiainam-bahoaka ny fitondram-panjakana ao anatin’ ity telo volana voalohany ity raha tiany ho tafavoaka anatin’ izao fahantrana lalina izao ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ruffine Tsiranana Nodimandry tany Parisy teo amin’ny faha-80 taonany

25/02/2019

Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany tany Parisy ny sabotsy lasa teo Rtoa Ruffine Tsiranana. Zanaka vavy fahatelon’ny filoha teo aloha Philbert Tsiranana sy Justine Kalitody izy.

Hamaky ny tohiny...

Zaridainan’Antaninarenina Hosaziana izay nivarotra azy

25/02/2019

Nidina ifotony teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ilay toerana voalaza fa lasan’olon-tsotra tamin’ny taona 2018 ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny fanamboaran-trano sy ny asa vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo ny sabotsy 23 febroary teo.

Hamaky ny tohiny...

ANDOTIANA Halevina anio eny Ampitatafika

25/02/2019

Eny amin’ny fasan-drazany, Tangaina Ampitatafika no hotanterahina ny fandevenana an’i Andotiana, aorian’ny fotoam-pivavahana manomboka amin’ny 12 ora sy sasany anio alatsinainy 25 febroary.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Ligue 1 Analamanga Tompondaka 2019 ny As Adema

25/02/2019

Ny As Adema Ivato no voahosotra ho tompondakan’ny baolina kitra Ligue 1 eto Analamanga 2019 rehefa nandavo ny ekipan’ny Cosfa miaramila taorian’ny fandakana ny « tirs au but » 5-4 tetsy amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Volley-Ball Analamanga Lany ho filoha i Raharimalala Léa

25/02/2019

Tontosa tamin’ny sabotsy 23 febroary 2019 teo teny amin’ny LTC Ampefiloha ny AGE an’ny ligin’ny taranja volley-ball eto Analamanga. Taorian’ny tatitra nataon’ny filoha teo aloha Rasamison Hajaniriana ka nahazoany “Quitus”

Hamaky ny tohiny...

As Andry Bongolava “Ny Ajesaia no tokony ho saziana…”

25/02/2019

Somary nampalahelo kely anay As Andry ny valin-teny azo avy amin’ny “ Comité de discipline FMF” tamin’ny fandefasana tany amin’izy ireo ny “reserve de qualification” nataonay tamin’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fisavana taratasina fiara eny amin’ny lalam-pirenena Naato fa tsy natsahatra

25/02/2019

Manipika mazava ny filankevitry ny governemanta notanterahana ny zoma 22 febroary lasa teo fa fampiatoana ny fisavana taratasina fiara eny amin’ny lalam-pirenena ihany no natao fa tsy hoe fampitsaharana azy tanteraka akory.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Kolontsaina Malagasy Mampanahy ny hoaviny

25/02/2019

Fanarenana ny rova, mpanao hatsikana malaza lasa tale jeneraly misahana ny kolontsaina, fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny kolontsaina manoloana ny fiparitahana horonantsary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Faritra atsimon’ny nosy Mahery vaika ny 8 amin’ireo basy 32 tratra

25/02/2019

Araka ny tatitra ny volana febroary 2019 nentin’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny mpanao gazety, nahatratra 32 ny fitaovam-piadiana tra-tehaka, tamin’ny faritra atsimo afovoan’ny Nosy ka ny valo mahery vaika,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MAHANDRO NY SAKAFONY I MBOLA RAJAONAH

25/02/2019

Nanaterana vilany i Mbola Rajaonah ary izy ihany no mahandro ny sakafony hialana izay mety ho famosaviana azy ao am-ponja.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanapariahana fanafody tsy azo antoka Efa tambajotrana mafia mihitsy

25/02/2019

Miparitaka ny fanafody eto Madagasikara izay misy ny tsy azo antoka satria efa tambajotrana mafia no manaparitaka azy. Efa tsy manaraka ny dingana samihafa miainga amin’ny ozinina mpamokatra, mpamongady (grossiste),

Hamaky ny tohiny...

Fanorenan-trano Mitombo isa kanefa ny firenena miha mahantra

25/02/2019

Mitombo isa hatrany ny mpivarotra kojakoja fanamboarana trano eto an-drenivohitra na any amin` ny faritany aza. Midika izany fa mandeha ny tsena ary hahazoana tombony.

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Ihosy Nialana ny fomba tsy mampandroso

25/02/2019

Mbola maro fomba ny any amin’ny faritr’Ihorombe. Anisan’izany ny fomba bara izay tsy mampiana-janaka.

Hamaky ny tohiny...

Akanin’ny marenina - 67 ha Afaka handray ireo kilonga madinika 2 taona amin’izay

25/02/2019

Ho afaka handray ireo kilonga madinika 2 taona manana olana ara-pihainoana manomboka amin’ny volana martsa ho avy izao ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha.

Hamaky ny tohiny...

Tanora mpianatra Hofanina ho mpandraharaha fa tsy hitady asa fotsiny

25/02/2019

Betsaka amin’ireo tanora mpianatra nahavita fianarana eto amintsika amin’izao no tsy mahita asa akory.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana