Fil d'actualités du 17/06/2019

  • 17/06/2019 - 15:30 : BIANCO:ho tapitra ny Alahady ho avy izao ny fem-potoana hiasan'ny tale jeneraly ny Bianco noho izany hivaly amin'ity herinandro ity ny valin'izay ho voafidy ho tale jeneralin'ny BIANCO.

  • 17/06/2019 - 14:30 : FETIN'NY MOZIKA:Hisy seho maimaim-poana izay ho tanterahina eo amin'ny tokotanibe ny tranombokim-pirenena ny zoma faha 21 jona izao manomboka amin'ny 2ora tolak'andro,maro ireo mpanakanto andray anjara amin'izany.

  • 17/06/2019 - 14:00 : SOUDAN:Hotsaraina noho ny raharaha kolikoly ny filoha teo aloha Omar el-Béchir Hiakatra fitsarana ao Khartoum renivohitr’i Soudan amin’ny herinandro ho avy io ny filoha teo aloha, niongana, Omar el-Béchir, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fampanoavana ao an-toerana, omaly. 41 be izao ny fiampangana ani’ Omar el-Béchir, ary mampitombo ny ahiahy kolikoly nataony ny nahitana vola 113 tapitrisa dolara tao an-tranony tamin’ny fisavana ny tranony, taorian’ny nionganany teo amin’ny fitondrana tamin’ny aprily 2019 lasa teo.

  • 17/06/2019 - 12:00 : FATAMPAHAN-DALANA:Tapaka ny lalana manomboka eo amin'ny sapanana ambodivonikely ka hatrany Antanety Ambohimanarina manomboka androany 17jona ka ahatramin'ny faha 22 jona ho avy izao.

  • 17/06/2019 - 11:30 : ANTANIFOTSY:RN7 – Antanifotsy: Fiara mpitondra mpiantsena, nidona tamin’ny kamiao Tao Begoaika, amin’ny lalam-pirenena faha-7 no nitranga ny loza io maraina io. Fiara minibus Mazda hitondra mpiantsena ao Antanifotsy no nifanehatra tamin’ny kamiao. Nihemotra ny lohan’ilay Mazda, tery teo anelalenan’ny sezany izay niroso sy ny familiana ny mpamily. Maro no naratra.

  • 17/06/2019 - 10:45 : VANILA:Hisokatra rahampitso 18 jona ny taom-piotazana lavanila any amin'ny faritra Mandritsara.

  • 17/06/2019 - 10:30 : TOLIARA CHAMPS DE FOIRE:Trano miisa 10 eo no may kila forehitra tokony ho tamin'ny 02 ora maraina teo. Tao amin'ny toeram-pisotroana iray tsy nifanalavitra teo no nihavian'ny afo.

  • 17/06/2019 - 10:00 : ADAVAMAMBA:Fiara iray misy laharana famatarana miloko maintso no nivarina ao anaty rano,mbola tsy fantatra atreto hoe inona no nahatonga ny loza?mbola mandeha ny fanadihadiana.

  • 17/06/2019 - 09:30 : JIRAMA:Ny JIRAMA dia mampandre fa ho Tapaka ny famatsiana RANO eny Mandriambero- Ambohidratrimo- Anosiala- Soamanandray anio Alatsinainy 17 Jona 2019 manomboka amin'ny 08 ORA MARAINA ka hatramin'ny 05 ORA HARIVA. Antony : asa fanamboarana ny "surpresseur " simba eny Mandriambero. Raha vao vita ny asa dia hiverina tsikelikely ny famatsiana RANO. Ny JIRAMA dia miala tsiny amin'ny mety ho fanelingelenana aterak'izany ary misaotra antsika rehetra amin'ny faharetana.

  • 17/06/2019 - 09:00 : SOLIKA:Hisy ny resaka izay hifanaovan'ny filoha sy ny mpandrara solika ho an'ny anio,mikasika ny fampienana ny vidin-tsolika.ho entina miandalana eto ihany ny tohin'ny raharaha.

Voir plus d'infos...

14/06/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190125

Misongadina

Marc Ravalomanana Manetsika ny mpiara-dia aminy

25/01/2019

“In-dray mandeha no manta vary ka tsy handevin-tsotrobe”, hoy ilay fomba fiteny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Governemanta vaovao Nahazo seza ireo akama

25/01/2019

Nivoaka omaly ny didim-panjakana n° 2019 – 023 nanendren’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Christian Ntsay.

Hamaky ny tohiny...

Fanovana ifotony ny lalàmpanorenana Tsy azo ihodivirana, hoy i Arlette Ramaroson

25/01/2019

Tsy zakan’ny fanitsiana (revision) fotsiny intsony, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson, ny lalàmpanorenana vaovao eto Madagasikara raha toa ka irosoana ireny vina nolazain’ny filoham-pirenena vaovao ireny.

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar 73 Miliara Ariary no lany tamin`ny fifidianana

25/01/2019

97 Miliara ariary tany ho any ny vola nampiasain`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) nandritra ny taona 2018 araka ny tatitra nataon`ity vaomieram-pirenena ity izay nahitana ny lafiny ara-moraly,

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Ny ao an-dapa ihany no hamingana raha tsy mitandrina

25/01/2019

Efa nanomboka tany amin’ny fomba fanomanana fampielezankevitra no hita fa niha nitombo hatrany ireo hoditr’akondro voatsipy nanoloana ny filoham-pirenena vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Olon’ny MAPAR Hasavoritaky ny ady seza…

25/01/2019

Manomboka tsy re feo ny ankamaroan’ireo olon’ny MAPAR sy ny mpanohana fatratra an’i andry Rajoelina. Misy ny variana amin’ny ady seza, ao ireo tsy mahita hotenenina fa fanina tanteraka.

Hamaky ny tohiny...

Lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana Nampihena be ny sehatra hahafahan’ny faritra miasa

25/01/2019

Ny fanovana maro tao anatin’ny lalàna 2014-020 dia nampihena be ny asan’ny faritra ary tsy miteraka fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy ny lehiben’ny faritra (CR) Analamanga Ndratonomena Rakotonanahary.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Nahazo fokontany 7 vaovao

25/01/2019

Nisy ny fangatahan’ny mponina ny amin’ny hananana fokontany vaovao satria lehibe loatra ny fokontanin’ny tobin-tseranam-piaramanidina Ivato teo aloha izay iray tao anatin’ny kaominina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Tairo amin’izay ary ee !

25/01/2019

Efa ao daholo izany izao ny akama rehetra ry Jean ka atomboy amin’izay ary ity revy ity aa ! Miandry anao ny vahoaka ee !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sehatra fizahantany Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa sy Alemaina

25/01/2019

Hanatanteraka fampiofanana any Frantsa sy Alemaina ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) nanomboka ny 22 janoary lasa teo ary tapitra ny 31 janoary ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Andro ratsy sy ora-mikija Lasibatra ihany koa ny any Atsimo

25/01/2019

Ny faritra Atsimon’ny Nosy indray izao no mizaka ny voka-dratsin’ny faharatsian’ny toetr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Zava-pisotro Miala any indray ny vita amin’ny voaloboka

25/01/2019

Ankoatra ny paoma, ny voasary dia efa nahavitana ranom-boankazo ihany koa ny voaloboka eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye RIM andiany faha-40 Mbola hotontosaina any Moramanga amin’ity 2019 ity

25/01/2019

Matotra ny filazan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Fanalamanga omaly fa mbola hotontosaina any Moramanga toy ny tamin’ny taon-dasa ny fanatanterahana ny fifaninanana RIM “Rallye Internationale de Madagascar”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana AS Ramim’s Hisarika ny tanora tsy ho azon’ny mahadomelina

25/01/2019

Herintaona mahery izao no nijoroan’ny fikambanana AS Ramim’s, izay manana foibe ao amin’ny distrikan’Ambatolampy ary efa manana mpikambana 1000 isa mahery sahady.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Eo am-pandrasana mahita ny atiny e !

25/01/2019

Tafatsangana ny governemanta vaovao heverin’ny filoham-pirenena fa hahavita ireo veliranony sy fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe eto an-drenivohitra Misy mampidi-doza kanefa mbola miasa ihany

25/01/2019

Misy amin’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra amin’izao efa tsy tokony hiasa intsony.

Hamaky ny tohiny...

Taksibe eto an-drenivohitra Misy mampidi-doza kanefa mbola miasa ihany

25/01/2019

Misy amin’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra amin’izao efa tsy tokony hiasa intsony.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Banky foiben’i Madagasikara Tsy mbola mieritreritra ny hamoaka vola vaovao

25/01/2019

Nahoraka ny ho famoahan’ny Banky Foiben`i Madagasikara vola vaovao mitambatra toy ny 50 000 Ariary sy 100 000 Ariary ao anaty tambajotran-tserasera.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Fanalamanga 2018 Nihoatra ny tokony ho izy ny vinan’asa vita

25/01/2019

Nandeha araka ny tokony ho izy ny laminasa rehetra notanterahina tamin’iny taona 2018 nivalona iny ary nihoatra ny tokony ho izy mihitsy aza ho anay eto amin’ny orinasa Fanalamanga,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Halatra bateria amin’ny andrin-jiro Lehilahy iray voasambotra teny amin’ny faritr’i Masay

25/01/2019

Taorian’ny fangalarana bateriana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro misesisesy teto an-drenivohitra ny volana desambra lasa teo dia lehilahy iray no saron’ny polisim-pirenena teny amin’ny faritr’i Masay.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

HALA-JAZA SY TANORA

25/01/2019

Tena misy ny hala-jaza ary tsy tena zaza no lasibatra fa ireo adolatsento.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fitsaram-bahoaka Nodimbiasan’ny fifamonoana

25/01/2019

Lojikan’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny izay iainan’ireo mponina andavanandro, indrindra ety an-drenivohitra ny rarin-tsaina.

Hamaky ny tohiny...

Ranon’ny JIRAMA tapaka matetika Vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny fitomboan’ny filàna

25/01/2019

Nitondra fanazavana manokana momba ny rano tapaka vatsiany, Rtoa Francesca Tsitohery Andriamampinona, talen’ny serasera eo amin’ny orinasa JIRAMA omaly.

Hamaky ny tohiny...

Trano miorina ambony fefiloha Olona maro no efa notorian’ny APIPA

25/01/2019

Tena mitera-doza tokoa ny fipetrahana manamorona ny fefiloha, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana