18/05/2012
Hafahafa ihany ilay tranga teny Ankasina 67Ha ka nahafatesana Betsileo iray, mpandraharaha any Tsaratanana any, ny alarobia lasa teo vao mangiran-dratsy tokony ho tamin'ny 3 ora maraina tany ho any.
18/05/2012
Niseho ampahibemaso rehefa ela nikononkononana ny Vondrona-Hetsika- Fahamarinana-Tetezamita Vaovao (VHF-TV).
18/05/2012
Nisy ny resaka natao teny an-dalambe rehetra tao Toamasina tamina karazan’olona maro, na ireo fantatra aza fa isany nandray anjara goavana tamin’ny fametrahana ilay “fanovana” teto amin’ny firenena ny taona 2009, mikasika ny fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena ankehitriny.
18/05/2012
Fantatra araka ny andininy faha-103 ao amin’ny lalàmpanorenena fa misy indray mandeha isaky ny 15 andro farafahakeliny ny fametraham-panontaniana mivantana tontosain’ireo parlemantera amin’ny mpikambana amin’ny governemanta.
18/05/2012
Nihazo an’i New York - Etazonia ny alarobia maraina teo i Andry Rajoelina, mba handray anjara amin’ny dinikasa miaraka amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Kin Moon.
18/05/2012
Hagagana ny an’ireo olona teny amin’ny manodidina ny trano fonenan’ingahy Aina etsy Itaosy nandritra ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny trano fonenany ny hariva zoma 11 mey teo.
18/05/2012
18/05/2012
Olona 150 no very asa nohon’ny fisintonana ny fahazoan-dalàna ampiasain’ny orinasa Madamobil mampiasa ny tambazotra Life.
18/05/2012
Rakotondrafy Aimé, filohan’ny Sendikan’ny Paramed itambaran’ny infirmier sy sage femme no vahinin’ny Tia Tanindrazana anio. Nanontaniana azy ny anton’ny grevy tontosain’ny Paramed amin’ny alatsinainy izao eto Analamanga sy ny fitarana amin’ny faritra 22 manomboka ny alakamisy sy zoma
18/05/2012
Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny famerenenana ireo mpianatra hamonjy sekoly sy ny fisokafan’ireo sekolim-panjakana, voatery nakatona vonjy maika noho ireo toe-javatra nitranga tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nisian’ny fidinan’ny mpianatra an-dalambe ary nitrangan’ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny samy mpianatra tsy miankina sy ny fanjakana tao Toamasina.
18/05/2012
Tsy mitsahatra ny miresaka isika eto, isaky ny fiatombohan'ny herinandro vaovao fa hoe : miakatra ambony indray ny maripana eo amin'ny tontolo politika.