Fil infos

  • 22/02/2017 - 13:30 : Raharaha Hiary Rapanoelina: Milaza ny eo anivon'ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) fa tsy nisy ny fitazonana na fampiantsoana ny vadin'ity mpanakanto ity. Ny eo anivon'ny fampanovana no tompon'antoka amin'ny fampiantsoana hoy ny eo anivon'ity sampan-draharaha ity.
  • 22/02/2017 - 13:00 : Fanabeazana: Mirona makany amin’ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE ny drafitra PSE. Ho lasa DFEP na « Diplôme de fin d'étude fondamental » kosa ny BEPC. Mba hisorohana ny fiovana mahery vaika dia hatomboka tsikelikely manomboka ny taom-pianarana 2017-2018 ity fanovana ny rafi-pampianarana eto amintsika ity.
  • 22/02/2017 - 12:30 : Oniversiten'Antananarivo: Ny 31 martsa no hifarana ny fisoratana anarana sy ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an'ny mpianatra eny anivon'ny anjerimanontolo eny Ankatso.
  • 22/02/2017 - 12:00 : Fakana an-keriny: Tsy mbola hita ary tsy andrenesam-baovao hatramin'izao ny misy ilay teratany karana Irefane Molou nisy naka an-keriny teny Ivandry ny takarivan'ny zoma 10 febroary lasa teo.
  • 22/02/2017 - 11:30 : Ambondrona: Lehilahy iray tokony ho 40 taona mpatory an-dalana voalaza fa avy any Ambatolampy hita faty teo akaikin'ny fanariam-pako androany maraina. Efa nalain'ny BMH androany tokony ho tamin'ny 6 ora maraina ny razana, ka raha ny tombana vonjimaika dia mety ho vokatry ny hatsiaka no nahafaty azy.
  • 22/02/2017 - 11:10 : Fanondranana sokatra antsokosoko: Lamandy 7 tapitrisa ariary miampy figadrana an-tranomaizina 1 sazy mihantra no azon'ilay teratany "Réunionnais" nahatrarana zana-tsokatra miisa 7 saika haondrana antsokosoko ny volana novambra 2016.
  • 22/02/2017 - 10:45 : Toetr'andro: Hitsahatra ny orana manomboka amin'ity anio ity ary ny faran'ny herinandro vao mety hisy rotsak'orana indray ho an'ny eto afovoan-tany. Ho maloka hatrany anefa ny andro raha ny tombatomban'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.
  • 22/02/2017 - 10:20 : Tontolo iainana: Mahatratra 0,9% isan-taona ny fahapotehan'ny ala eto Madagasikara amin'izao fotoana izao raha toa ka manodidina ny 0,5% izany teo anelanelan'ny taona 2005-2010. Hatrany amin'ny 30 000Ha isan-taona ny velaran'ala ringana. Ny faritra andrefana sy antsinanan'ny nosy tena iharan'ny fahapotehana, ka ho an'ity farany dia isan'ny antony lehibe ny fanaovana tavy.
  • 22/02/2017 - 10:00 : Polisim-pirenena: Tsy maintsy hosamborina ary hampiharana lalàna ireo nahavanon-doza nahafaty polisy 2 tany an-toerana ny sabotsy teo tany Befandriana Avaratra. Polisy nanao ny asany ireto novonoina ireto, ka mety hiafara amin'ny fanalana ny polisy rehetra any an-toerana izao raharaha izao. Hisy kosa ny fifampiresahana amin'ireo tompon'andraikitra sy raiamandreny any an-toerana.
  • 22/02/2017 - 09:45 : Soavinandriana: Raimpianakaviana iray 43 taona niakatra fitsarana afak'omaly ka naiditra am-ponja noho ny fametavetana nataony tamin'ny zanany izay niterahany mihitsy.

- Suivant>>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana