Fil d'actualités du 18/01/2018

  • 18/01/2018 - 17:30 : KOLIKOLY: Noho ny kolikoly misy ao anatin’ny fitsarana dia manjaka ny fitsaram-bahoaka ka vonona ny hanadio ao antin’ny fitsarana ny SMM, hoy filohany Faniry Erinaivo.

  • 18/01/2018 - 16:45 : HOUCINE ARFA: Mangataka ny hihaona amin’ny filoha frantsay Emanuel Macron i Houcine Arfa.

  • 18/01/2018 - 16:30 : SENDIKAN’NY MPANDRAHARAN’NY FONJA: Ny fonjan’i Tsiafahy dia tsy fitazonana olona mbola tsy vohatsara, hoy ny filohan’ny sendikan’izy ireo.

  • 18/01/2018 - 16:15 : FANAPAHANA KARAMA: Tokony ny ao amin’ny ministeran’ny vola no hanao fanadiovana voalohany izay vao midina makany amin’ireo mpiasa madinika, ary misy ny lalana tokony arahina fa tsy tapahana fahatany fotsiny hoy Faniry Erinaivo filohan’ny SMM.

  • 18/01/2018 - 16:00 : MALAIMBANDY: Jiolahy mpaka an-keriny 2 no voasambotry ny zandary rehefa nisy ny fifampitifirana omaly maraina.

  • 18/01/2018 - 15:45 : MASOIVOHON’NY FANJAKANA BRITANIKA: Nanatanteraka fitsidihina tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny androany ny Masoivohon’ny Fanjakana Britanika ny Son Excellence Philip BOYLE.

  • 18/01/2018 - 15:30 : VIDIM-BARY: Nahitana fihenany ny vidim-bary eny an-tsena ary efa hita miparitaka eny koa ireo vary avy eto an-toerana.

  • 18/01/2018 - 15:15 : BAOLINA LAVALAVA: Vita tsy nisy tomika ny fandaharan-dalao rehetra tamin’iny taona 2017 iny ary miandry ny fankatoavan’ny ministera mpiahy ny fanaovana fifidianana ho filohan’ny ligy hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga.

  • 18/01/2018 - 15:00 : ANKAZOBE: Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny Zandary tany Antampoketsa ny talata lasa teo , ka dahalo 1 no voasambotra. Ireto dahalo ireto dia nangalatra omby miisa 20, izay mbola mitohy ny fanarahan-dia.

  • 18/01/2018 - 14:45 : RAHARAHA HOUCINE ARFA: Raha tena madio ny minisitra dia tokony sahy hametra-pialana mba tsy hisian’ny fitongilanana eo amin’ny fanadihadiana hoy ny filohan’ny SMM Faniry Erinaivo.

Voir plus d'infos...

18/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171230

Misongadina

Marc Ravalomanana “Hitarika olana goavana ny fanakanana ahy”

30/12/2017

Namerina indray omaly Atoa Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany ary hitarika olana goavana ny fanakanan’ny fitondrana azy tsy ho kandida amin’io taona ho avy io. Tsy hipetra-potsiny ary tsy hanaiky izany fanakanana ahy izany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy izy ka aoka tsy hanao sangy ratsy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mihorohoro ny fitondrana Manamboninahitra 144 nakarina galona

30/12/2017

Nirarakopana ny fanondrotana galona teo anivon’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany ho an’ny taona 2017 ny alakamisy 28 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Maka ny fon’ny ambany tanàna

30/12/2017

Nanao bemidina nizara zavatra teny La Réunion kely ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady narahin’ny mpikamban’ny governemanta maromaro, toy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa, Henry Rabary-Njaka, Jean Anicet Andriamosarisoa, Maharante Jean de Dieu, Zafilahy Ying Vah, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Herilanto Raveloharison, Lantoniaina Rasoloelison, Onitiana Realy … omaly.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanatsarana an’Antananarivo Hitombo ny hafainganam-pandeha amin’ny 2018

30/12/2017

Anisan’ny teny filamatra apetraka eo anivon’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny “Antananarivo Renivohitra, soa iombonan’ny Malagasy”, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, raha nikabary nanoloana ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny CUA tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Polisy ao Antsiranana Misy terena hiambina karana

30/12/2017

Fampitam-baovao avy amina raim-pianakaviana iray manana zanaka polisy miana-draharaha any Antsiranana no naharaisana fitarainana mikasika ny zava-manjo sy fanararaotana ireo mpitandro ny filaminana ambany grady sasany any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Ankizy kamboty sy sahirana Notoloran’ny vondrona Star fitaovam-pianarana

30/12/2017

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra amin’izao no tsy ara-dalana ny fitaovam-pianarany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana eo anivon’ny tokantrano. Manampy trotraka izany ny halafosan’ny fitaovana, indrindra fa ireo kipitsony madinika izay nahitana fiakarany hatrany amin’ny 5 % tamin’ity fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2017-2018 ity raha kely indrindra

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana