Fil d'actualités du 17/12/2017

  • 17/12/2017 - 23:00 : MAHAJANGA: Tovolahy mpangalatra finday iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Mahabibo Mahajanga androany alahady 17 desambra tamin'ny 8 ora alina, ka tsy mahatsiaro tena.

  • 17/12/2017 - 13:00 : MARC RAVALOMANANA: Niara-niombom-bavaka ho fankalazana ny jobily faha-150 taonan'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy faha 500 taonan'ny Reformasiona tany Ambohitsimanova Betafo ny filoha teo aloha mivady androany.

  • 17/12/2017 - 12:00 : ZANDARIMARIAM-PIRENENA: Nodimandry ny androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany ny Jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tamin'ny andron'ny Tetezamita.

  • 17/12/2017 - 11:00 : IKONGO: Mpitandro filaminana miisa 9 no mbola karohina noho ny fivadihan'ny fiara nitondra azy ireo noho ny tosiky ny rano teo amin'ny "radier" ao Agnila omaly.

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171204

Misongadina

Marc Ravalomanana Tonga dia miasa avy hatrany…

04/12/2017

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Mahereza ny mpino FJKM ny sabotsy 2 novambra teo, ka lohalaharana ny filohan’ny komitim-pankalazana ny faha-50 taona Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonarimampianina sy ny HVM Mihorohoro amin’ny vahoakan’Antsiranana

04/12/2017

Mety hahemotra amin’ny volana aprily ny fihaonambem-paritry ny antoko HVM tokony hatao ny 15-16 desambra any Antsiranana. Loharanom-baovao iray no nandrenesana, fa tsy faly tamin’ilay fihaonambem-paritra tany

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina Nanatsara resaka tamin’ny mpitsara

04/12/2017

Sahia mandray andraikitra ianareo mba hampisinda ny ahiahy sy ny fanakianana avy amin’ny fiarahamonina momba ny fitsarana. Io no tenin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpikambana avy ao amin’ny filankevitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolo politika Nitsangana ny “GASY-MI”

04/12/2017

Niampy iray indray nanomboka ny sabotsy teo ny fikambanana sy ny antoko politika misy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Mitady fiaraha-miasa amin’ny Japonais

04/12/2017

Nigadona any Tokyo Japon omaly alahady 3 desambra tamin’ny 3 ora tolakandro eto Madagasikara (7 ora hariva any an-toerana) ny delegasionina Malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Manatanteraka fitsidihana ara-panjakana any an-toerana ny filoha,

Hamaky ny tohiny...

Mpandrindra ny Federalista any Antsiranana Voatendry i Atiky Soulaïmane Tsiresy Houssen

04/12/2017

Na tsy mbola nodinihina tao amin’ny parlemanta roa tonta (antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona) aza ny volavolan-kevitra federaly dia miezaka mametraka ny olony manerana ny nosy ny RFM (Rassemblement des Fédéralistes de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tonom-bavak'i Ramalagasy

04/12/2017

RaMalagasy vontom-pinoana, Malagasy tia mivavaka Miandrandra mafy isak'alahady, miandry foana valim-bavaka Vitsy no mivangabao, trano fiangonana feno hipoka Miredona aleloia, mihira mafy tsara ritsoka.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

« Maison de la Charité » Tongarivo Notoloran’ny minisiteran’ny mponina fitaovana

04/12/2017

Nomarihina omaly alahady 3 desambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona manana fahasembanana, nifantoka betsaka amin’ny fiombonana sy ny ady amin’ny fanilikilihana eo amin’ny fiarahamonina ny fankalazana izany tamin’ity taona ity,

Hamaky ny tohiny...

Birao iraisam-pirenena momba ny asa Miady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona

04/12/2017

Miezaka manao ny asany ny birao iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT amin’izao fotoana manoloana ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

Hamaky ny tohiny...

Antanetibe Ilafy Tanin’olon-tsotra 24 ha misy misoloky

04/12/2017

Mihamahazo vahana hatrany ny resaka ady tany eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny etsy Antanetibe Ilafy, distrikan’Avaradrano.

Hamaky ny tohiny...

Mpanendaka tratra teny Itaosy Hitokona ny fianakaviany

04/12/2017

Ny sabotsy 2 desambra 2017, tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany maraina dia nisehoana trangana asa fanendahana teny amin’ny faritra Bemasoandro Itaosy, ka olona telo no voaendaka.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Marathon International de Tanà andiany faha-17 Nanjakan’ny atleta Malagasy

04/12/2017

2 andro be izao dia ny sabotsy 2 sy alahady 3 desambra no nanatontosana ny hetsika Marathon Internationale de Tanà nokarakarain’ny Federasiona Malagasin’ny Atletisma niaraka tamin’ny World Trade Center ary ny fiombonan’antoky ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Basikety - tompondaka nasionaly N 1 A Nanomboka tamin’ny sabotsy ny lalao miverina

04/12/2017

Nanomboka tamin’ny sabotsy 02 desambra 2017 teo tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny taranja basikety N 1 A lahy sy vavy. Ekipa lehilahy miisa 14 ary Vehivavy miisa 12 no mandray anjara amin’ny fifaninana.

Hamaky ny tohiny...

Rugby Kianja Makis Nanatrika teny an-toerana i Daniel Blondy

04/12/2017

Niditra teo amin’ny andro faha-9 ny fifaninanana ny lalao rugby D-1 Elite Fédérale karakarain’ny “Comité Technique Fédérale” tantanan’Atoa Randrianarisoa Rija notontosaina teny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka omaly alahady 3 desambra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hotsarain’ny tantara !

04/12/2017

Fiteny zary efa mahazatra ny Malagasy ny hoe : « aleo ny tantara no hitsara » na ny hoe « aleo ho hitan’ny havany eo ».

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitohanana etsy Anosizato Tara daholo vao tafody ny olona, vehivavy iray voaendaka

04/12/2017

Miverina indray ny fitohanana etsy amin’ny rond point Anosizato hatramin’ny niavian’ny ranon’orana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Smart Center Sehatra manasongadina ny teknolojia

04/12/2017

Miezaka ny manavao ny tolotra omeny ireo tranobe fivarotana maro eto amintsika, ho fanatsarana ny sehatra asa misy azy, toy ny « Lai Bao Center » etsy Analakely. Ankoatra ny toerana malalaka izay mirefy 2 000 m² isaky ny ambaratongany, dia hisy koa rihana telo vao hisokatra tsy ho ela.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny firenena Hanome ny tsara hatrany ny JCI Madagasikara

04/12/2017

Federasionina goavana hikambanan’ny tanora sady olom-pirenena mandray andraikitra maneran-tany ny JCI na ny « Jeune Chambre Internationale ».

Hamaky ny tohiny...

Mitombo ny fivarotana goavana eto Antananarivo Voatokana ny “La Chapelle” eny Analakely

04/12/2017

Notokanan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny sabotsy lasa teo ny Tranombarotra lehibe « La Chapelle » eny Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Vondrona CPE Mankalaza ny faha-20 taona niorenany

04/12/2017

Feno 20 taona omaly alahady ny vondrona CPE manerana ny Nosy, izay fanta-daza loatra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny tao Ankilizato Olona 14 no nosamborina

04/12/2017

Olona miisa 14, ny roa atidoha mpaniraka no voasambotry ny Zandarimariam-pirenena ny 2 desambra 2017 tamin’ny 5 ora maraina tao Soarano sy Soatany, samy any amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Malaimbady, ireo tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao Ampandrambe Ankilizato tamin’ny herinandro faran’ny volana novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Bekilojy-Betroka Dahalo 2 maty, basy 2 tratra

04/12/2017

Dahalo miisa 3, mpiray tsikombakomba 2 (mpimasy ny iray) ary mpamatsy fitaovam-piadiana sady mpanadio omby halatra na ilay antsoina hoe dahalo ambony latabatra iray no voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Betroka noho ny asan-dahalo niseho ny 22 novambra 2017 tao Bekijoly,

Hamaky ny tohiny...

Trafikana taolam-paty Olona 6 voasambotra teny Soavina

04/12/2017

Efa-dahy sy roa vavy no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny Commissariat Central Tanjombato teny Soavina Atsimondrano ny sabotsy 2 desambra 2017 teo, tokony ho tamin'ny 2 ora sy sasany hariva niaraka tamin'ny taolam-paty miisa 250 izay milanja 35 kilao.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Robert Mugabe Nisarahan’ny vadiny

04/12/2017

Tsy metimety amin’i Gucci Grace vadin’ny filoha Zimbaboeana teo aloha ny tsy maha filoha an’ity farany intsony koa fantatra fa nametraka ny taratasy fangatahana fisaraham-pananmbadiana ramatoa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana