Fil d'actualités du 17/12/2017

  • 17/12/2017 - 23:00 : MAHAJANGA: Tovolahy mpangalatra finday iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Mahabibo Mahajanga androany alahady 17 desambra tamin'ny 8 ora alina, ka tsy mahatsiaro tena.

  • 17/12/2017 - 13:00 : MARC RAVALOMANANA: Niara-niombom-bavaka ho fankalazana ny jobily faha-150 taonan'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy faha 500 taonan'ny Reformasiona tany Ambohitsimanova Betafo ny filoha teo aloha mivady androany.

  • 17/12/2017 - 12:00 : ZANDARIMARIAM-PIRENENA: Nodimandry ny androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany ny Jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tamin'ny andron'ny Tetezamita.

  • 17/12/2017 - 11:00 : IKONGO: Mpitandro filaminana miisa 9 no mbola karohina noho ny fivadihan'ny fiara nitondra azy ireo noho ny tosiky ny rano teo amin'ny "radier" ao Agnila omaly.

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171128

Misongadina

Vaky fasana teny Mahitsy Razana 135 nangalana taolan-dava

28/11/2017

Zava-doza no nitranga tany Soavinimerina ao anatin’ny kaominin’i Mahitsy ny alahady lasa teo. Nivoha nidanadana ny varavaran’ny fasana iray. Rehefa nojerena dia nisy namaky io fasana io ary nikorontana ambony ambany ireo razana tao anatiny.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Parlemantera Belza sy Malagasy Manamafy orina ny fiaraha-miasa

28/11/2017

Ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-miasan’ny samy parlemantera avy amin’ny firenena miteny frantsay, ny « Delegasion du Parlement de la Fédération Wallonie – Bruxelles (PFWB) » dia manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara mandritra ny valo andro,

Hamaky ny tohiny...

TIM Ihorombe Efa manomana ny fifampiarahabana ny taona vaovao

28/11/2017

Nivory tao Ihosy renivohitry ny faritra Ihorombe ny antoko TIM any amin’iny faritra iny notarihin’ny Reg TIM, Velomana Roger, sy ny DISTIM Ihosy, Gabriel, ary notronin’ireo ComTIM ao amin’ny Distrika Ihosy sy ny DISTIM Ivohibe sy Iakora, ny sabotsy 25 novambra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Fa inona foana ?

28/11/2017

Fa inona foana ity mampievotrevotra ? Tsy misy asa vita, miseho ho be hevitra Tokanana avokoa izay azo tokanana. Amidy daholo rehefa fananana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Terak’i Betroka teny Antaninarenina Miaro ny depiote Jean Nicolas

28/11/2017

Mandalo eto Iarivo ny terak’i Betroka ahitana ben’ny tanàna miisa 19 any amin’ity distrika ity, notarihan’ny filohan’izy ireo, Raherivelo Abel Julien izay avy namonjy ny zaikabem-paritry ny HVM tany Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Silamo mpitsoa-ponenana Misy koa any Mahajanga

28/11/2017

Miha mitombo isa ireo olona be volombava sy misarebareba fitafy hita mifamezivezy amina toerana maro eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Mety ho zava-doza ny lalàna momba ny ZES Ataovy ny atrikasam-pirenena, hoy ny SECES

28/11/2017

Nanatanteraka fivoriana ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy ny Mpikaroka-Mpampianatra (SECES) rantsana Antananarivo ny 24 novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fiakaran’ny vidin-jiro ho an’ireo mpanjifa vaventy Hampiharina amin’ny taona 2018

28/11/2017

Hampiharina manomboka amin’ny taona 2018 ho avy io ny fiakaran’ny vidin-jiro eo anivon’ny orinasa JIRAMA, araka ny drafitra fanarenana ny orinasa izay voasoritra ao anatin’ny lalàna vaovao hifehy ny famatsiana ny herinaratra eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Mponin’i Morombe Nomena fahalalana bebe kokoa momba ny asan’ny CNaPS

28/11/2017

Vao miresaka CNaPS dia ny volan-jaza sy ny fisotroan-dronono no be mpahalala. Ho an’ny vahoakan’i Morombe, indrindra ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia sambany izy ireo no nahafantatra fa hay ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (na ny CNaPS) ihany koa dia mandray an-tanana izay tra-doza am-perinasa na koa marary vokatry ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Analakely Nodiovina ny pavillon

28/11/2017

Anisan’ny vinan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny asa fanadiovana sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Manaiky ny ankamaroan’ireo mpivarotra

28/11/2017

Na dia nisy tamin’ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’ny Fihavanana Petite Vitesse aza no velom-panahiana teo aloha mikasika ny asa fanatsarana sy fikarakarana ity tsena ity hotanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia tonga saina ihany izy ireo rehefa nohavazaina taminy ny tena marina.

Hamaky ny tohiny...

Bazary Marolaka Mahajanga Tezitra amin'ny ben'ny tanàna ireo mpivarotra

28/11/2017

“Ajanony ny M'vola, hajao ny bokin'andraikitra, aoka izay ny didy jadona”.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Krizy eto amin’ny firenena Miantso fanetren-tena sy firaisankina ny FFKM

28/11/2017

Taorian’ny fivoriana nataony tany Antsirabe ny 23-26 novambra teo, dia vara-datsaka ary mahery ny fanambaran’ny FFKM.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra-fifidianana filohana Ligy Misy resaka tsy milamina

28/11/2017

Manomboka mafampana ny tontolon’ny baolina kitra amin’izao fotoana, noho ny resaka fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Karate Do sampana Fihezama Mpikatrako 125 no nandray anjara

28/11/2017

Nahatratra mpikatroka 125 avy amin’ny klioba 25 misy ireo mpikatroka nandray anjara tamin’ny fifaninanana Karate sampana Fihezama notontosaina ny sabotsy 25 novambra teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity no namarana ny hetsika karate sampana Fihezama taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy azo antenaina

28/11/2017

Asa aloha izay fahagagana hataon’ny mpitondra HVM fa raha izao zava-misy iainan’ny olona manerana ny nosy izao dia 1er Tour dia mihintsana ny kandida Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibrosy amin’ny RN2 Hitokona rahampitso

28/11/2017

Hitokona avokoa ireo taksibrosy sy kamiao mampiasa iny lalam-pirenena faharoa iny ka tsy hiasa rahampitso alarobia. Lohalaharana amin’izany ny mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Pesta an-tanàn-dehibe Tapitra, hoy ny praiminisitra

28/11/2017

Ambara fa tapitra ny fisian’ny valanaretina « peste pulmonaire urbaine » na ny pesta aretin-tratra eto Madagasikara raha tany amin’ny volana aogositra 2017 no nisehoany voalohany, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza Nankasitraka ireo mpitsabo Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina

28/11/2017

Mba hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana dia notoloran-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina mari-pankasitrahana avokoa ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ireo tobim-pitsaboana CSB II eto amintsika, manatanteraka ilay tetikasa CARMMA (Campagne pour l’Accélération de la Réduction de la Mortalité Maternelle et Infantile en Afrique).

Hamaky ny tohiny...

Za’Gasy Sahy Mandroso Fokontany 4 no nandrarahana D.D.T

28/11/2017

Araka ny efa nambarany tany aloha dia hanatanteraka hetsika fandrarahana fanafody famonoana bibikely isam-bolana eny amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly ambony ISPFS Leader Nalana tamin’ny toerany izay ekipa tsy nahomby

28/11/2017

Manatanteraka asa fanadiovana ny eo anivon’ny sekoly ambony ISFPS Leader( Institut Superieur de formation Paramédical Science et de la Société) tarihin’ny filoha tale jeneraliny Mahasoa Leader entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana hatolotr’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

« 1 anala Dj » Manandratra soatoavina anaty mozika

28/11/2017

« Andrianiko ny kantoko, feheziko ny an’ny hafa ». Io no teny filamatra entin’ny « 1 anala Dj » anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Fantatra tamin’ilay vazo « Zarako aza Gasy » ny tovolahy tany amin’ny taona 2015.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tratra i Zaka lava jiolahy raindahiny Mitaky fitsaram-bahoaka ireo nanaovany asa ratsy

28/11/2017

Fanafihana ny lehiben’ny faritra teo aloha Ranaivonirina Jean Yves no nahafantarana an’i Zaka lava. Mpikambana amin’ny tambajotra jiolahy mahery vaika ao Ambatondrazaka ny lehilahy.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAFIHANA SINOA

28/11/2017

Nohamarinin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny fisian’ny miaramila sy polisy izay niray tsikombakomba tamin’ny fanafihana sinoa mpandraharaha amin’ny volamena tany Ambalahosy-Mananjary.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana