Fil d'actualités du 16/01/2018

  • 16/01/2018 - 15:30 : Nody mandry omaly teo amin’ny faha 74 taonany ilay mpihira Amerikana Edwin Hawkins, fantatra amin’ilay hira hoe”Oh Happy day”.

  • 16/01/2018 - 15:00 : CACAO : Nihena ny vokatra cacao noho ny fandalovan’ny rivodoza Ava ary ny vidiny koa dia nihena 600 Ariary raha ny nambaran’ireo mpamboly any Sambava.

  • 16/01/2018 - 14:30 : SOLIDARITE DES JOURNALISTE MORONDAVA : Nanao fanambarana izy ireo fa tokony hisy zavatra hivoaka ny fakana am-bavany ny mpanao gazety 1 tamin’ny famoahana vaovao momba ny fanondranana sokatra any amin’ny zandary fa tsy fampihorohorona mpanao gazety fotsiny hoy ireo mpanao gazety any Morondava.

  • 16/01/2018 - 14:00 : BORIBORITANY FAHA-2 : Hitsahatra tsy hiasa intsony ireo mpiasa ao rampitso raha tsisy ny fanapahan-kevitra raisin’ny kaominina mahakasika ilay Delegué hoy ny sendikan’ny mpiasa ao.

  • 16/01/2018 - 13:30 : MPIANATRA ENY ANKATSO : Nolavin’ny mpianatra ny andininy faha-2 tamin’ilay fehin-kevitra nivoaka izay milaza fa ny vatsim-pianarana ny volana hitsahina ihany no ho azo.

  • 16/01/2018 - 13:00 : FAMPIANARANA : Ahemotra 2 herinandro amin’ny daty voatondro ny fanadinam-panjakana sahanin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena toy ny CEPE, BEPC,CAE, CAPE.

  • 16/01/2018 - 12:30 : MAHAJANGA: Mpianatra 3 no nosamborina omaly noho ny fanakorontanana ireo mpiantra hafa manao fanadinana.

  • 16/01/2018 - 12:00 : RIVODOZA AVA : Tafiakatra 51 no maty ary 22 tsy hita popoka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava teto raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC ny alatsinainy teo.

  • 16/01/2018 - 11:30 : JIRAMA : Araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny Jirama dia mpanjifa 2000 amin’ny 20 000 natao fanadihadiana nanomboka ny volana Oktobra no tratra nangalatra herin’aratra.

  • 16/01/2018 - 11:00 : MPIANATRA ANKATSO : Tsy eken’ny mpianatra mipetraka enyamin’ny cité ny hananganana cybercafé ao amin’ny salle d’étude noho ny fahateren'ny toerana.

Voir plus d'infos...

16/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171026

Misongadina

Fanadiovana an’Antananarivo Tonga ny fitaovana raitra

26/10/2017

Tonga ny fiarabe ACTROS voalohany, entina hanampiana ny CUA hanadiovana ny tanànan’Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimieram-pirenena Tsy mbola eny Tsimbazaza ny lalàna hifehy ny tetibola 2018

26/10/2017

Lany omaly, nandritra ny fivoriana itambarambe, teo anivon’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny volavolam-pandaharam-potoana iasan’ny Antenimieram-pirenena manomboka ny 25 oktobra 2017 ka hatramin’ny 27 novambra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Nampiaka-peo ny ankamaroan’ireo depiote

26/10/2017

Nisy fanamarihana manokana mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny nifanaovan’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza omaly

Hamaky ny tohiny...

Nisahotaka ny vahoakan’Ambohimanarina Soloina olon’ny HVM ny sefom-pokontany

26/10/2017

Mitohy hatrany ny kajy maloton’ny fanjakana HVM mba hanamorana ny fitazonam-pahefana.

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo renivohitra Hahazo fotodrafitrasa sahaza azy

26/10/2017

Lalana mirefy 3,7km eo an-tampon-tanànan'Arivonimamo no nasiam-panarenana, toy izany koa ny kianja lehibe fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tononkalo ho an’I Jean

26/10/2017

Be marenina Be marenina loatra ’ty Jean kely ‘ty Tenenina foana tsy mety mihaino Ho avy tsy ela ny “mandrovi-tsihy” “Ilay takotra ho vaky” ihany koa efa saino.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Lalatiana Rakotondrazafy mivady Nisy nitory indray

26/10/2017

Nametraka fitoriana tamin’ny anaran’ny tenany manokana niampangana ny mpitantana haino aman-jery Free FM, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny vadiny,

Hamaky ny tohiny...

Fianakavian’ny profesora Zafy Albert Nankasitraka ny CUA

26/10/2017

Tonga naneho fisaorana manokana ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ny solontenan’ny fianakavian’ny filoha teo aloha, Zafy Albert,

Hamaky ny tohiny...

Clémence Raharinirina -FTAR Mpikaramanadin’ny fanjakana

26/10/2017

Nahazo alalana tamin’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo ny filaharambe katsahin’ny Biraon’ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra), tarihin’i Clémence Raharinirina, hatao rahampitso zoma 27 oktobra, raha ny vaovao azo.

Hamaky ny tohiny...

Fiahiana ara-tsosialy Tonga tany Mandritsara ny CNaPS

26/10/2017

Tompon’andraikitra maro ahitana olom-boafidy sy olom-boatendry, ny mpampiasa ary ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana any amin’ny distrikan’i Mandritsara no miatrika ny fiofanana karakarain’ny CNaPS nandritra ny telo andro.

Hamaky ny tohiny...

Taxi mila Omavet “ Mila mivoatra sy mandroso isika”

26/10/2017

Noraisin’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, Marc Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ireo mpitatitra am-piarakaretsaka izay resy lahatra fa ilaina ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitsirihana ireo fiara mifamezivezy eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Omavet.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kaomisiona Maharitry ny CAF Ahitana olona 5 avy aty Madagasikara ao anatiny

26/10/2017

Nivoaka ankehitriny ny anaran’ireo kaomisiona maharitry ny CAF mandritra ny taom-piasana 2017-2019. Ahitana mpikambana 20 ao anatiny dia Atoa Ahamad (Madagasikara) no filohany. Ghaneana sy Congoley ary Marokanina no filoha lefitra 3 ary Egypsiana no Sekretera Jeneraly “par interim”.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Mahonena !

26/10/2017

Na ny mpitondra na ny vahoaka na ny mpandraharaha na ny mpitondra fivavahana na ny mpanao politika …

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fanafody pesta, TDR mampiahiahy… Manazava ny Dr Ratsirarson Josea

26/10/2017

Na dia mbola mahazo vahana aza ny aretina pesta eto amintsika dia tsy tokony hihinana fanafody ireo olona tsy marary mba hahazoana vokatra mahomby hatrany amin’ny fitsaboana ny marary.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny pesta Mila fanovana toe-tsaina sy fomba fiasa

26/10/2017

Miteraka ahiahy sy tahotra any anaty fiarahamonina amin’izao fotoana ny valanaretina pesta, izay marihana fa azo tsaboina rehefa fantatra ara-potoana sy voakarakara eny amin’ny tobim-pitsaboana.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Ho afaka ao anatin’ny iray volana ny fako rehetra

26/10/2017

Ho afaka ao anatin’ny iray volana ny fako rehetra manerana ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Raharaha orinasa AAA Tsy miditra amin’io intsony aho, hoy Ravalomanana

26/10/2017

Efa nampanofaina amin’ny AAA io fa tsy an’ny Tiko intsony ka tsy mahazo misokatra, hoy i Marc Ravalomanana. An’ny AAA io, dia izay ataony any fa tsy miditra aho, fa avelao izy no hanao azy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly Katolika Mbola nisy ny nanakatom-baravarana

26/10/2017

Na dia nanao fanambarana goavana aza ny DIDEC ny faran’ny herinandro teo fa hiverina hianatra avokoa nanomboka omaly alarobia 25 oktobra ny sekoly katolika rehetra dia nisy tamin’izy ireo tokoa no nianatra.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Teratany vahiny nisy naka an-keriny Efa hita i Nahid Meralli Ballou

26/10/2017

Efa tafaverina eo anivon’ny ankohonany amin’izao fotoana ilay teratany Indiana Nahid Meralli Ballou, taorian’ny 17 andro andro nakan’olon-tsy fantatra an-keriny azy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana