Fil d'actualités du 19/11/2017

  • 19/11/2017 - 17:30 : FIFANINANANA "KOPIKOLE" SY "DECOUVERTE MADAGASCAR": Norombahin'ny "kopikole" Tahiry ny amboara ho an'ity sokajy ity, ary Tsilira kosa no nahazo izany ho an'ny sokajy "decouverte".

  • 19/11/2017 - 16:00 : VONDRONA POLITIKA MAPAR: Nametra-pialana tsy ho mpandrindra ny MAPAR sy ny TGV any Analanjirofo intsony ny depioten'i Sonierana Ivongo Tody Arnaud taorian'ny nijeren'ny MAPAR-TGV azy fotsiny tamin'ny raharaha tsy nampifanolana azy sy ny depiote Rossy.

  • 19/11/2017 - 13:00 : PASIPAORO SANDOKA: Sinoa 2 lahy no tra-tehaky ny zandary nampiasa pasipaoro sandoka sy tsy nanana Visa tao Maevantanana omaly 18 novambra . Taorian’ny fisavana ny taratasin’ny mpamilin’ny fiara nitatitra azy mirahalahy ireto no naha mahana ireo mpitandro filaminana, raha ny fanazavana.

  • 19/11/2017 - 11:00 : FAMPIANARANA: Ny 01 desambra 2017 izao no heverina hanaovana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny fomba ofisialy na ny "rentrée solennelle", ka any Fenoarivo Atsinanana no ivon’ny fanamarihana amin’ny fomba ofisialy. Tokony ny faran’ny volana oktobra no nanaovana azy io saingy nahemotra no ny pesta.

  • 18/11/2017 - 18:00 : MISS WORLD 2017: Tontosa tany Chine androany ny famaranana ny Miss World 2017 ka, ka voahosotrza tovovavy tsara tarehy indrindra maneran-tany ii Manushi Chhiillar avy any Inde.

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171014

Misongadina

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

14/10/2017

Olona 6 no niakatra fampanoavana teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly momba ilay raharaha fandrobana sy famonoan’olona ary fakana an-keriny teny Ambohitrahaba ka nahafatesana tovolahy kely izay norasarasaina tamin’ny famaky , notapahin-doha avy eo nesorina ny masony.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Claudine Razaimamonjy Tsy navoaka izany izy, hoy ny lehiben’ny fonja

14/10/2017

Mbola tazonina ato amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Claudine Razaimamonjy fa tsy navoaka velively, ka diso tanteraka ny filazana fa efa navotsotra izy.

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny firenena Nodimandry ny Pr Zafy Albert

14/10/2017

Lavo ny andrarezina ! Nodimandry teo amin’ny faha-90 taonany omaly 13 oktobra antoandro tany amin’ny hopitalin’i Saint Pierre any amin’ny Nosy La Réunion ny filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert.

Hamaky ny tohiny...

Maka Alphonse –Filohan’ny CFM “Atomboka eny ifotony ny fampihavanana”

14/10/2017

Voafidy ho filohan’ny filankevitry ny fampihavanam-pienena (CFM) omaly zoma, nifanandrify indrindra tamin’ny nahalasanan’ny profesora Zafy tompon-kevitra tamin’ny fampihavanam-pirenena i Maka Alphonse, izay mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Notoloran’ny Banky SBM fitaovana

14/10/2017

Tonga nanome tolo-tanana , borety miisa 40 mitentina 5 tapitrisa ariary latsaka kely hoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny orinasa SBM (Banque Madagascar) omaly 13 oktobra 2017 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Marc Tatandraza Manadala saim-bahoaka fotsiny

14/10/2017

Manadala saim-bahoaka no azo hilazana ny fihetsika sy ny zavatra ataon’i Marc Tatandraza, izay milaza azy ho apostoly sy irak’i Jesosy. Sesilany ny fanambarana sy fitenintenenam-poana etsy sy eroa.

Hamaky ny tohiny...

Talen’ny SAMVA vaovao Maika ny fanalana ny fako hamongorana ny pesta

14/10/2017

Napetraka tamin’ny toerany omaly ny talen’ny SAMVA vaovao Rakotoarivony William, taorian’ny nanalan’ny fitondram-panjakana an-dRatolojanahary Damy Jean Badpiste, tale jeneralin’ny SAMVA teo aloha. Mazava ny antom-pijoroan’ny tale vaovao, raha araka ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly teny Ampasampito.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Clémence Rahariniriana -FTAR Manjaka tokana, hoy ny filoha lefitra teo aloha

14/10/2017

Nanentana ireo mpitatitra fiarakaretsaka rehetra eto Antananarivo tetsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary omaly ny solontenan’ireo mpitondra fiarakaretsaka izay tsy mankasitraka ny fitokonan’ireo mpikambana sasantsasany avy eo anivon’ny fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanakatonana an’Andranomanelatra Hitory ny fanjakana ny Tiko AAA

14/10/2017

Nafampana ny toe-draharaha tany amin’ny Tiko Andranomanelatra omaly. Tonga vao maraina nitaky ny fanokafana ny orinasa Tiko AAA ireo mpiasa sy ny tantsaha mivelona amin’ny alalan’ity orinasa ity.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Faritra misy pesta Tsy mbola mianatra herinandro indray ny mpianatra

14/10/2017

Tsy mbola feno ny fepetra hahafahana mampiditra ny ankizy eny an-tsekoly manoloana ny valanaretina pesta eto amin’ny firenena, hoy ny fanambarana ofisialy nataoan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly zoma.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana