Fil d'actualités du 16/01/2018

  • 16/01/2018 - 15:30 : Nody mandry omaly teo amin’ny faha 74 taonany ilay mpihira Amerikana Edwin Hawkins, fantatra amin’ilay hira hoe”Oh Happy day”.

  • 16/01/2018 - 15:00 : CACAO : Nihena ny vokatra cacao noho ny fandalovan’ny rivodoza Ava ary ny vidiny koa dia nihena 600 Ariary raha ny nambaran’ireo mpamboly any Sambava.

  • 16/01/2018 - 14:30 : SOLIDARITE DES JOURNALISTE MORONDAVA : Nanao fanambarana izy ireo fa tokony hisy zavatra hivoaka ny fakana am-bavany ny mpanao gazety 1 tamin’ny famoahana vaovao momba ny fanondranana sokatra any amin’ny zandary fa tsy fampihorohorona mpanao gazety fotsiny hoy ireo mpanao gazety any Morondava.

  • 16/01/2018 - 14:00 : BORIBORITANY FAHA-2 : Hitsahatra tsy hiasa intsony ireo mpiasa ao rampitso raha tsisy ny fanapahan-kevitra raisin’ny kaominina mahakasika ilay Delegué hoy ny sendikan’ny mpiasa ao.

  • 16/01/2018 - 13:30 : MPIANATRA ENY ANKATSO : Nolavin’ny mpianatra ny andininy faha-2 tamin’ilay fehin-kevitra nivoaka izay milaza fa ny vatsim-pianarana ny volana hitsahina ihany no ho azo.

  • 16/01/2018 - 13:00 : FAMPIANARANA : Ahemotra 2 herinandro amin’ny daty voatondro ny fanadinam-panjakana sahanin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena toy ny CEPE, BEPC,CAE, CAPE.

  • 16/01/2018 - 12:30 : MAHAJANGA: Mpianatra 3 no nosamborina omaly noho ny fanakorontanana ireo mpiantra hafa manao fanadinana.

  • 16/01/2018 - 12:00 : RIVODOZA AVA : Tafiakatra 51 no maty ary 22 tsy hita popoka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava teto raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC ny alatsinainy teo.

  • 16/01/2018 - 11:30 : JIRAMA : Araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny Jirama dia mpanjifa 2000 amin’ny 20 000 natao fanadihadiana nanomboka ny volana Oktobra no tratra nangalatra herin’aratra.

  • 16/01/2018 - 11:00 : MPIANATRA ANKATSO : Tsy eken’ny mpianatra mipetraka enyamin’ny cité ny hananganana cybercafé ao amin’ny salle d’étude noho ny fahateren'ny toerana.

Voir plus d'infos...

16/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171013

Misongadina

Ny Pesta tsy voafehy, TIKO no akatona

13/10/2017

Na ny olona mpomba ny fitondrana HVM aza omaly hariva dia sanganehana hoe fa inona ity fanakatonana ny Tiko Andranomanelatra nandefasana miaramila mirongo basy ity. Eto Antananarivo anefa , efa lasa savorovoro isan’andro ny fifandroritana amin’ny razana voalaza fa matin’ny pesta, tahaka ny teny amin’ny hopitaly Befelatanana afak’omaly sy teny Mandrangombato I Anosibe omaly

Hamaky ny tohiny...

Politique

Voahangy Rajaorimampianina Tsy hita popoka fa mitsoaka ny pesta

13/10/2017

Ny 17 aogositra 2017 no hita niseho vahoaka farany teny Andralanitra ary niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Ny fotoan-tsarotra mahazo ny Malagasy, toy ny vanim-potoanan’ny aretin-doza pesta ankehitriny no tena hilana ny vadin’ny filoham-pirenena amin’ny maha reny voalohan’ny Malagasy azy kanefa dia tsy re sy tsy tazana izy.

Hamaky ny tohiny...

Vary 4300 taonina tamin’ny Sinoa Nanaovan’ny HVM bizina ?

13/10/2017

Ny 19 jona no nandraisan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny vary an’arivony taonina avy amin’ny governemanta sinoa, ka ny Masoivohon’ity firenena ity Yang Xiaorong no nanolotra izany. Mahatratra 4300 taonina ny totalin’ireo azon’I Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsy nomen’ny fianakaviany ilay razana Sakoroka mandrak’alina teny Anosibe

13/10/2017

Savorovoro tanteraka ny teny Anosibe Mandrangobato I nanomboka omaly tolakandro hatramin’ny alina. Anton’izany ny fisian’ny olona maty, izay nambaran’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina fa maty vokatry ny fiakaran’ny tosidra, ary efa nandrasana roa andro tao an-tanàna ny razana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanotofana tany eny Ampitatafika Ho fanitarana ny tanàn-dehibe

13/10/2017

Anisan’ny raharaha iray mitana ny sain’ny maro hatreto ny asa fanotofana tany eny amin’ny tanimenabe ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Savorovoro tao Mahajanga Nakatona vonjimaika ny oniversite

13/10/2017

Mpianatra 5 naiditra hopitaly ary 5 voasambotra omaly noho ny gidragidra tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Nifandona sy samy mpianatra avy amin’ny BDUM (Bureau des étudiant de l' Université de Mahajanga) sy ny CCE (Conseil Consultatif des Etudiants).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana