Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171005

Misongadina

Fitondrana HVM sy CUA Raikitra ny ady

05/10/2017

Mihetsiketsika mafy ny antoko HVM sy ny mpiara-dia aminy eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny faritra sy ny distrika ary ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no lehiben’ny fihetsiketsehana rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Orinasa TIKO Hakaton’ny fanjakana ?

05/10/2017

Resaka nandeha be omaly hariva teto an-drenivohitra ny fanakatonana ny orinasa Tiko naorin’i Marc Ravalomanana. Araka ny voalaza dia fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny komity manokana ivondronana minisitera maromaro izy io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana