Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170921

Misongadina

Julien Andriamorasata “Fanampiana ny TAXI no ataon’ny kaominina”

21/09/2017

Tsy misy olona tsy tia fandrosoana sy fanatsarana ny fiainana izany fa mety tsy azon’ny mpitondra taxi tsara angamba ilay zavatra atao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fiharian’ny mponina Atsimondrano Somparan’ny fitondrana HVM

21/09/2017

Nitaraina fatratra omaly ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Voahangy Raharimanarivo, manoloana ny tsy mety fahavitan’ny fanarenana ireo

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Milalao afo

21/09/2017

Miarahaba anao aho ry Jean ! Fa inona mihitsy no tena mahazo anao ity e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpiasa handeha hisotro ronono Ezahana hahatsangana trano

21/09/2017

Nampahafantarina tetsy amin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny taozavatra etsy 67ha omaly alarobia 20 sertambra

Hamaky ny tohiny...

Salon de la Gastronomie Hisy fampianarana maimaimpoana momba ny fahandroan-tsakafo

21/09/2017

Hotanterahina manomboka ny zoma 22 septambra ho avy izao, haharitra telo andro, etsy amin’ny AFT Andavamamba ilay « Salon de la gastronomie » andiany fahefatra natao hanomezan-danja ny vokatra vita Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Marokanina eto Madagasikara Nofohazina herintaona aty aoriana

21/09/2017

Nosantarina tamin’ny fivoriamben’ireo minisitra avy amin’ny firenena frankofona andiany faha-34 ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-72 ao New York.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mananika ny avo

21/09/2017

Be ireo saika voafitaka omaly nahita ny vaovao niparitaka tamin’ny tambajotram-pifandraisana iray nilaza fa nisy lehiben’ny antokon’ny fitondram-panjakana niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Andilamena omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

OMAVET Ampasampito Hampiasa fitaovana raitra sy moderna

21/09/2017

Nisy ny fitsidihana teny ifotony fijerena ny toeran’ny OMAVET tetsy Ampasampito omaly izay nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra nahitana ny lefitra faharoan’ny

Hamaky ny tohiny...

Benjamina Ramarcel Ramanantsoa « Mahavita azy isika »

21/09/2017

Tsy misy mipetrapetraka eto fa miasa isika ary tsy maintsy mahavita azy. Io no nambaran’Andriamatoa Benjamina Ramarcel Ramanantsoa,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Ampasina Andina Ambositra Marary nify ny ankamaroan’ny mponina

21/09/2017

Ratsy nify ny 80 %-n’ny Malagasy. Antony maro no mahatonga izany toy ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fahaizana mikojakoja ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanasaziana zandary manao ny tsy mety Tsy mifidy galona, hoy ny SEG

21/09/2017

Namoaka ny antontan’isa mikasika ireo vokatra azon’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanomboka ny janoary teo ka hatramin’ny omaly alaronia 20 septambra ny fiadidiana ity sampan-draharaham-pitandroana ny filaminana ity.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana