Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170909

Misongadina

Hiary Rapanoelina Navoaka saingy...

09/09/2017

Niakatra Fitsarana ambony omaly zoma 8 septambra ny raharaha Hiary Rapanoelina, ilay mpanakanto nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Randrianasolo Nicolas Ny governemanta no tsy mahavita azy

09/09/2017

Raha ny zava-misy any Betroka dia izaho solombavambahoaka izay tompon’andraikitra any an-toerana no tokony hahalala izany voalohany indrindra, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas teny Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Mila hajaina ny fe-potoana, hoy ny Kmf/Cnoe

09/09/2017

Manahy ny fizotran’ny fanomanana ny fifidianana hotanterahana amin’ny taona ho avy ny Kmf/Cnoe (Komitim-pirenena Mpanara-maso ny Fifidianana).

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina Manamboninahitra 32 nahazo fiofanana

09/09/2017

Nisy ny fiaraha-miasa ara-tafika teo amin’ny Malagasy sy ny Amerikanina, niompana tamin’ny resaka haitarika na « leadership ».

Hamaky ny tohiny...

Rafitra Boriborintany Nesorina tao amin’ny taratasin’ny Fokontany

09/09/2017

Nofoanana ao anatin’ny taratasim-panjakana indray amin’izao fotoana izao ny boriborintany.

Hamaky ny tohiny...

Gazety Tia Tanindrazana 8 taona katroka anio

09/09/2017

Feno 8 taona katroka anio sabotsy 9 septambra 2017 ny gazety Tia Tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Rafitra ADPCSE Hiady ho an’ny mpiasa rehetra

09/09/2017

Araka ny efa nampahafatarin-dry zareo avy eo anivon’ilay rafitra vaovao ADPCSE ao anatin’ny Fivondronamben’ireo Sendikan’ny mpiasa Malagasy Revolisionera ihany na ny FISEMARE,

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny loza voajanahary Niofana ireo mpiahy ny olona manana fahasembanana

09/09/2017

Miomana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ireo fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana ao Vakinankaratra.

Hamaky ny tohiny...

« Salon des Etudes Sup » Nanampy tanora maro

09/09/2017

Nifarana omaly zoma 8 septambra ny andiany faha-14 tamin’ny “Salon des Etudes Sup’” notanterahin’ny Madajeune teny amin’ny lapan’ny

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby Malagasy Maneho ny heviny ireo mpitia lavalava

09/09/2017

Manoloana ny disadisa eo anivon’ny taranja rugby izay tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao dia niala tamin’ny fahanginany ireo mpitia ny lalao lavalava.

Hamaky ny tohiny...

Kick Boxing Hiady ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo

09/09/2017

Nambaran’ny filohany, Ralijaona Léon, fa hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondakany taona 2017 etsy amin’ny Dojo Cospn Mahamasina amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Edito

8 taona

09/09/2017

Tsy hanangam-pahavalo Fa hankato firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

“Autoroute RN2” Roa taona mahery no efa natao sonia

09/09/2017

Lalam-pirenena 8.000 amin’ny 10.000km no voakojakoja tamin’ny taona 2016 noho ny tsy fahampian’ny bolongam-bola.

Hamaky ny tohiny...

Mpamily nahafaty olona 3 Afa-maina tsy nisy tohiny …

09/09/2017

Sazy mihantona 3 volana no azon'ilay mpamilin’ilay fiara nahafaty olona 3 teny Ivandry ny 21 mey 2017 teo, izany hoe efa tapitra.

Hamaky ny tohiny...

Seranam-piaramanidina Ivato Hohamafisina ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha

09/09/2017

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana sy fanajariana ny seranam-piaramanidina eny Ivato hiandraiketan’ny Ravinala Airports.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Ankizy ôtista Manolo-tanana azy ireo ny vondrona Star

09/09/2017

Iray amin’ireo ankizy miisa 53 eto Madagasikara ankehitriny no fantatra fa manana toe-batana ôtista, tarehimarika tsy mbola tena ofisialy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rakoto Frah Hotsarovana amina seho goavana

09/09/2017

Ny vatan-dRakoto Frah na Philbert Rabezoza no tsy eo intsony fa ny sangan’asany kosa mbola velona tsy lefin’ny ora sy fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana