Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170906

Misongadina

2018 : Mailhol sy Mme Shabberah Hisy ho tapaka lalandra

06/09/2017

“Hapetraka eo amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana aho”, hoy Pastera Mailhol, “Vehivavy no ho filoha manaraka eo”, hoy indray kosa i Mme Shabberah.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fiarahamonina Malagasy Tsy manana kolontsaina politika

06/09/2017

Manomboka mibahan-toerana eto amin’ny firenena amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao ny fanehoan-kevitra politika isan-karazany.

Hamaky ny tohiny...

Fahaleovantenan’ny CENI Mbola manalasala

06/09/2017

Nivory niaraka tamin’ny komitim-pikarakarana fifidianana eo anivon’ny SACEM na ilay tohana ho an’ny fampandehanana ny fifidianana eto amintsika teny amin’ny biraony eny Alarobia, omaly talata 5 septambra,

Hamaky ny tohiny...

Victor Manantsoa Tsy tokony hirosoana ny fifidianana

06/09/2017

Tsy tokony hiroso amin’ny fifidianana isika raha toa ka mbola ho toy ny endri-pifidianana hatramin’izay no hiseho amin’ny taona 2018, hoy ny minisitry ny fampianarana teknika teo aloha, Manantsoa Victor.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Izao izahay vao fantatra !

06/09/2017

Bonjour Jean ! Ataoko manokana mihitsy ny fiarahabana anao anio sao mba izay no mari-panajana any aminareo any.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitsarana Ambony Toamasina Nodorany ny efitranom-pitsarana

06/09/2017

Tranga tsy fahita ity niseho teo anivon’ny fitsarana ambaratonga ambony tao Toamasina ny talata tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina ity.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny CUA namafa lalana Maty nodonin’ny moto

06/09/2017

Nodimandry vokatry ny herisetra nihatra taminy ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly,

Hamaky ny tohiny...

Imerintsiatosika Mitohy ny fanamboaran-dalana

06/09/2017

Mitohy ny asa fampandrosoana ny tanàna tanterahin'ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.

Hamaky ny tohiny...

Mpanamory fiaramanidin-dRavalomanana Hotsaraina anio ny raharaha nahafaty azy

06/09/2017

Hiakatra fitsarana eny Anosy anio alarobia 6 septambra amin’ny 8 ora maraina ny raharaha nahafatesana lehilahy iray mpanamory fiaramanidin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay maty tamin’ny volana desambra 2015.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby à XV Miala any indray ny CT Tanà-Ville

06/09/2017

Tsy mbola miravona ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny rugby Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanararaotam-paty no betsaka !

06/09/2017

Samy milaza azy ho mahita ny hoavin’ny firenena daholo ny olona maro eto amintsika, indrindra fa ny mpitondra fivavahana amina Fiangonana zandriny maro,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vatosoa Seha-pihariana tsy voafehin’ny Malagasy

06/09/2017

Firenena voalohany mamatsy ny 45%-n’ny vokatra safira manerantany i Madagasikara, hoy ny atontanisa farany navoakan’ny iraka ekonomika frantsay.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ranohira Raikitra ny Festival Karitaky

06/09/2017

Tonga eo amin’ny andiany faha-9 ny Festival Karitaky amin’ity taona ity, izay hetsika entina indrindra hampisongadinana ny kolontsaina Bara.

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahana Ampirisihina hifaninana ny tanora

06/09/2017

Toy ny fanaony isan-taona dia mikarakara fifaninanana ho an'ireo tanora mpandraharaha Malagasy indray ny banky BNI Madagascar (TJE 2017).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana