Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170901

Misongadina

Grenady nikendrena an-dRatsiraka Afenimpenina

01/09/2017

Nangina tanteraka tsy nisy tohiny intsony ny momba ilay grenady hita teo amin’ny “parking” an’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka ny 28 jona lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Toavina Ralambomahay Mila tompon’andraikitra ny vahoaka

01/09/2017

Tsy misy azo antenaina ny fanovana minisitra nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampanina farany teo, hoy ny mpandinika ara-politika Toavina Ralambomahay.

Hamaky ny tohiny...

Governemantan’i Mahafaly Niady tamin’ny inona marina ?

01/09/2017

Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fanovana governemanta farany teo ihany koa ny antoko Vahoaka Miray na VAMI tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Igagam-bahoaka ny CFM

01/09/2017

Mahagaga anay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika ho an’ny Fanavotam-Pirenena, tao amin’ny foiben’ny AKFM Andravoahangy ambony, omaly,

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Henika azy i Madagasikara

01/09/2017

Tonga nanotrona ny famaranana ny fihaonambe voalohan’ny seha-pitaizana ao amin'ny Fifohazana FJKM, tanterahina ao Ambatolampy Vakinankaratra, Atoa Marc Ravalomanana omaly alakamisy 31 aogositra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Maimbo hatramin’ny farany

01/09/2017

Miarahaba anao aho ry Jean ! Rahoviana ihany ianao ity vao tena hidio e e ? Efa ela ihany no nahenoako anao hidio fa hatramin’izao mbola hanaovana fikafika foana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tanàna madio sy milamina Miroso amin’ny tanjona Antananarivo Renivohitra

01/09/2017

Nanao fanadiovana goavana teny amin’ny faritra Anosy sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 31 aogositra 2017,

Hamaky ny tohiny...

Eliane Bezaza “Hifamono eto isika”

01/09/2017

Diso fanantenana ny olona satria rehefa manao fanovana governemanta dia tokony hisy dikany sy hisy lalan-tsaina hoe

Hamaky ny tohiny...

Sport

Volley-ball – Tompondakan’i Madagasikara Ho ambohimpihaonana ao Toamasina

01/09/2017

Manomboka ny alatsinainy 4 septambra 2017 izao no hanatanterahana any Toamasina ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja volley-ball sokajy “tanora” U 18 sy U 20 lahy sy vavy.

Hamaky ny tohiny...

Rugby à XV Mitohy ireo lalaon’Analamanga

01/09/2017

Mbola mitohy avokoa ireo lalao rugby eto Analamanga na dia mitoetra hatrany aza ny disadisa ara-pitantanana.

Hamaky ny tohiny...

Kitra – “Champion’s League Malagasy” Lalao 9 no hanombohana azy anio

01/09/2017

Lalao 9 be izao no hanombohana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 eo amin’ny taranja baolina kitra anio zoma 1 septambra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miandry vory vahoaka

01/09/2017

Tsy dia re feo indray aloha ny filoham-pirenena tato anatin’ny andro vitsivitsy, indrindra fa taorian’ny nanoloana ny mpikamban’ny governemanta.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

BNI Madagascar Miezaka manohana ireo tanora manampahaizana

01/09/2017

Miezaka manohana ireo tanora Malagasy manampahaizana ny banky BNI Madagascar, indrindra ho an’ireo nianatra sy nandalina manokana ny resaka banky, efa nahavita fianarana.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AAA TIKO Maka ny toerany

01/09/2017

Anisan’ireo orinasa nisehatra teo amin’ny famokarana sy fiaraha-miasa amin’ny mpamboly sy mpiomby ny A.A.A TIKO Andranomanelatra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Pr Radanoara Julien Mandrisika ny tanora hifaninana

01/09/2017

Ny 20.000 amin’ireo 75.000 mahery afa-panadinana bakalorea ihany no azon’ny oniversitem-panjakana raisina ho an’ny eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Zaridainan’Andohalo Hampiantrano ny “Haify Mampihavana 4”

01/09/2017

Raikitra indray ny Haify Mampihavana andiany fahefatra. Ny 30 septambra ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin’ny zaridainan’Andohalo, haharitra telo andro.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ady amin’ny asan-dahalo Nandroso vahaolana ny FIMPIOMBY

01/09/2017

Misedra olana ireo mpiompy omby manerana ny foko 18 amin’izao fotoana noho ny tsy fandriampahalemana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana