Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170825

Misongadina

Tompon’ny Z&Z Center Maty nisy nitifitra teny Tsaralalàna

25/08/2017

Maty nisy nitifitra omaly hariva teny Tsaralalàna ny « Consul honoraire »-n’i Malaysie Zahid Razah.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Filoha sy Praiminisitra Mandany andro mifanipy hoditr’akondro

25/08/2017

Mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny governemanta Jean Ravelonarivo ny zava-misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Manao an-jorony

25/08/2017

Ahoana ry Jean a ! Dia tena efa ataonareo an-jorom-bala mihitsy moa izahay ankehitriny an ! Marina raha ataonareo tafiditra ao anaty aferanareo intsony fa efa tena lasa aty ivelany tanteraka mihitsy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Efa voaray ny valin’ny « Autopsie », saingy…

25/08/2017

Nanambara ny teo anivon’ny borigady misahana ny heloka bevava etsy Anosy, omaly, fa efa eo am-pelatanan’izy ireo ny valin’ny fitiliana natao mikasika ny fomba nahafatesan’ilay tompon’andraiki-panjakana teo aloha, Mamy Rakotoarivelo.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VAR Hamory vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny Kanto

25/08/2017

Taorian’ireo fitetezam-paritra efa vitan’izy ireo dia anjaran’Antananarivo indray izao no akan’ilay fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso (VAR) hevitra hijerena izay

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy Maniry ny hampian’ny fitondrana

25/08/2017

Nosokafana tetsy amin’ny esplanade Analakely omaly alakamisy 24 aogositra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarahamonim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ligin’ny Volley-Ball Analamanga Hifarana amin’ny alahady ny taom-pilalaovana 2017

25/08/2017

Hangotraka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2017 eo amin’ny taranja volley-ball eto amin’ny ligin’Antananarivo amin’ny alahady 27 aogositra izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Rallye - Tompondakan’i Madagasikara Anio zoma no hanomboka ny dingana faha-4

25/08/2017

Hanainga anio zoma eny amin’ny Cci Ivato ireo mpifaninana 23 handray anjara amin’ny dingana faha-4 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 karakarain’ny Tmf Rallye sy ny Asacm.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra vehivavy « Division Elite » Vita omaly ny antsapaka

25/08/2017

Taorian’ny dingana voalohany notontosaina tany Mahajanga ny 4-12 aogositra 2017 teo dia hiatrika ny dingana faharoa eny amin’ny kianjan’i Carion eto Antananarivo manomboka ny 25 aogositra izao ka hifarana ny sabotsy 2 septambra 2017 ireo ekipa 8 ao anatin’ny baolina kitra vehivavy "Division Elite".

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakana mpanararao-paty

25/08/2017

Tsy maharototra ny fanjakana ankehitriny izany fahoriam-bahoaka efa mby an-tendakely izany, fa ny ataony ihany no ataony. Sesilany ny asan-jiolahy, faty olona, lozam-pifamoivoizana, fahantrana,…

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny amin’ny “Digue” 2 maty, potipotika ilay mpamily

25/08/2017

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny Làlana Digue, teo amin'ny “Rond Point” mihazo an’Ambodihady Ambohimanarina,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Arsivan’ny tranombokim-pirenena Avadika ho nomerika

25/08/2017

Nitsidika ny tranombokim-pirenena Anosy sady toerana misy ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Rafi-panabeazana vaovao Tsy vahaolana mahomby, hoy ny filohan’ny Aneffa

25/08/2017

Na faran’izay raitra aza ny fandaharam-pampianarana hajoro eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana amin’io taona ho avy io dia tsy hampahomby na inona na inona, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Aneffa na ilay fikambanan’ireo mpampianatra fram,

Hamaky ny tohiny...

Nidina ny taham-pahafahana bakalorea 44, 48% ho an’Antananarivo

25/08/2017

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy anio zoma 25 aogositra ny valim-panadinana bakalorea ho an’ny Faritanin’Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Miss Jeunesse Madagascar Razafimahaleo Daniellah no lany

25/08/2017

Razafimahaleo Daniellah, tovovavy kely vao 16 taona avy any Fianarantsoa no lany hisalotra ilay anarana Miss Jeunesse Madagascar taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Cybercriminalité Olona telo no voasambotry ny polisy

25/08/2017

Nihasarotra tanteraka tato ho ato ny asa natrehin’ny mpitandro ny filaminana manoloana ny fikarohana ireo jiolahy eto amintsika amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny antso hataon’izy ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana “kidnapping” Karohana fatratra Rams sy Jenny

25/08/2017

Mpivady vao herotrerony, teratany Malagasy monina ivelan’Antananarivo Renivohitra no anisan’ny lohandohan’ny mpisorona amin’ny fakana an-keriny eto amintsika amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Ny masoivoho Malagasy any ivelany no tena mandany ny volam-panjakana, hoy i Lilie Razafimbelo avy amin’ny firaisamonim-pirenena CCOC.

25/08/2017

Tsy hita anefa ny tena fiantraikany, ary fanontaniana napetrany ny hoe tena miady ho an’ny fiaraha-miasa tokoa ve ireny, ary mitondra tombotsoa ho an’ny firenena izy ireny ?

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana