Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170823

Misongadina

Herisetra sy Asan-jiolahy Lasa faritra mena Antananarivo

23/08/2017

Mitaintaina andro aman’alina ny mponina eto Antananarivo satria isan’andro dia misy herisetra sy fandrobana mitranga foana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny filaminana raha mbola mahantra ny olona”

23/08/2017

Tany Ambanja indray omaly Andriamatoa Marc Ravalomanana, nijery ny zava-misy ka voalohany hita

Hamaky ny tohiny...

Vonon-kiady amin’ny HVM Manetsika ny olony Rajoelina

23/08/2017

Miketrika sy manomana ny ho avy politikany, indrindra ny fifidianana 2018 i Andry Rajoelina, ka mety tsy hipetra-potsiny intsony na eo aza ny antsojay politika efa nahazo sy mbola mety hahazo azy sy ny ekipany.

Hamaky ny tohiny...

Hetsiky ny « Herin’ny Fanovana » Mifanilika andraikitra ny prefektiora sy ny zandary

23/08/2017

Azo lazaina ho tratry ny vela-pandrik’ilay vovonana politika Herin’ny fanovana indray ihany koa ny fitondrana Rajaonarimampianina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fidinana an-dalambe Tsy tokony hakana alalana, hoy ny Aro Riaka

23/08/2017

Efa tamin’ny taona 2015 izahay ato amin’ny Aro riaka, hoy ny filohany, Odon Grégoire Rakotonirina, no nilaza fa tsy misy fahafahana eto na hiteny na haneho hevitra.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hazo mety hitera-doza eto Iarivo Notapahan’ny kaominina

23/08/2017

Miroso amin’ny asa fanapahana ireo hazo lehibe mety hitera-doza ho an’ny mpandalo sy ny trano manodidina ny sampana mpamonjy voina eny Tsaralalàna amin’izao ankatoky ny vanim-potoana hidirana amin’ny lohataona izao.

Hamaky ny tohiny...

Mponin’i Mandrosoa Ivato Tsy manaiky ny fanalana sefo fokontany

23/08/2017

Manoloana ny resaka fanesorana amin’ny toerany ny sefo fokontany ao Mandrosoa Ivato izay voarain’izy ireo ny faran’ny herinandro dia mivonona ny hanao fitokonana amin’izao fotoana izao ny mponina eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby tompondakan’Analamanga Nitohy tetsy Malacam indray

23/08/2017

Tsy mety misy fifanarahan-kevitra eo amin’ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Sekolin’ny Baolina Kitra TA.FA Hankalaza ny faha-8 taona nijoroany

23/08/2017

Hanomboka amin’ny volana oktobra ho avy io ny fifaninanana baolina kitra eny anivon’ny fokontany 60 eto Antsirabe raha ny nambaran-dRandrianarison Olivier filoha sady mpanorina ny SB TA.FA.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tononkira sisa tsy levona !

23/08/2017

Nofofinofy sy zary tononkira tsy lefin’ny vanim-potoana nifanesy sisa ilay voalazan’ny hiram-pirentsika hoe “Ny fitiavanay anao tsy miala, fa ho anao doria tokoa” sy ilay hoe “hiadana sy ho finaritra, he! sambatra tokoa izahay”.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Hanampy ny isan-tokantrano ny BNI

23/08/2017

Mikolay amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra amin’izao fotoana izao ny ray aman-dreny.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Saosisy karakaraina eny Ikopa Mety hitarika amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo

23/08/2017

Tranga iray tsy zoviana amintsika intsony ny fanasana tsinain’omby hanaovana saosisy eny amin’ny ranon’Ikopa mandalo eny ambany tetezan’Anosizato sy Ampasika iny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Angovo azo havaozina tohanan’ny Eoropeanina Tokantrano 9000 no hahazo tombontsoa

23/08/2017

Manohana ny fitsimbadihana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny vondrona eoropeanina,

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny varotra Mila mampitombo traikefa i Madagasikara

23/08/2017

Mivahiny eto Madagasikara ny delegasionina avy amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC),

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fokontanin’i Tsiadana Vahiny ireo nanafika ny tanàna, hoy ny sefom-pokontany

23/08/2017

Manao sesilany ny fanafihan-jiolahy eto Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny fokontany Tsiadana manokana ao anatin’ny Boriborintany faharoa

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67Ha 1 voasambotra, 2 tafaporitsaka

23/08/2017

Nalaza tato ho ato ny resaka fanendahana sy ny fanafihana anaty taksibe. Voasambotry ny polisy avy ao amin'ny boriborintany faha-7 etsy 67 Ha ny zoma 18 aogositra 2017

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRANGAM-PIARAHAMONINA

23/08/2017

Nitangoronan’ny olona ny teratany vahiny iray sy vehivavy Malagasy iray teny Anosy omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana