Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170819

Misongadina

Foloalindahy Malagasy Ataon-dRajao kilalao politika

19/08/2017

Lasa fihomehezana tany Antsiranana sy fanalana azy tao anaty tambajotran-tserasera facebook manerana ny nosy omaly hariva ny fahitana ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanao “tenue de combat” tonga tany Antsiranana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Raveloson Constant “Narefarefan’ny olony tanaty loto ny Filoham-pirenena”

19/08/2017

Noroahin'ny tandapan'ny Prezidansan'ny Repoblika faha-4 tamin'ny fandraisam-bahiny lehibe nilasiany tao Antsiranana ny Prezidà farany tamin'ny Repoblika faha-3.

Hamaky ny tohiny...

DFP manerana ny nosy Tsy hanaiky hoverezin-jo intsony

19/08/2017

Nanao tatitra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Fianarantsoa farany teo tetsy amin’ny AKFM Andravoahangy ry zareo avy eo anivon’ny

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Misy kajy maloto avo lenta ?

19/08/2017

Mahatalanjona ity lisi-pifidianana hiandrasana manampahaizana avy any ivelany afaka volana vitsivitsy ity, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba ampiasao amin’ny tsara e !

19/08/2017

Miarahaba ry Jean a ! Hafa mihitsy indray ity revy sy hevi-baovao hisintonana ny sain’ny olona efa tofoka sy leon’ny diska gaoka ity a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Guy Rivo Randrianarisoa Ampijabahan’ny namany ny filoha

19/08/2017

Nitondra fanazavana momba ny zava-niseho ny alakamisy alina, nandroahana an’i Marc Ravalomanana mianakavy tao amin’ny Grand Hôtel Antsiranana i Guy Rivo Randrianarisoa

Hamaky ny tohiny...

Farmasianina Mbola tena vitsy eto amintsika

19/08/2017

Mbola tena tsy vitsy mihitsy ny farmasianina eto amintsika. Raha mahatratra 73 isa mantsy ireo hopitaly eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana, dia ny 12 amin’izy ireo monja no misy farmasianina, antony manosika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanome taratasy ireo olona vonona hiantsehatra manokana amin’ny fivarotana fanafody.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Faha-50 taonan’ny FJKM Lanonam-be any Antsiranana

19/08/2017

Nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fiangonana FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny Misiona LMS,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tompondaka eran-tanin’ny ady totohondry Tsy lasa any Allemagne ny delegasiona Malagasy

19/08/2017

Mbola tsy lasa nihazo an’i Hambourg - Allemagne toerana hanatanterahana ny lalao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja “Boxe amateur” ny atleta Malagasy, Andrianarivelo Marco Jérôme, tokony hiatrika izany miaraka amin’ny delegasiona miaraka aminy izay ahitana olona 4.

Hamaky ny tohiny...

Barea sy Angola any Luanda Hoezahana tantaraina mivantana amin’ny RNM

19/08/2017

Nanambara ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny FMF na ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hampiadiana sa hampihavanina ?

19/08/2017

Rehefa manaraka tsara ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, indrindra fa ny tontolo politika iainana amin’izao fotoana izao dia sarotra ny tsy

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Kolonely Andry Rakotondrazaka Mbola tale jeneralin’ny ATT

19/08/2017

Araka ny fanapahana noraisina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy lasa teo, dia nisy ny fanesorana sy fanendrena olona ambony eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana taksibrosy RN7 Voatosiky ny zandary ireo dahalo

19/08/2017

Tsy mbola tapitra ny fanakanana sy fanafihana taksibrosy any amin’ny làlam-pirenena faha-7 mianatsimo iny.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana Izay vao taitra ingahy Prefe

19/08/2017

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Hamoizana aina hatrany matetika, antony nanosika ny prefektioran’ny polisy eto Analamanga handray ny andraikiny ihany koa, miaraka amin’ny tafika sy ny zandary.

Hamaky ny tohiny...

Ny tanora sy ny tsy fandriampahalemana Nafana ny adihevitra teny Antaninarenina

19/08/2017

Tsy misy tanora afaka mandroso raha tsy misy fandriampahalemana. Io amin’ny ankapobeny no nambaran’ireo tanora tonga tetsy Antaninarenina nanaraka ilay adihevitra mikasika ny tanora sy ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika, nokarakarain’ny fikambanana Observatoire de la jeunesse omaly.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Efa tonga soa aman-tsara any Mahajanga avokoa ny ankamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto

19/08/2017

Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana