Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170811

Misongadina

Tantely Andrianarivo kandida Mikoropaka ny Arema

11/08/2017

Nikorapaka ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko Arema, tarihin’ny Amiraly Didier Ratsiraka nanoloana ny fanambarana nataon’ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Politique

« Force de changement » Miantso ny Emmoreg hiaro azy

11/08/2017

Isan’ireo nasainay hanotrona ity ady hevitra mikasika ny zo sy fahalalahana haneho hevitra atao manomboka androany eto amin’ny Panorama Andrainarivo ity, hoy ny filohan’ny dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo,

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny filan-kevitry ny fampihavanana Raikitra sahady ny rombo

11/08/2017

Tsy mangaraharaha fa misy fijerena tavan’olona ary misy resa-bola ihany koa io fifantenana ireo izay hiditra ao anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM), raha ny fanehoan-kevitra nataon-Rakotomalala Henri na Riribe, filohan’ny fikambanan’ny gadra politika omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Toa ny teo ihany no miverina, hoy ny VAMI

11/08/2017

Zo tsy azo tsinontsinoavina ny fidinana an-dalambe, indrindra, amin’izao firenena tsy mety miarina izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray, Gaby Vakiniadiana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Horonam-peo an’i Claudine Razaimamonjy Mety tsy avy ao amin’ny Bianco no nivoahany

11/08/2017

Nandritry ny lanonana fanavaozam-piaraha-miasan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ary ny birao mahaleontena misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco)

Hamaky ny tohiny...

Fanangonan-karena mampiahiahy Tsy ho afa-bela i Mamy Ravatomanga

11/08/2017

Fantatra fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana momba ny ahiahina famotsiam-bola sy harena azo tamin’ny fomba tsy mazava an’Atoa Mamy Ravatomanga tompon’ny Groupe Sodiat.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-4 Hitohy anio alina ny fanalana ireo 4’mi mivangongo

11/08/2017

Mbola feno “4’mi” matory ihany amin’izao fotoana izao eny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana, Anosibe ary Anosy iny, raha vantany vao mananika ny amin’ny 07 ora hariva,

Hamaky ny tohiny...

Dadabe nahavanon-doza Naolany avy eo novonoiny ny zafikeliny 4 taona

11/08/2017

Lehilahy roa 52 taona sy 37 taona no voasambotry ny zandary noho ny famonoana sy fanolanana zazakely 4 taona teny Antanimenakely,

Hamaky ny tohiny...

Anivorano Sambava Trano 257 no kilan’ny afo, an-jatony ireo tsy manan-kialofana

11/08/2017

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny Fokontany Anivorano Sambava ny Sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vitavita ho azy

11/08/2017

Nangiana tanteraka 26 taona aty aoriana ny fanamarihana ny diabe ho an’ny fahafahana nihazo ny lapam-panjakana Iavoloha ny 10 aogositra 1991.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Lehilahy voahosin’ny “Camion” Nikarepoka ny lohany, nikarainkona ny vatany

11/08/2017

Nampivarahontsana ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Anosizato omaly tokony ho tamin’ny 2 ora. Lehilahy 57 taona avy eny an-toerana ihany no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “camion” teo amin’ny lohany sy ny ilan’ny vatany, ka nijininika ny ra.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitaly Itaosy Nahazo efitrano fandidiana manara-penitra

11/08/2017

Anisan’ny tanana be mponina indrindra ho an’Antananarivo Atsimondrano ny tanànan’Itaosy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana