Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170809

Misongadina

Fifidianana 2018 Efa nifanaraka Rajao sy ny Frantsay ?

09/08/2017

Miha mazava ny resaka ankehitriny fa mety ho anisan’ireo kandida ho tohanan’i Frantsa amin’ny 2018 ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ;telo volana aty aorian’ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nnataon’ity farany tany Paris mantsy ka nandraisan’ny filoha Emmanuel Macron azy tao amin’ny lapan’i Elysée ny 28 jona 2017

Hamaky ny tohiny...

Politique

Komity hampihavana ny firenena Hanomboka anio ny fifantenana

09/08/2017

Nanao ny tatitry ny asa vitan’izy ireo tao anatin’izay 2 volana nijoroany izay tetsy amin’ny foibeny etsy Antaninarenina omaly ilay rafitra voatokana hifantina ireo izay handrafitra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM).

Hamaky ny tohiny...

Julien Radanoara « Zo mahafaty no misy eto »

09/08/2017

Tsy nitsitsy fitenenana ny mpahay diplomasia, Julien Radanoara, nanatsikafona ireo tsy fihetezan-javatra rehetra misy eto amin’ny firenena na eo amin’ny lafiny lalàna izany, fa indrindra teo amin’ny resaka zon’olombelona. Efa lasa zo mahafaty (droit à la mort), hoy izy, no misy eto fa tsy zo hiaina intsony (droit à la vie).

Hamaky ny tohiny...

Politikam-panjakana Mila hampihavanina amin’ny hetahetam-bahoaka

09/08/2017

Mila alamina ny savorovoro misy eto amin’ny firenena amin’izao herintaona mialohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao, hoy ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara).

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kolikoly avo lenta tany Israel Tafidi-kizo ny filoha Malagasy

09/08/2017

Voatonona ao anatin’ny raharaha kolikoly mahasaringotra ny praiminisitra Israelianina Benyamin Netanyahou ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina, araka ny vaovao navoakan’ny Gazety Israelianina iray antsoina hoe “Le Temps”, nivoaka ny 6 aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Migadra sady mandoa volabe

09/08/2017

Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy onitra 200 tapitrisa ariary no azon’i Alain Ramaroson momba ny raharahan-tany teny Ambohimangakely, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly Anosy tao amin’ny efitrano faharoa omaly 8 aogositra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fanadiovana an’Antananarivo Esorina ireo « 4’mi » teny Anosy sy Anosibe

09/08/2017

Ny alatsinainy alina teo nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany ny fanentanana sy fampilazana ary fampitandremana ireo « 4’mi » teny amin’ny faritra Anosizato atsinanana,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Malagasy Hetsika 3 samihafa no indray hiseho etsy Mahamasina anio

09/08/2017

Hetsika 3 samihafa eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy no indray hiseho ka harahin’ny mpanakafy an’ity taranja ity anio alarobia 9 aogositra etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mitifi-danitra

09/08/2017

Manomboka ny hazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Efa maro ny milaza fa hirotsaka, saingy any amin’ny ora farany no hitsarana hoe tena sahy tokoa sa mitsapa ny halalin’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitsaboana ny “Hépatite B Mila 1 tapitrisa Ar isan-kerinandro

09/08/2017

1 tapitrisa Ar isan-kerinandro raha kely ny vola ilaina ho an’ireo mararin’ny aretina Hépatite B eto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakotovao Luc ;

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

2018 sy vola vaovao Ahian’ireo mpandinika ho misy hifandraisany

09/08/2017

Tsy ampy 1 volana izao dia niharihary fa efa tsy voafehy sahady ny fiparitahan’ny sandoka amin’ireo vola vaovao navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara. Isan’ny nahitana izany farany teo ny tao Sambava fa efa tsy ambakan’izany koa ny ao Nosy be,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Taranja Anglisy eny amin’ny Lisea Hiova ny fandaharam-pianarana

09/08/2017

Ho fidirana mian-dalana mankany amin’ny drafi-panabeazana vaovao (PSE) dia hiova tanteraka ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja Anglisy manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fiverenana eo anivon’ny fiarahamonina Voafonja 20.000 notohanan’ny Handicap International

09/08/2017

Tafakatra 20.000 isa manerana ny Nosy ankehitriny. Ny 96 %-n’izy ireo anefa no mbola manana fanantenana feno ny amin’ny hiverenany soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra taorian’ny nanampian’ ny fikambanana Handicap International azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana