Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170801

Misongadina

Tsiandopy Jacky Mahafaly Novonoina fa manelingelina ?

01/08/2017

Maty nisy namono tao an-tranony teny Antanambao Ivato ny alin’ny alahady lasa teo i Tsiandopy Jacky Mahafaly, filohan’ny “Syndicat des Inspecteurs généraux d’Etat de Madagascar” , efa avy loholona sy minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Didy jadon’ny fanjakana Mampitandrina ny SeFaFi

01/08/2017

Nataon’ny fitondrana fialan-tsiny ny fankalazana ny faha 57 taona niverenan’ny fahaleovantena mba hanakanana izay fihetsiketsehana an-dalam-be manana endrika politika rehetra nandritra ny volana jona,

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Mihatsaravelatsihy isika, hoy i Berthnes

01/08/2017

Mpanao politika ary isan’ny efa nitana andraikitra maha mpanolotsain’ny tanàna teo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra tamin’ny fotoan’andron’ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy I Lalaina Berthnes.

Hamaky ny tohiny...

« Force de changement » Mamaramparana ny fitetezam-paritra

01/08/2017

Elaela tsy nahenoana ilay vovonana politika Force de changement na ny herin’ny fanovana, raha adika malalaka, izay nilaza fa hanetsika ny vahoaka manerana ny nosy hanehoana fa tsy azo ekena intsony izao fitondrana mijoro izao.

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Nankalaza ny azy ny Faritra Atsimo Andrefana

01/08/2017

Nahemotra noho ny antony efa fantatra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tao Antananarivo misy ny birao foibeny.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianan’ny FIZAFATO Misy olana indray

01/08/2017

Nanao fanambarana teny Ambohipo omaly Andriamanarivo Berkeley, kandida iray mpifaninana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanan’ny zanaky ny Faritany Toliara hotanterahina kasaina hatao ny 06 Aogositra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Misy zavatra manjavozavo

01/08/2017

Tsy tonga teny amin’ny Falda Antanimena omaly tolakandro ilay voalaza fa tovovavy sakaizan’Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo, Corrine Asmiel,

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Hiakatra fitsarana indray anio

01/08/2017

Hiverina hiakatra fitsarana eny Anosy ao amin’ny Efitrano faha-2 indray i Alain Ramaroson anio.

Hamaky ny tohiny...

Fampanofana ny EPP eto Antananarivo Mila alalana manokana

01/08/2017

Namoaka naoty momba ny fampiasana ny fotodrafitrasan’ny sekoly Fanabeazana fototra (EPP) manerana ny Renivohitra ny kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny Sekretera jenaraliny amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Solika maimaim-poana mandritra ny taona Lasan-dRazanamahenina Serge ny loka ho an’Antananarivo

01/08/2017

Lasan-dRazanamahenina Serge, raim-pianakaviana iray ny loka tamin’ilay lalao Shell Extra Challenge, nokarakarain’ny orinasa Vivo Energy sy ny tobim-pivarotan-tsolika Shell.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasam-panjakana Natao hanompo fa tsy tompoin’ny vahoaka

01/08/2017

Foto-pisainana napetraky ny delegen’ny boriboritany fahatelo hatramin’ny nandraisany izany toerana izany ny fanomezana fahafaham-po ireo olona rehetra mikarakara taratasy eo anivon’ireo sampan-draharaha misy eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mpitari-bato vilam-bava

01/08/2017

Malalaka sy mahaleotena ny fitsarana, hoy ny filohampirenena, saingy tokony hamongotra ny kolikoly.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana enim-bolana voalohany Nahafa-po ny vokatra ho an’ny CNTEMAD

01/08/2017

Vita soa aman-tsara tamin’ny volana Jona lasa teo ny fiodinana voalohany tamin’ilay fanadinana fanao isaky ny enim-bolana nokarakarain’ny sekoly ambony ampitain-davitra CNTEMAD.

Hamaky ny tohiny...

Bakalorea teknika Sambany no nisy fitanana an-tsoratra ny hosoka

01/08/2017

Notontosaina nanomboka omaly alatsinainy ny fanadinana Bakalôrea teknika andiany faharoa, ho an’ireo mpiadina nisafidy izany. Mahatratra 9.800 izy ireo no miatrika izany.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tangalamena Zakariasy Patrick “Hamotika firenena ny fanomezana vahana ny Sinoa”

01/08/2017

Mampidi-kizo ny firenena Malagasy ny fironan’ny fitondrana Rajaonarimpampianina manome vahana ny sinoa eto Madagasikara, hoy ny Tangalamena Patrick Zakariasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana