Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170731

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Mitohy ny fampiesonana

31/07/2017

Hanomboka indray ny fanitarana ny seranam-piaramanidina any Nosy Be. Antitra sy azo lazaina ho tsy manara-penitra kanefa andehanan’ny mpizahatany be indrindra eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Elysée Ratsiraka “Alahelon-tseza no tena hanenjehana ahy”

31/07/2017

Taorian’ny nakan’ny polisy am-bavany ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Elysée Ratsiraka ny herinandro teo dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehilahy.

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Nankalaza ny azy ny Faritra Atsimo Andrefana

31/07/2017

Nahemotra noho ny antony efa fantatra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tao Antananarivo misy ny birao foibeny.

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Efa tsy atokisan’ny vahoaka intsony

31/07/2017

Tsy nohenoin’ny mpitantana ny firenena mihitsy ny fitakian’ireo firaisa-monina sivily sy ny sehatra tsy miankina tao anatin’ny 4 taona nitondran’ny fanjakana Hery Vaovao hoan’i Madagasikara, hoy ny mpanoratra politika Toavina Ralambomahay.

Hamaky ny tohiny...

Herilanto Raveloharison Marefo ny andrim-panjakana eto Madagasikara

31/07/2017

Tsy kisendrasendra akory ny safidy fototra fanamafisana ny fahafahan’ny vahoaka Malagasy miatrika ireo tandindona ara-tsosialy sy ekonomika na koa ny sehatry ny tontolo iainana miaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro ao anatin’ny CPP (Cadre de Partenariat Pays),

Hamaky ny tohiny...

FIZAFATO Roa ireo kandida hiatrika ny fifidianana

31/07/2017

Roa ireo kandida hiatrika ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanana FIZAFATO ny 6 aogositra ho avy izao etsy amin’ny Compelexe scolaire Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mamy Rakotoarivelo Tia nanampy, hoy ireo niara-niasa taminy

31/07/2017

Anio no haterina eny am-pasan-drazany eny Talatan’i Volonondry i Mamy Rakotoarivelo izay nindaosin’ny fahafatesana ny zoma teo.

Hamaky ny tohiny...

Pr Thaina Johnson Jacky “Ny vahiny no mampahantra antsika”

31/07/2017

Tsy tongatonga ho azy ny fahantran’ny Malagasy fa ninian’ny vahiny nampahantraina isika, raha ny fanehoan-kevitry ny Profesora Thaina Johnson Jacky, manampahaizana momba ny politika.

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy hita faty tany Antsirabe Tapaka ny lohany sy ny rantsam-batany

31/07/2017

Zava-doza no nitranga tany Antsirabe. Vehivavy manodidina ny 25 taona raha ny tombatombana no hita faty tao Vatofotsy avaratry ny toby fivarotan-tsolika Galana, omaly alahady vao maraim-be ; notapahana ny lohany ary tapaka ihany koa ny tanana aman-tongony.

Hamaky ny tohiny...

Bemasoandro Itaosy Mifanolana ny samy tompon-tany

31/07/2017

Misy karazana ady tany mitranga ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy amin’izao fotoana izao. Efa ho herinandro mahery no nitrangan’izany.

Hamaky ny tohiny...

Fiarabe manototra tany amin’ny alina Velon-taraina ny eny Andrefan’Andoharanofotsy

31/07/2017

Velon-taraina ny mponina eny Andrefan’Andoharanofotsy amin’izao fotoana izao noho ny afitsok’ireo kamio lehibe manototra tany eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vain-drahalahy tsy marary

31/07/2017

Mbola miteraka adihevitra hatrany ny resaka fanatanterahana fisaonam-pirenena eto amintsika, indrindra fa taorian’ilay mpanakanto malaza iray,

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fifamoivoizana ana habakabaka Lanitra tokana ho an’i Afrika

31/07/2017

Nisokatra ny sabotsy teo teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivorian’ny minisitra ao anatin’ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana sy ny fandriampahalemana ana habakabaka aty Afrika (ASECNA).

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Zava-mahadomelina Tsy ampy taona ny 75 %-n’ireo mpidoroka

31/07/2017

Mihamitombo isa hatrany ireo olona mandray sy mihinana zava-mahadomelina eto amintsika. Ireo ankizy tsy ampy taona 14 ka hatramin’ny 18 taona no tena maro an’isa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana