Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 21:00 : Nidoboka eny Tsiafahy nanomboka ny 17 oktobra ilay mpandraharahan'ny fonja tratra nanao fanafihana mitam-piadiana teny Andravoahangy.

  • 19/10/2017 - 20:50 : MPANDRAHARAHAN'NY FONJA LASA JIOLAHY: Voasazy ary efa nampiatoana tamin’ny asany an-taonany maro, izay nanomboka ny taona 2017 ilay lehilahy mpandraharahan’ny fonja voasambotra noho ny fahatrarana azy nanao fanafihana mitam-piaidiana.

  • 19/10/2017 - 20:30 : Fisokafanan'ny Tiko AAA: Tapaka nandritra ny fihaonan'ny Filohan'ny SIM sy ny Minisitry ny Indostria fa afaka misotraka soa aman-tsara ny Tiko AAA rehefa mahafeno ny fepetra.

  • 19/10/2017 - 20:00 : Tiko AAA: Nifampiresaka ny Filohan'ny SIM (Sendikan'ny Indositria eto Madagasikara) Eric Rajaonary sy ny Minisitry ny Indostria Tazafy Armand amin'ny tokony hanokafana ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 18:00 : SALON DE L'HABITAT: Vinavinaina ho amin'ny 19 novambra indray no hanatanterahana ny fanokafana ity fampiratiana goavana momba ny trano fonenana sy ny manodidina azy ity noho ny fisian'ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 17:00 : PESTA:Manomboka izao dia aAfaka hikarakara sy handevina ny havany ny fianakavian'ny olona matin'ny pesta. Hisy kosa ny fepetra hentitra tsy maintsy arahina araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny OMS, dia ny famonosana manokana arahana fanafody mahery vaika.

  • 19/10/2017 - 17:00 : CROIX ROUGE: Nihaona tamin'ny ministry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana ANDRIAMANARIVO ny sekretera jeneralin'ny "Croix rouge" sy "croissant rouge" El Hadj As Sy androany tolakandro, ka nifantoka tamin'ny fivoaran'ny ady amin'ny pesta ny fihaonana.

  • 19/10/2017 - 16:00 : ZAVAKANTO:Hotanterahina ny Sabotsy 21 Oktobra 2017 amin'ny 7 ora hariva ao amin'ny Bar Restaurant Ravimpotsy Tsiadana ny KATZENJAM, izay hetsika ara-javakanto hivoizana ireo mozika Rock malagasy vaovao.

  • 19/10/2017 - 15:30 : Ambohimangakely: Nisy olona nampiahiany ho mararin'ny pesta tao amin'ny CSB2 Ambohimangakely satria nahitana ireo tranga famantarana ny peste "pulmonaire" nefa nitsoaka izy nony hatao ny fitiliana.

  • 19/10/2017 - 15:00 : DV Lottery: Maimaim-poana ny fandraisana anjara ary misokatra amin’ireo teratany Malagasy rehetra mihoatra ny 18 taona sy manana bakalorea na traikefa 2 taona amina sehatr’asa voafantina ity "Visa" maimaimpoana ity. Azo tsidihina ny tranonkala mg.usembasy.gov

Voir plus d'infos...

19/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170727

Misongadina

Fitondrana HVM Jadona hatramin’ny farany

27/07/2017

Efa nampoizina ny zavatra mety hiseho amin’ny fanakanana hatrany ny hetsiky ny antoko Tiako I Madagasikara hankalaza ny faha-15 taona nijoroany eny Mahamasina ny 29 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana 2018 Kandida maro hokendaina

27/07/2017

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Antoko Tiako I Madagasikara aloha izao no lasibatry ny antsojay politika sy ny jadon’ny fitondrana, saingy ho avy ihany koa ny an’ny manaraka.

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson “Tandindomin-doza ny demokrasia eto”

27/07/2017

Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny fanehoan-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovao hoan’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Andohabato Sambany novangiana mpitondra

27/07/2017

Sambany no nisy tompon’andraiki-panjakana tonga nitsidika tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Andohabato, distrikan’i Betioka, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanaratsiana an-dRavalomanana Hanokanana tetibola manokana ?

27/07/2017

Fanjakan’ny malemy sy halam-bahoaka no misy eto, ka zary ataon’ny mersenera politika fitangosam-bola.

Hamaky ny tohiny...

Mpiraki-draharahan’ny Fitsarana Nivoaka ny andiany « Ny Avo » miisa 98

27/07/2017

Notanterahina omaly alarobia 26 jolay 2017 teny amin’ny CCI Ivato ny lanonam-pamoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana andiany faha-17,

Hamaky ny tohiny...

Sehatry ny fambolena Ho avy ny traktera 1.000 avy any Inde

27/07/2017

Niverina indray ny fanafarana traktera tahaka ny efa nataon’ny fitondrana Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Taxi-ville sandoka « Fourrière » 10 andro avy hatrany

27/07/2017

Raikitra ny fanenjehena ireo fiarakaretsaka tsy manara-dalàna miasa eto an-drenivohitra tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny « Operation taxi ».

Hamaky ny tohiny...

Vanim-potoan’ny fialan-tsasatra Ilaina ny fiarahan’ny fianakaviana mitokana kely

27/07/2017

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny. Tsy vitsy ireo miala kely misitaka ny renivohitra noho izany na dia andro vitsy monja aza mba hamalifaliana ny ankohonany.

Hamaky ny tohiny...

Smile party Ho raitra ny feo sy hazavana

27/07/2017

Ho fetin’ny feo sy hazavana, araka ilay hiaka filamatra efa nitondrana azy tokoa rahampitso

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Apokalipsy 1000 ny fiangonana, 1 tapitrisa ny mpino

27/07/2017

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana Apokalipsy tarihin’ny Pastera Mailhol na Atoa André Christian Dieu Donné ny datin’ny 05 Aogositra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Verezin’ny fialonana

27/07/2017

Rahoviana ihany ny mpitondra antsika vao hijery ny hoavin’ity firenena ity ? Lasa miharihary toy ny vay an-kandrina nanomboka tamin’ny taona 2009 fa noho ny fialonana olona iray no hanaovan’ireo mpitondra nifandimby antsojay antoko politika sy mpitarika.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Nofo mangatsiakan’i Régis Gizavo Hiazo an’i Toliara anio

27/07/2017

Tonga tetoan-tanindrazanaomalymarainanynofomangatsiakan’ilaympanakantoMalagasy malaza eran-tany Régis Gizavo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihan-jiolahy teny Andraisoro Tovolahy iray voatifitra teo amin’ny lohany

27/07/2017

Tsy nifandrenesana ny feom-basy teny Andraisoro ny takarivan’ny talata 25 jolay teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanenjehana jiolahy Miala bala ny polisim-pirenena ?

27/07/2017

Nanao tatitra tamin’ny asa vitany ny polisim-pirenena omaly ka nampahafantatra fa olona 417 no naiditra am-ponja hatramin'ny volana jona no nankaty. Fitaovam-piadiana toa ny grenady, basy kalachnikov sy PA no azo tao anatin'izany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana