Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170726

Misongadina

Fitondrana HVM Mitanila sady miangatra

26/07/2017

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ny raharaha iray mahasaringotra an’i Alain Ramaroson, ka voaheloka higadra herintaona sazy mihatra sy mandoa onitra 950 tapitrisa ariary ho an’ny mpitory ity mpanao politika filohan'ny Antoko Masters ity.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ravalomanana sy ny Afrikanina tatsimo Nifampidinika teny Faravohitra

26/07/2017

Nihaona tamin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra nandritra ny ora iray sy sasany omaly hariva ireo delegasionina avy amin’ny governemanta Afrikanina tatsimo izay mamita iraka eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Dr Randriamiarisoa Joseph Mila havaozina ny fanaovana politika

26/07/2017

Heno sy ventesina eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy isan’andro ny demokrasia, ny fanjakana tsara tantana, ny tany tan-dalàna na koa ny maro an’isa parlemantera.

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Zah’gasy “Kandida filoha aho raha…”

26/07/2017

Ho feno herintaona amin’ny volana aogositra izao ny fikambanana Zah’gasy sahy mandroso, izay tarihin’ny filohany Jean Navandahy Ratiharison.

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Mila mangarahara, hoy ny Voifiraisana

26/07/2017

Nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny komity mpifantina ireo ho mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) ny Vovonana Iombonan’ny Firaisamonim-pirenena eto Madagasikara (VOIFIRAISANA) mba hanolorana soso-kevitra amin’ny sivana sy fifantenana hatao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Rado Rabarilala Sendikalista “Olona mahay mifandray amin’ny vahoaka no ho tompon’ny ampitso”

26/07/2017

Feno roa taona katroka amin’izao volana jolay 2017 izao no nanombohan-dRado Rabarilala sendikalista ao amin’ny orinasa Air Mad sy ny namany ary nampiatoana azy ireo tamin’ny asany avy.

Hamaky ny tohiny...

Fakana tany sy valanjavaboary ao Fenoarivo Atsinanana

26/07/2017

Fanaratsiana ahy, hoy ny sekretera jeneralin’ny kaominina Mahoraka ao amin’ny kaominin’i Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana fa tanin’olona no nalain’ny sekretera jeneraliny, Marc Rajaonarivo, akany ranon-tany hanorenany trano.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny loza voajanahary Hanatsara ny fomba fiasany ny Croix-Rouge Malagasy

26/07/2017

Nitondra horohoro teto amintsika ny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo iny, hoy Rakotonanja Claude, filoha nasionalin’ny fikambanana Croix-Rouge Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Andro iraisam-pirenen’ny ala honko Hotanterahana any Tolagnaro anio

26/07/2017

Mpanjono am-polony, mpitarika fikambanana mitantana ireo ala honko any Manambolo-Tsiribihina no niala ny tanànany, ka namakivaky halaviran-dàlana hatrany amin’ny 1500 km.

Hamaky ny tohiny...

Rabetsara Lita “Tsy ara-dalàna ny fampiakarana ny vidin-jiro ankehitriny”

26/07/2017

Tsy ara-dalàna mihitsy ny fampiakaran’ny orinasa JIRAMA ny vidin-jiro iainan’ny mponin’Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan-dRabetsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanan-draharaha eny anivon’ny kaominina Mety hampiditra am-ponja raha tsy voafehy

26/07/2017

Saro-pady ny asa eny anivon’ny kaominina, indrindra fa ny fitantanan-draharaha.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsapao aloha ny herinareo !

26/07/2017

Efa vorona azon’adala ity fanaratsiana ny an’i Marc Ravalomanana sy ny Antoko Tiako i Madagasikara ity.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Voafonja eto Madagasikara Tsy ara-dalàna ny 50% mahery

26/07/2017

Nisokatra omaly tetsy amin’ny DLC Anosy ny atrikasa mandritry ny roa andro hijerena izay fomba ahafahana miady amin’ny famonjana tsy ara-dalàna eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

VARY

26/07/2017

Nisy ny fidinana 50 ariary isaky ny kilao ary tokony ho marin-toerana amin’izay ny vidim-bary hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny varotra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana