Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170719

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nisy Frantsay saika hamono ?

19/07/2017

Re avy amina loharanom-baovao iray fa nisy ny fikasana hamono ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, tsy ela akory izay ka mersenera vahiny, teratany Frantsay manana fiaviana Alzerianina no nikotrika azy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rafitra eto Madagasikara Natao hiaro ny tombontsoan’ny fanjakana foibe

19/07/2017

Tsy mampandeha ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara, hoy ny Namana Olona Tsara dia natao hiaro ny tombontsoan’olom-bitsy manokana ireo rafitra napetraka eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Seraseran’ny fitondrana “Seraseran’ariary roa”

19/07/2017

Nandefa hafatra mivaivay ho an’ny fanjakana HVM ny fikambanana Wake Up Madagascar omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Alain Ramaroson Alentika mihitsy ve ?

19/07/2017

Nolavina indray ny fahafahana vonjimaika nangatahin’ny filohan’ny antoko politika Masters, Alain Ramaroson, izay notorian’ny fianakaviany noho ny raharaha fanaovana hosoka taratasin-tany eny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely, fangatahana fahadimy io.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Sambany hotantanana vehivavy

19/07/2017

Tontosa omaly teny Antaninarenina ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny vola teo aloha Rakotoarimanana Gervais sy ny vaovao Sehenosoa Vonintsalama Andriambololona

Hamaky ny tohiny...

Fandaharana “Tsy mahaleo ny sampona » Nosavaina ny tranon’i Fetra

19/07/2017

Rehefa nalaina am-bavany nandritry ny 4 ora teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary mikasika ilay fanamiana miaramila nilatroan’ny mpanentana ny fandaharana “Tsy mahaleo ny sampona”,

Hamaky ny tohiny...

Mahaly Olivier sy Gérvais Rakotoarimanana Nifandramatra hatramin’ny farany?

19/07/2017

Mivoaka ny resaka amin’izao fotoana izao fa fifamaliana teo amin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier no nahatonga ny Minisitry ny vola sy ny teti-bola teo aloha Gervais Rakotoarimanana nametra-pialana.

Hamaky ny tohiny...

Zon’ny voafonja Tsy mbola voahaja eto Madagasikara

19/07/2017

Tsy mbola voahaja ny zon’ny voafonja eto amintsika amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Nanisana Iadimbola Hatao rarivato ireo lalan-dratsy

19/07/2017

Anisan’ny misedra olana amina resaka fotodrafitrasa ny fokontany Nanisana Iadimbola na dia mbola ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra aza.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Afrobasket 2017 U 16 Resin’i Madagasikara i Alzeria

19/07/2017

Lavon’i Rwanda 73-70 ny ekipa U 16 Malagasy tamin’ny lalao miverin’ny Afrobasket 2017 U 16 natao tany amin’ny kianja

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tampina ny daomy !

19/07/2017

Tampina ny daomy amin’ny resaka mangarahara sy fampanjakana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Mpamatsy vola Ho tezitra amintsika, hoy i Tabera Randriamanantsoa

19/07/2017

Matoa mametra-pialana ny olona iray dia misy antony, hoy ny filohan’ny CRN, Tabera Randriamanantsoa, raha nilaza ny heviny omaly mikasika ny fahitany ny fametraham-pialan’ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Gervais Rakotoarimanana.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany Antananarivo Renivohitra Efa mampiasa «caisse enregistreuse»

19/07/2017

Tanjon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fampitomboana hatrany ny vola miditra eo anivon’ny Fiadidiana ny tanàna.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Kaominina Anosizato Andrefana Nahazo fitaovana avy amin’ny Orange Madagascar

19/07/2017

Anisan’ny kaominina iray voasokajy ho mahafa-po amin’ny fandraisana olona ny kaominina Anosizato Andrefana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana