Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170710

Misongadina

Marc Ravalomanana « Tsy hihemotra mihitsy aho »

10/07/2017

Natomboka tao amin’ny hotely Carlton Anosy ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara ny sabotsy 8 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

GETM Asan’i Satana ny demokrasia

10/07/2017

Nihetsika indray ny GETM na ny « Groupement pour l’Edification de la Théocratie à Madagacar » tarihin’Atoa Raharimala Andriampenomanana ka nanao antso avo ho an’ny filoham-pirenena Malagasy,

Hamaky ny tohiny...

Gérard Ramamimampionona “Tokony ho mpindram-pahefana no iantsoana ny mpitondra”

10/07/2017

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpandinika raharaham-pirenena Gérard Ramamimampionona manoloana ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Marc Ravalomanana Hitory an’ny Prefe ny TIM

10/07/2017

Tsy niandry ela fa omaly hariva ihany dia nanambara i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hitory an’ny Prefen’Antananarivo ny Tiako I Madagasikara (TIM) noho ny fandavany hanatanteraka ny didim-pitsarana.

Hamaky ny tohiny...

Fanambaram-pananana Mbola tsy nahavita ny 26 % n’ireo olom-boafidy

10/07/2017

Hifarana ny 15 jolay ho avy izao ny hanaovan’ireo olom-boafidy sy tompon’andraiki-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fanambaram-pananana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Hamaky ny tohiny...

Carrefour de la formation des metiers et de l’emploi Hetsika hanampiana ireo mpianatra sy mpitady asa

10/07/2017

Raikitra ny « Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » karakarain’ny Alliance Française eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Naloan’ny vahoaka

10/07/2017

Mai-molotra tsy mahita ambara ny fanjakana nanoloana ny fanotronan’ny vahoaka an’aliny ny hetsiky ny Antoko Tiako I Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Hiitatra hatrany Kaomoro

10/07/2017

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny fankalazana ny fahafolo taona niorenan’ny sekoly ambony UPRIM.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Faribolana fanilo Hankalaza ny kolontsaim-pirenena

10/07/2017

Tao anatin’ny 1 volana mahery kely izao no nisian’ny hetsika “Dinika hariva” izay karakarain’ny fikambanana ara-kolontsaina “Faribolana fanilo” etsy amin’ny Trass Tsiadana isaky ny alarobia voalohan’ny volana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Sendra ny tompon-trano nahay azy Voafiran’ny antsy ny tanan’ilay malaso

10/07/2017

Hatramin’ny ora nanoratana ity lahatsoratra ity, raha ny tati-baovao voaray farany, dia mbola eo am-pikarohana an’ity dahalo tompon-tanàna tapaka sy ireo malaso namany ny zandary sy ny fokonolona any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRANGAM-PIARAHAMONINA

10/07/2017

Nirehitra ny toerana fitehirizana fanamafisam-peo an’ny tarika Rossy tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana