Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170706

Misongadina

Fitaovan’ny TIM Norobain’ny mpitandro ny filaminana

06/07/2017

Omaly alarobia tamin’ny 8 ora alina latsaka fahefany no tonga teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny mpitandro ny filaminana nirongo fitaovam-piadiana nanaisotra ny afisy lehibe sy ny fitaovana rehetra efa tafapetraky ny Antoko Tiako I Madagasikara hoenti-manamarika ny faha-15 taona nijoroany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

TIM Atsimo Andrefana “1 er tour dia lany Ravalomanana”

06/07/2017

Nambaran’ny mpandrindra ny REG TIM any Atsimo Andrefana, Atoa Sazalahy Tsianihy fa manamafy ny tsy maintsy hahatanteraka ny 1 er Tour dia vita ny fifidianana hahalany ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Efa vonona handositra ?

06/07/2017

Tsy mahatombona firy eto amin’ny Madagasikara intsony ny filoham-pirenena tato ho ato, fa toa mandosindositra sy tsy te hiatrika ny sedra politika eto amin’ny firenena. Mafampana rahateo ny raharaha politika eto an-tanindrazana, ka aleony mitsoatsoaka any ivelany aloha.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpiasan’ny fadin-tseranana Tsy azo terena amin’ny zony, hoy ny Sempidou

06/07/2017

Na izahay aza, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana (Sempidou), Andrianavalona Herizo, tsy manery ireo mpiasan’ny fadin-tseranana rehefa tsy te hitokona izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Maitre OLALA “Tsy rariny ny fanakanana ny TIM”

06/07/2017

Nanao izao ny HVM tany Toliara maninona no navela nanao, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo manoloana ny tsy famelana ny Antoko Tiako I Madagasikara hanao hetsika eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ho fanamarihana ny faha-15 taona nijoroany ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatry ny ESCAME Nanampy ny Boriborintany I nanadio tanàna

06/07/2017

Nanampy ny Boriborintany I nanadio tanàna ny mpianatry ny sekoly ambony ESCAME omaly. Ho valin’ny fanentanana nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny tokony handraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny fanadiovana ny tanàna no anton’izany.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Andranomanelatra Hazaina ny alika mirenireny

06/07/2017

Taorian’ny fisiana alika mirenireny izay nanaikitra olona ary maty avy eo ny 21 jona teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomanelatra dia miroso amin’ny fihazana sy famonoana

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hangarahara rahoviana ?

06/07/2017

Tsy azo atao eto izany ny mandraki-peo rehefa tsy nahazoana alalana na dia hitadiavana ny marina momba ny heloka iray mahatohintohina ny fiainam-bahoaka sy hisorohana izay fanetriben’ny firenena aza.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eto an-drenivohitra Novelomina ireo “Marquage au sol”

06/07/2017

Novelomin’ny kaominina Antananarivo ireo mari-pamantarana mandry amin’ny arabe na « Marquage au sol » sasantsasany eo anivon’ny fari-piadidiana ny tanànan’Antananarivo mba hanamorana ny fandaminana ny fifamoivoizana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Grevin’ny fadin-tseranana Mila vahan’ny fanjakana haingana, hoy ny SIM

06/07/2017

Mila vahan’ny fanjakana haingana ny olan’ny fadin-tseranana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar) Fredy Rajaonera. Asa maro mantsy no miato vokatr’io fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany io.

Hamaky ny tohiny...

Salon RSE Hanampy ireo orinasa amin’ny fandrosoana

06/07/2017

Hotanterahina eto amintsika ny 12 sy ny 13 jolay ho avy izao indray ny andiany faharoa amin’ilay Salon RSE na andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa sy ny fanapahan-kevitra momba ny fampandrosoana maharitra, karakarain’ny UR-CSR Consulting.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Akanin’ny marenina 67 HA 80 % ny salam-pahafaham-panadinana CEPE

06/07/2017

Tafakatra 80 % ny salam-pahafaham-panadinana CEPE tamin’ity taona ity ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha raha 50 % tamin’ny taon-dasa.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

06/07/2017

Handray anjara mavitrika amin’ny fankalazana ny fanamarihan’ny antoko TIM miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana eny Mahamasina amin’ny sabotsy 8 jolay izao ny KOMTIM

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana