Fil d'actualités du 22/08/2017

  • 22/08/2017 - 16:00 : Amboanjobe Atsimondrano _Asan-jiolahy: Fivarotana sady toeram-pisotroana iray nisy nanafika ny tolakandro teo, ka voatifitra teo amin'ny kibony ny tompon-tsena. Jiolahy 2 kosa no maty ary 2 tafaporitsaka raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

  • 22/08/2017 - 14:30 : Mahajanga _Bakalorea 2017: Hatao ao amin'ny Lisea tsy miankina Saint-Gabriel ny 24 aogositra izao manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny ady hevitra sy ny fanapahana amin'ny naoty farany ambany hanafahana ny mpiadina na ilay antsoina hoe "délibération".

  • 22/08/2017 - 14:00 : Anosy _Fanendahana: Mpanendaka iray teo amin'ny fiantsoanan'ny taksibe eo Anosy no voasambotra ny atoandro teo. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka izy io raha tsy tonga ara-potoana ny polisy.

  • 22/08/2017 - 13:30 : Fikambanana FIZAFATO: Tsy manaiky ny fifidianana ny filohan'ny Fikambanana natao ny 6 aogositra lasa teo, izay nahalanian'i Maharante Jean de Dieu i Berckley Andriamanarivo, izay saika hirotsaka kandida saingy niala an-daharana noho ny fahitany resaka tsy fanarahan-dalàna. Hanetsika ireo herivelona rehetra avy any Toliara ny tenany hanohitra iny fifidianana iny.

  • 22/08/2017 - 13:00 : Fitaterana: Manoloana ny firongatry ny lozam-Handraisana fepetra manokana ireo fiara manokana hampanofaina na ny "Voiture de location", ary efa nisy ny naoty navoaka momba izany. Mivoitra ao anatin'izany ny mikasika ny taratasin'ny fiara sy ny kalitaony ao anatiny sy ivelany amin'ny alalan'ilay antsoina hoe: “visite de confirmité", araka ny nambaran'ny Kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale Jeneralin'ny ATT.

  • 22/08/2017 - 12:30 : Tolagnaro: Tanterahina ao amin'ny Lapan'ny tanàna any an-toerana naomboka omaly hatramin'ny 25 aogositra izao ny fihaonambem-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy manerana an'i Madagasikara.

  • 22/08/2017 - 12:00 : Any ivelany _Italie: Nisehoana horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Nosy Ischia any Italie, ka olona 2 hatreto no namoy ny ainy.

  • 22/08/2017 - 11:30 : Fifidianana 2018 _Tetibola ilaina: Mahatratra hatrany amin'ny 85 miliara ariary ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018. Ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017.

  • 22/08/2017 - 11:00 : Faritra Anôsy: Kaominina miisa 20 nomena fampitaovana toy ny solosaina, imprimante, takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro omaly 21 aogositra. Efa andiany faharoa izao taorian'ny tamin'ny taon-dasa, ka ireo kaominina 9 ao amin'ny distrikan'Ambosary Atsimo sy 11 ao anatin'ny distran'i Tolagnaro, izay tsy mbola nahazo tamin'ny taon-dasa no nisitraka ireo fitaovana ireo.

  • 22/08/2017 - 10:30 : Ambanidia _Mpangalatra fiara tratra: Lehilahy iray mpangalatra fiara tratra teny Ambanidia vao minitra vitsy lasa izay. Teo Ambanidia akaikin'ny BOA, raha iny nametraka ny fiarany iny ny lehilahy iray, ary niditra tao amin'ny banky dia efa nihaodihaody teo ilay olon-dratsy, izay manana fahazoan-dàlana hamily. Fiara mihidy kanefa tafiditra tao anatiny ny tenany, saingy tra-tehaka ary voasambotra.

Voir plus d'infos...

22/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170705

Misongadina

Hentitra Ravalomanana “Ho avy eny Mahamasina izahay”

05/07/2017

Nilaza i Marc Ravalomanana omaly fa am-pilaminana ny hetsika fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hatao eny Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonarimampianina Tsy tompon’ny teny farany

05/07/2017

Baiko avy any amin’i Hery Rajaonarimampianina mivantana ve ny fisakanana an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM tsy hankalaza ny faha-15 taonany eny Mahamasina ny 8 jolay ?

Hamaky ny tohiny...

Fisakanana ny hetsiky ny TIM Tsy fanajana zo fototra, hoy ny DFP

05/07/2017

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foiben’ny antoko Akfm etsy Andravoahangy omaly ny avy eo anivon’ny vovonana politika,

Hamaky ny tohiny...

Justice et paix Miantso famondronana hery

05/07/2017

Namoaka sori-dalana hahafahana mampanjaka ny fahamarinana, fikatsahana ny fandriampahalemana ny Firaisamonim-pirenena “Justice et paix” sy ny K3F.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Horonam-peo momba an’i Claudine R Niaro tena ny BIANCO

05/07/2017

Tsy ny Bianco (Bureau Indépendant Anti-Corruption) no namoaka ny horonam-peo mampiseho ny fifamaliana teo amin’ny mpiasa iray eo anivon’ny rafitra sy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny

Hamaky ny tohiny...

Manome vahana ny fakana harem-pirenena Tsy ekena, hoy ny tanora Silamo

05/07/2017

Nanao fanambarana tetsy Andravoahangy omaly ny solontenan-dry zareo tanora avy eo anivon’ny Cercle de reflexion inter-musulman fa efa vonoina mivantana amin’izao fotoana izao ny zaza Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Asan-jiolahy Miaramilan’ny prezidansa nidoboka eny Antanimora

05/07/2017

Nisehoana gidragidra ara-pitsarana indray teny amin'ny tribonaly Anosy omaly, noho ny tsy fahafalian’ny lehibena mpitandro ny filaminana tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana. Miaramila 2, zandary 1 ary polisy 1,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kitra Asaramanitra TIM Ankazondandy Lasan’Anosy ny Amboaran’i Dada

05/07/2017

Tanteraka ny sabotsy nialohan’ny fetim-pirenena Malagasy 2017 teo ny lalao baolina kitra fankalazana ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny

Hamaky ny tohiny...

Edito

Toran-kovitra sahady !

05/07/2017

Adin’ny kanosa sisa ampiasain’ny fanjakana HVM hoenti-mamingana ny mpifanandrina politika aminy amin’ny fifidianana ho avy.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Raharaha halatra omby 865 Nampirimina ny dosie ?

05/07/2017

Very nandritra ny asan-dahalo ny 12 mey 2016 tao amin’ny toerana antsoina hoe Angodogodo,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

05/07/2017

Hanamarika ny faherintaona nandaniana ilay volavolan-dalàna momba ny serasera, izay toherin’ny mpanao gazety ny Hetsika ho falalahana maneho hevitra (MLE) ny zoma 7 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana