Fil d'actualités du 22/08/2017

  • 22/08/2017 - 16:00 : Amboanjobe Atsimondrano _Asan-jiolahy: Fivarotana sady toeram-pisotroana iray nisy nanafika ny tolakandro teo, ka voatifitra teo amin'ny kibony ny tompon-tsena. Jiolahy 2 kosa no maty ary 2 tafaporitsaka raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

  • 22/08/2017 - 14:30 : Mahajanga _Bakalorea 2017: Hatao ao amin'ny Lisea tsy miankina Saint-Gabriel ny 24 aogositra izao manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny ady hevitra sy ny fanapahana amin'ny naoty farany ambany hanafahana ny mpiadina na ilay antsoina hoe "délibération".

  • 22/08/2017 - 14:00 : Anosy _Fanendahana: Mpanendaka iray teo amin'ny fiantsoanan'ny taksibe eo Anosy no voasambotra ny atoandro teo. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka izy io raha tsy tonga ara-potoana ny polisy.

  • 22/08/2017 - 13:30 : Fikambanana FIZAFATO: Tsy manaiky ny fifidianana ny filohan'ny Fikambanana natao ny 6 aogositra lasa teo, izay nahalanian'i Maharante Jean de Dieu i Berckley Andriamanarivo, izay saika hirotsaka kandida saingy niala an-daharana noho ny fahitany resaka tsy fanarahan-dalàna. Hanetsika ireo herivelona rehetra avy any Toliara ny tenany hanohitra iny fifidianana iny.

  • 22/08/2017 - 13:00 : Fitaterana: Manoloana ny firongatry ny lozam-Handraisana fepetra manokana ireo fiara manokana hampanofaina na ny "Voiture de location", ary efa nisy ny naoty navoaka momba izany. Mivoitra ao anatin'izany ny mikasika ny taratasin'ny fiara sy ny kalitaony ao anatiny sy ivelany amin'ny alalan'ilay antsoina hoe: “visite de confirmité", araka ny nambaran'ny Kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale Jeneralin'ny ATT.

  • 22/08/2017 - 12:30 : Tolagnaro: Tanterahina ao amin'ny Lapan'ny tanàna any an-toerana naomboka omaly hatramin'ny 25 aogositra izao ny fihaonambem-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy manerana an'i Madagasikara.

  • 22/08/2017 - 12:00 : Any ivelany _Italie: Nisehoana horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Nosy Ischia any Italie, ka olona 2 hatreto no namoy ny ainy.

  • 22/08/2017 - 11:30 : Fifidianana 2018 _Tetibola ilaina: Mahatratra hatrany amin'ny 85 miliara ariary ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018. Ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017.

  • 22/08/2017 - 11:00 : Faritra Anôsy: Kaominina miisa 20 nomena fampitaovana toy ny solosaina, imprimante, takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro omaly 21 aogositra. Efa andiany faharoa izao taorian'ny tamin'ny taon-dasa, ka ireo kaominina 9 ao amin'ny distrikan'Ambosary Atsimo sy 11 ao anatin'ny distran'i Tolagnaro, izay tsy mbola nahazo tamin'ny taon-dasa no nisitraka ireo fitaovana ireo.

  • 22/08/2017 - 10:30 : Ambanidia _Mpangalatra fiara tratra: Lehilahy iray mpangalatra fiara tratra teny Ambanidia vao minitra vitsy lasa izay. Teo Ambanidia akaikin'ny BOA, raha iny nametraka ny fiarany iny ny lehilahy iray, ary niditra tao amin'ny banky dia efa nihaodihaody teo ilay olon-dratsy, izay manana fahazoan-dàlana hamily. Fiara mihidy kanefa tafiditra tao anatiny ny tenany, saingy tra-tehaka ary voasambotra.

Voir plus d'infos...

22/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170704

Misongadina

Fihaonana amin’ny sabotsy Tsy hihemotra ny TIM

04/07/2017

Nivoaka ny vaovao amin’ny fanafoanana ny fahazoan-dàlan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hankalaza ny faha-15 taona nijoroany ny sabotsy 8 jolay izao noho ny resaka fiahiahiana fanakorontanana (?) Araka ny nambaran’ny prefektiora.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Prefen’Antananarivo Mety hisy hanakorontana ny hetsiky ny TIM

04/07/2017

Betsaka ny asa fanakorontanana mitranga amin’izao fotoana izao, hoy ny prefen’Antananarivo, Angelo Christian Ravelonarivo, omaly, tetsy amin’ny prefektiora etsy Tsimbazaza.

Hamaky ny tohiny...

Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Nahatratra 1 miliara Ar ny volam-bahoaka voaodinkodina

04/07/2017

Miavaka amin’ireo fitsarana roa misahana ny ara-panjakana sy mpanao famotorana ny tribonaly misahana ny fitantanana ara-bola.

Hamaky ny tohiny...

Justice et paix Miantso famondronana hery

04/07/2017

Namoaka sori-dalana hahafahana mampanjaka ny fahamarinana, fikatsahana ny fandriampahalemana ny Firaisamonim-pirenena “Justice et paix” sy ny K3F.

Hamaky ny tohiny...

Horonam-peo niparitaka “Afaka mitory I Claudine R, hoy Rolly Mecia

04/07/2017

Ny lalàna eto amintsika amin’ny ankapobeny dia tsy mahazo raisim-peo ny resaka ifanaovana amin’olona anakiray ary tsy azo avoaka ho fanta-bahoaka raha tsy manaiky izany sy nierana ilay olona.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Vahoakan’i Soamahamanina Tsy hanaiky ny fiverenan’ny Sinoa

04/07/2017

Nanao fanambarana tetsy amin’ny biraon’ny sampana iombonana misahana ny fananantany (SIF) tetsy Ampefiloha omaly ireo solontenan’ny vahoakan’i Soamahamanina.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Nicolas sy ny Kaomandin'ny Zandarimaria Vaky ny ady eo amin’ny roa tonta

04/07/2017

Nanambara tamin'ny fitafatafana fohy tamin'ny mpanao gazety, omaly teny Antaninarenina, ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka fa vaky ny ady eo aminy sy ny kaomandin'ny Zandaramariam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Elysé Ratsiraka Hiasa hanatsara ny fiainam-bahoaka

04/07/2017

Olana fototra eto Madagasikara ny sehatry ny fotodrafitrasa. Nijanona niaraka tamin’ny Repoblika voalohany tamin’ny taona 1972, ohatra, ny fanorenana ireo trano fonenana ho an’ny mponina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miaraka afa-baraka

04/07/2017

Raha hiteny hoe Lany henatra ny mpitondra dia toa efa tsy izay intsony akory amin’izao fotoana izao no zava-misy fa tena efa manoatra lavitra mihitsy aza. Manala baraka firenena ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

KIS Madagascar sy ny minisiteran’ny fahasalamana Hanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

04/07/2017

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, noho ny hasarotan’ny fiainana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpanala BEPC Maro no matahotra ny taranja kajy

04/07/2017

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 3 jolay manerana ny Nosy ny fanadinana BEPC taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

04/07/2017

Mitovy hatrany ny valin-teny azo avy eo anivon’ny polisim-pirenena rehefa miresaka ny raharaha Antsakabary izay raharaha nahavoatonontonona ity rafi-pitandroam-pilaminana ity.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana