Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170703

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Nompainy ny BIANCO

03/07/2017

Na ireo heverina fa maditra sy mafy loha aza taitra rehefa nahare ilay horonam-peo mirakitra ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny Bianco sy Ramatoa Claudine Razaimamonjy izay nanomboka niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Hidi-bingo indray !

03/07/2017

Sahiran-tsaina i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fanovana governemanta Misy minisitra efa mihorohoro

03/07/2017

Efa tena mafampana ny resaka any an-dapa any amin’izao fotoana izao noho ny fivoahan’ny resaka amin’ny hanoloana ny mpikamban’ny goverenemanta.

Hamaky ny tohiny...

Fahefana mpanatanteraka Tsy tokony ho mpikambana ao amin’ny CSM

03/07/2017

Nohamafisin’ny filohan’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) Fanirisoa Ernaivo nandritra ny fivahinianany tao amin’ny onjampeo vahiny «Africa 24»

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Dia aiza ny anjaranareo ry Jean ?

03/07/2017

Miarahaba anao aho ry Jean ! Tena nahafinaritra ahy rangahy ny fanazavana nomenao mikasika an’ity kandranay ity ilay tamin’ny indray mandeha iny a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sendika manerana ny nosy Hitady vahaolana mety amin’ny rehetra

03/07/2017

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Antaninarenina ny sabotsy teo ireo sendika marobe manerana ny nosy izay mitokona matetika noho ny fahatsiarovan’izy

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana olona mankany “Moyen orient” Vehivavy no atidohany

03/07/2017

Rava ny tambajotra mpandefa na mpanondrana vehivavy ho any Moyen Orient na any amin’ireo firenena arabo.

Hamaky ny tohiny...

SHELL extra Challenge Hahazo solika maimaimpoana ireo tsara vintana

03/07/2017

Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra fa ireo mahay misafidy ny hampiasa solika tsy mandany hampiasaina amin’ny fiarany dia mikarakara fifaninanana goavana ho azy ireo antsoina hoe :

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ady totohondry Malagasy avy any Congo Nitondra medaly alimo 2 nody

03/07/2017

Tafaverina an-tanindrazana ny alakamisy 30 jona teo ny delegasiona Malagasin’ny taranja ady totohondry avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny “boxe amateur” andiany faha-18 notontosaina tany Congo-Brazaville ny 18 - 25 jona lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Loham-boto mianakavy

03/07/2017

Mafotaka indray ny resaka horonam-peo momba ilay mpanolotsain’ny filoham-pirenena, izay nilaza azy ho henjana sy tsy azo kitikitihina.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

KIS Madagascar sy ny minisiteran’ny fahasalamana Hanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

03/07/2017

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, noho ny hasarotan’ny fiainana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Amoron'i Mania Ben'ny tanàna 61 nofanin’ny CNaPS

03/07/2017

Naharitra roa andro ny fiofanan’ireo ben’ny tanàna avy amina kaominina miisa 61 ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania, izay natao mba hanatsarana ny fitantanana eny anivon'ny kaominina.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

TVM SY SCOOP DIGITAL Mitady mpilalao sary mihetsika vaovao

03/07/2017

Mitady mpilalao sary mihetsika vaovao hanome aina ilay tantara mitohy “Tsy misy mipika” ny televizona Malagasy sy ny tranom-pamokarana Scoop digital.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fatina karàna teny Mangasoavina Nosamborina i Mainty

03/07/2017

Voarohirohy ho anisan’ireo nikononkonona ny fakana an-keriny teratany karàna iray izay hita faty teny Mangasoavina Besarety, andro vitsivitsy lasa izay, i Tovoleka Be Jean na i Mainty.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo tany Tritriva-Betafo Olona 2 no maty

03/07/2017

Efa isan’andro ny asan-dahalo ao Vakinankaratra sy ny manodidina raha tsy hilaza afa tsy ny ilany avaratry ny faritra Amoron’i Mainia, manasaraka ny faritra roa tonta iny.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANDRIAMPAHALEMANA

03/07/2017

Mirongatra ny asan-jiolahy mahery vaika any amin’ny distrikan’i Miandrivazo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana