Fil d'actualités du 22/08/2017

  • 22/08/2017 - 16:00 : Amboanjobe Atsimondrano _Asan-jiolahy: Fivarotana sady toeram-pisotroana iray nisy nanafika ny tolakandro teo, ka voatifitra teo amin'ny kibony ny tompon-tsena. Jiolahy 2 kosa no maty ary 2 tafaporitsaka raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

  • 22/08/2017 - 14:30 : Mahajanga _Bakalorea 2017: Hatao ao amin'ny Lisea tsy miankina Saint-Gabriel ny 24 aogositra izao manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny ady hevitra sy ny fanapahana amin'ny naoty farany ambany hanafahana ny mpiadina na ilay antsoina hoe "délibération".

  • 22/08/2017 - 14:00 : Anosy _Fanendahana: Mpanendaka iray teo amin'ny fiantsoanan'ny taksibe eo Anosy no voasambotra ny atoandro teo. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka izy io raha tsy tonga ara-potoana ny polisy.

  • 22/08/2017 - 13:30 : Fikambanana FIZAFATO: Tsy manaiky ny fifidianana ny filohan'ny Fikambanana natao ny 6 aogositra lasa teo, izay nahalanian'i Maharante Jean de Dieu i Berckley Andriamanarivo, izay saika hirotsaka kandida saingy niala an-daharana noho ny fahitany resaka tsy fanarahan-dalàna. Hanetsika ireo herivelona rehetra avy any Toliara ny tenany hanohitra iny fifidianana iny.

  • 22/08/2017 - 13:00 : Fitaterana: Manoloana ny firongatry ny lozam-Handraisana fepetra manokana ireo fiara manokana hampanofaina na ny "Voiture de location", ary efa nisy ny naoty navoaka momba izany. Mivoitra ao anatin'izany ny mikasika ny taratasin'ny fiara sy ny kalitaony ao anatiny sy ivelany amin'ny alalan'ilay antsoina hoe: “visite de confirmité", araka ny nambaran'ny Kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale Jeneralin'ny ATT.

  • 22/08/2017 - 12:30 : Tolagnaro: Tanterahina ao amin'ny Lapan'ny tanàna any an-toerana naomboka omaly hatramin'ny 25 aogositra izao ny fihaonambem-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy manerana an'i Madagasikara.

  • 22/08/2017 - 12:00 : Any ivelany _Italie: Nisehoana horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Nosy Ischia any Italie, ka olona 2 hatreto no namoy ny ainy.

  • 22/08/2017 - 11:30 : Fifidianana 2018 _Tetibola ilaina: Mahatratra hatrany amin'ny 85 miliara ariary ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018. Ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017.

  • 22/08/2017 - 11:00 : Faritra Anôsy: Kaominina miisa 20 nomena fampitaovana toy ny solosaina, imprimante, takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro omaly 21 aogositra. Efa andiany faharoa izao taorian'ny tamin'ny taon-dasa, ka ireo kaominina 9 ao amin'ny distrikan'Ambosary Atsimo sy 11 ao anatin'ny distran'i Tolagnaro, izay tsy mbola nahazo tamin'ny taon-dasa no nisitraka ireo fitaovana ireo.

  • 22/08/2017 - 10:30 : Ambanidia _Mpangalatra fiara tratra: Lehilahy iray mpangalatra fiara tratra teny Ambanidia vao minitra vitsy lasa izay. Teo Ambanidia akaikin'ny BOA, raha iny nametraka ny fiarany iny ny lehilahy iray, ary niditra tao amin'ny banky dia efa nihaodihaody teo ilay olon-dratsy, izay manana fahazoan-dàlana hamily. Fiara mihidy kanefa tafiditra tao anatiny ny tenany, saingy tra-tehaka ary voasambotra.

Voir plus d'infos...

22/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170624

Misongadina

Kianjaben’i Mahamasina Hodidinina mpitandro ny filaminana 1000

24/06/2017

Araka ny fanambarana teny amin’ny toby Ankadilalana omaly, dia mahatratra 1000 ireo mpitandro ny filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpanohitra Miady an-trano sahady

24/06/2017

Niharihary tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba omaly nandritra ilay fivorian’ny mpanohitra ny fitondrana izay nanaovan-dry zareo avy eo anivon’ny vovonana Force de changement, tarihin’ny filohan’ny dinika ho fanavotam-pirenena (DFP),

Hamaky ny tohiny...

Fiafaran’ny taom-piasan’ny filoham-pirenena Tsy azo andrasana intsony, hoy Radanoara

24/06/2017

Efa mijaly sy noana ny vahoaka Malagasy ka tsy afaka hiandry ny fiafaran’ny taom-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny intsony,

Hamaky ny tohiny...

Alain Andriamiseza « 50 taona nahantra ny Malagasy »

24/06/2017

Mankasitraka ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) nanome ohatra tany Toliara, hoy ny mpanao politika miara-dia amin’ny mpanohitra, Alain Andriamiseza.

Hamaky ny tohiny...

Matso sy lanonana eny Iavoloha Tsy ho avy ireo filoha 4 ?

24/06/2017

Roa andro tsy hahatongavan’ny lanonana ofisialy hanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona hisian’ny Matso eny Mahamasina sy ny fisakafoanana lehibe eny Iavoloha, dia tsy fantatra mazava ny pitsopitsony.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianarisoa Stanislas Miara-miasa amin’ny finoana samihafa

24/06/2017

Hafakely raha samy fanoloran-javatra nentina nankalazana ny fetin’ny Asaramanitra 2017 no nataon’ny Depiote Randrianarisoa Stanislas voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa eo Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

SMM sy Riana Andriamandavy Hifampitady aorian’ny 26 jona

24/06/2017

Nangina tanteraka i Riana Andriamandavy VII ary tsikaritra ho misitritsitrika tsy toy ny fanaony intsony amin’izao fotoana izao. Efa manomboka matahotra sy mitady lalan-kivoahana manoloana ny fitorian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) ve ?

Hamaky ny tohiny...

Edito

Voagadra tanteraka !

24/06/2017

Ao anatin’ny fetim-pirenena tanteraka isika amin’izao fotoana izao, saingy toa anarany fotsiny aloha izany hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitiliana ny aretina homamiadana Nahazo “Gamma Camera” ny Hopitaly Manara-penitra

24/06/2017

Tontosa ny tolakandron’ny alakamisy 22 jona 2017 teo ny lanonam-pitokanana ny fitaovam-pitsaboana raitra antsoina hoe “Gamma camera” napetraka eny amin’ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Kaominina Ambavahaditokana Fotodrafitrasa 3 sosona no notokanana

24/06/2017

Fotodrafitrasa 3 sosona no notokanana tao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly, dia ny birao vaovaon’ny fokontany Amboatavo,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

LOZA ANA HABAKABAKA

24/06/2017

Fiaramanidina kely tsy miankina iray tra-doza omaly maraina 23 jona, ka nianjera teny an-tanimbary tany Marovoay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana