Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170619

Misongadina

Ambatondrazaka Raikitra ny halatra taova ?

19/06/2017

Matahotra mafy ny mponina any Ambatondrazaka sy ny manodidina amin’izao fotoana taorian’ny zava-nitranga ny alakamisy lasa teo. Ankizy mirahalahy 16 taona sy dimy taona no nanamparan’ireo jiolahy ny hadalany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanjakana Malagasy Miantehitra ara-bola amin’ny tsy miankina

19/06/2017

Hampiantrano ny fikaonandohan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina momba ny kalitao avo lentan’ny fotodrafitrasa iarahana amin’ny governemanta japoney i Madagasikara ny 24 jolay 2017.

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Diso mahatoky tena loatra

19/06/2017

Natao tany Toliara ny 16-17 jona teo ny fihaonambem-paritry ny ny antoko HVM, izay nireharehan’ny mpitondra fatratra fa tena matanjaka izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Firaisankina ho fanavotana an’i Madagasikara Miketrika fidinana an-dalambe

19/06/2017

Manizingizina ny fikambanana « Ny firaisankina ho fahombiazan’ny Tolona » izay nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Ambodirano Ivato ny sabotsy lasa teo fa hetsi-bahoaka lehibe ihany sisa no vahaolana hampahafantarana amin’ny mpitondra sy izao tontolo izao ny ngidin’ny fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasy ho an’i Jean Mba mailo amin’izay

19/06/2017

Mino aho izao ry Jean fa mba efa naharay lesona tamin’ny zava-nisy hatramin’izay isika an !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Filaharambe eny amin’ny banky Efa tena fampijaliana vahoaka

19/06/2017

Velon-taraina ny mpanjifa eny amin’ny ankamaroan’ireo banky eto Antananarivo amin’izao fotoana noho ny filaharana lavareny.

Hamaky ny tohiny...

Trafikana sokatra Nirongatra be nanomboka ny taona 2015

19/06/2017

Nanatontosa fifanakalozan-kevitra narahina asam-bondrona teny amin’ny «Le Pavé» Antaninarenina ny alakamisy teo ny UMRFJ (Union de Magistrats pour la Revalorisation de la Fonction de Juger).

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Mpiadina CEPE miisa 360 nomena fampitaovana

19/06/2017

Mpianatra miisa 360 hiatrika fanadinana CEPE no notoloran’ny fikambanana DESTINY fitaovana hiatrehana fanadinana rahampitso talata 20 jona.

Hamaky ny tohiny...

Andraisoro Raim-pianakaviana iray hita faty tao an-tokantranony

19/06/2017

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 67 taona no fantatra fa hita faty tao an-tokantranony tao Andraisoro Fonenana ny sabotsy teo. Ny talata no hitan’ny mpiara-monina taminy farany izy.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Filohan’ny FLM Lasa nitsabo tena any Frantsa

19/06/2017

Lasa nitsabo tena any Frantsa ny sabotsy teo ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Rév David Rakotonirina.

Hamaky ny tohiny...

Antoko mpihira Taratry ny Mazava Hanatanteraka seho ao amin’ny FJKM Anjohy

19/06/2017

Taorian’ilay fampisehoana goavana nanamarihan’ny antoko mpihira Taratry ny Mazava eo anivon’ny fiangonana FJKM Ambohidanerana ny voka-dehibe tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina farany teo dia fantatra fa hanatontosa fampisehoana ao amin’ny FJKM Anjohy indray izy ireo ny 02 jolay ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Andro iraisam-pirenena momba ny Yoga 700 mahery ireo mpandray anjara

19/06/2017

Nanamarika ny andiany faha-3 ny andro iraisam-pirenenan’ny Yoga, teny amin’ny Boulodrome eny Soavimbahoaka Antananarivo ny alahady 18 jona 2017 ny masoivohon’i Inde eto Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ariana dia indray aloha !

19/06/2017

Ankatoky ny fety tokoa ary dia vao tany amin’ny fiandohan’izao volana jona izao no efa sesilany ny fanambaran’ny

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Mila fanohanana ny fokontany

19/06/2017

Mirongatra sy mahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana