Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

  • 18/10/2017 - 13:10 : VAOVAO LEHIBE: Ho avy eto Madagasikara, ka higadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato anio 18 oktobra amin'ny 2 ora tolakandro ny Sekretera Jeneralin'ny Federasionina iraisam-pirenen'ny "croix rouge" sy "croissant rouge".

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170615

Misongadina

Trafikana rongony tao Ihosy Zandary no atidoha ?

15/06/2017

Rongony 20 gony no indray saron’ny polisy tao an-tampon-tanànan’i Ihosy tamin’ity herinandro ity.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Efa ailik’ireo firenen-dehibe

15/06/2017

Tsy afaka nihaona tamin’ireo filoham-panjakana Frantsay sy Alemana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitsidihana nataony tany Eoropa farany teo na dia re tsiliantsofina ihany aza fa efa niezaka mafy ny hanao izany.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Andriamasimanana Aureline Nanolotra « appareil echographique » ho an’Ambatondrazaka

15/06/2017

Nanolotra fitaovana fitiliana « appareil echographique » sy ireo kojakoja madinika miaraka aminy toy ny solosaina izay amoahana avy hatrany ny vokatry ny fitiliana, ny ranom-panafody ho an'ny hopitaly ao amin’ny distrikan'Ambatondrazaka, ny sabotsy 10 jona teo,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Fahoany fahoany !

15/06/2017

Salama tsara ve ry Jean ? Raha izao no mitohy dia tsy tafavoaka mandrakizay amin’io resaka famerenana ny rehetra hifankatia io indray mihitsy isika e ! Marina anie izany ry Jean e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsenan’Asosizato Atsinanana Lehilahy 1 mitaky vola tsy ara-drariny

15/06/2017

Misy tsy mazava ny resaka fitakiana vola amin’ny mpivarotra eny amin’ny Tsena Fifankatiavana eny Anosizato Atsinanana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fokontany.

Hamaky ny tohiny...

Aferana solika 375 tapitrisa ariary Nisy nitory i Elysée Ratsiraka

15/06/2017

Araka ny vaovao nivoaka omaly, dia nandefasan’ny polisy fampiantsoana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina voalohany avy amin’ny antoko MAPAR, Elysée Ratsiraka.

Hamaky ny tohiny...

Vahiny nampihorohoro tany Toamasina Efa manara-maso koa ny SMM sy BIANCO

15/06/2017

Manara-maso akaiky izay ho tohin’ny raharaha mahakasika an’ilay teratany vahiny mpanao herisetra sy mpaka an-keriny tanin’olona tany Toamasina, ireo olona niharam-boina nivantana noho ny nafitsok’izy io.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aiza ihany ny manaraka ?

15/06/2017

Vita iny fampidirana ilay ramatoa malazan’ny kolikoly eny Antanimora ary miandry ny ho tohin’ny fitsarana ny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Mpianatra voapoizina tany Toliara Niala bala ny minisitry ny fahasalamana

15/06/2017

Tsy misy atahorana ny ain’ireo ankizy mpianatra any Toliara tratry ny tsy fahasalamana tampoka taorian’ny fihinana ny ody kankana « Mebendazole 500 » no antony ny talata lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

SEKOLY AMBONY IST Miezaka manome vahana ny voka-pikarohana

15/06/2017

Fomba fiasan’ny sekoly ambony IST ( Institut Supérieur de Technologie) eto Antananarivo nanomboka tamin’ny 2016 ny fanamafisana sy fanatsarana kokoa hatrany ny voka-pikarohana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka ao aminy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana ambaratonga ambony Miezaka manome vahana ny sehatry ny fikarohana

15/06/2017

Miezaka manome vahana hatrany ny sehatry ny fikarohana ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika tarihin’ny minisitra Rasoazananera Monique.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ny Ampinga Namoaka mpikabary 150 mianadahy indray

15/06/2017

Namoaka ny andiany fahasivy misalotra ny anarana “Antsiva” indray ny fikambanana Ny Ampinga ny faran’ny herinandro teo, fikambanana izay tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana