Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170614

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Havotsotra tsimoramora ?

14/06/2017

Samy maminavina izay ho tohin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy ny rehetra taorian’ny filazana ny namindrana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora nanomboka ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Force de changement Hampihetsi-bahoaka amin’izay

14/06/2017

Henontsika ireny vavan’ny avy eo anivon’ny HVM ireny fa tsy mila fiaraha-mitantana, hono, izy ireo, hoy ny avy eo anivon’ilay vovonana politika Force de changement, raha nanohy ny fivoriany tetsy amin’ny AKFM Andravoahangy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Olona Hasin’ny Tany Hijoro hanavotra ny firenena

14/06/2017

Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia mijoro ny fikambanana Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary milaza fa handray andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny fampihavanam-pirenena Misokatra ny fisoratana anarana

14/06/2017

Hisokatra anio ary tsy hifarana raha tsy ny 14 jolay izao ny firotsahana ho kandidà handrafitra ireo mpikambana ao anatin’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin’ny 2018 Hampiady an-trano , hoy i Doudou

14/06/2017

Amin’ny maha sendika ny tenako dia tsy hirotsaka velively amin’ny fifidianana ho avy hatao eto amin’ny firenena, eny fa na dia amin’ny fifidianana filoham-pokontany aza nefa dia tsy maintsy miteny kosa

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM Boriborintany faha-6 Manampy hatrany ny tanora eny Ambohimanarina

14/06/2017

Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Boriborintany faha-6 teny Anosisoa Ambohimanarina, ny sabotsy teo, nandray ireo ankizy niisa 200 nanaraka an’ilay « révision CEPE » nokarakarain’ny « Association Katraka Live »

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mivoaka miditra !

14/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia tena gaga mihitsy aho amin’ity fihetsikareo mivoaka miditra isak’izay mandeha ity.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fikaonan-doha amin’ny mpampiasa vola Any Johannesbourg anio sy rahampitso

14/06/2017

Hotanterahina anio 14 jona sy rahampitso any Johannesbourg Afrika Atsimo ny fihaonana sy fikaonan-doha amin’ny mpampiasa vola, karakarain’ny sekretariam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana.

Hamaky ny tohiny...

Ampitatafika Notetezin’ny kamio ny lohan’ilay vehivavy

14/06/2017

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, mamo no fantatra fa maty voahitsaky ny kamiao teny Ampitatafika omaly antoandro, lalana miditra ho any an-tanàna, vao miala ny tetezana. Feno fasika ity kamiao ity, raha araka ny vaovao azo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Iza sa ny inona ?

14/06/2017

Iza sa inona no manetsika ireto mpanao fihetsiketsehana miha mitombo efa ho isan’andro tato ho ato ireto ? Ny mahagaga dia tsy ny fetezan-javatra efa am-polony taona maro daholo no izao vao hifandimbiasam-pilazana ho tsy azo ekena intsony.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekolin’ny marenina Notoloran’ny Airtel fitaovana marobe

14/06/2017

Fikambanana iray miezaka manampy ireo ankizy manana olana ara-pihainoana eto amintsika ny Sekolin’ny Marenina Madagasikara eny Ambatoroka. Miisa 33 mianadahy ireo zaza beaziny ao ankehitriny ka ny 14 amin’ireo no kilasy mandry.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

SEKOLY AMBONY IST Miezaka manome vahana ny voka-pikarohana

14/06/2017

Fomba fiasan’ny sekoly ambony IST ( Institut Supérieur de Technologie) eto Antananarivo nanomboka tamin’ny 2016 ny

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

NY AMPINGA Namoaka mpikabary 150 mianadahy indray

14/06/2017

Namoaka ny andiany fahasivy misalotra ny anarana “Antsiva” indray ny fikambanana Ny Ampinga ny faran’ny herinandro teo, fikambanana izay tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Notoloran’ny UNESCO fitaovana

14/06/2017

Notanterahana omaly talata 13 jona 2017 tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny fifanaovan-tsonia teo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny UNESCO mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TAPATAPANY

14/06/2017

Nizara bodofotsy mafana iray sy baran-tsavony roa ho an’ny olona sahirana sy beantitra miisa 90 teny amin’ny fokontany Anosipatrana atsinanana omaly ny fikambanana ADRA.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana