Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170613

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Nalefa eny Antanimora

13/06/2017

Ny zoma 7 aprily teo no nivoaka ny didim-pitsarana teny amin’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (CPAC) eny 67 Ha amin’ny hampidirana am-ponja vonjimaika an’i Claudine Razaimamonjy saingy omaly alatsinainy 12 jona hariva vao tanteraka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalàm-pifidianana vaovao Mijanona ho tsiambaratelom-panjakana

13/06/2017

Hatolotry ny komity fakan-kevitra ny praiminisitra amin’izao tapaky ny volana jona 2017 izao ny volavolana tolo-dalàna fanavaozana ny lalàm-pifidianana avy amin’ireo hery velona samihafa eto amin’ny firenena nangonin’ny Vaomiera nasionaly mahaleotena misahana ny fifidianana nanomboka ny taona 2016.

Hamaky ny tohiny...

Lalàmpanorenana Tadiavin’ny HVM hovaina samirery

13/06/2017

Samy miteniteny ny resaka fanovana lalàmpanorenana mialoha ny hanatanterahana fifidianana ireo antoko politika sy hery velona isan-tsokajiny. Varotra omby anaty ambiaty anefa ny ankabeazany ary mifono hevi-petsy.

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM Boriborintany faha-6 Manampy hatrany ny tanora eny Ambohimanarina

13/06/2017

Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Boriborintany faha-6 teny Anosisoa Ambohimanarina, ny sabotsy teo, nandray ireo ankizy niisa 200 nanaraka an’ilay « révision CEPE » nokarakarain’ny « Association Katraka Live »

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Ingahy mpandinika

13/06/2017

Miarahaba anao ary aho izany ry ingahy mpandinika fa vita ihany ny vina na dia 2 taona be izao aza no lany andro nandinika foana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitakian’ireo dokeran-tsambo Mety hiafara amin’ny fikatonan’ny seranan-tsambo

13/06/2017

Rehefa tsy afaka nandray ny sekretera jeneralin’ny sendikan’ireo mpiasa an-tsambo (SYGMMA) sy ireo dokera miasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary ny avy eo anivon’ny

Hamaky ny tohiny...

Sport

“Racing Madagascar” Raikitra ny andiany faharoa

13/06/2017

Hotontosaina ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay any Antsiranana ny andiany faharoa amin’ny Racing Madagascar na ny hazakazaka an-tongotra “trail running à Madagascar” izay karakarain’ny Boogie Events, tarihan’i Patrice Raoull,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Volo ngita mifandray tendro !

13/06/2017

Vaovao lehibe ny nampidirana ilay ramatoa malaza tamin’ny resaka kolikoly eny Ambaniatsinanana, araka ny fomba fiteny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Ady amin’ny famotsiam-bola Tsy vitan’ny SAMIFIN samirery

13/06/2017

Tanjon’ny Samifin (Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ady amin’ny famatsiambola ny fampihorohoroana) ny ho mpikambana ao anatin’ny vondrona Egmont amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato Mahazaka mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona

13/06/2017

Hasiam-panitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Eo akaikin’ny BANI no hanatanterahana ny asa, ezahina hahazaka mpandeha hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa isan-taona, izany hoe avo telo heny amin’ny isa zakan’ny etsy Ivato amin’izao fotoana,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Andron’i Mandela tao Fianarantsoa Nahazo “connexion” maimaimpoana tamin’ny Airtel ny oniversite

13/06/2017

Hankalazaina manerana ireo oniversite misy eto amintsika ny Mandela Day na andron’i Mandela isaky ny datin’ny 18 jona. Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar manokana dia ny 09 jona lasa teo no nanamarihany izany izay nifandraika indrindra tamin’ny fitsingerenan’ny faha-40 taonan’ny oniversiten’i Fianarantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly Edenah Ambohimanarina Nanazava ny fiovan’ny fandaharam-pianarana

13/06/2017

Nanatanteraka fivoriana farany niarahana tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny Antanjombe Ambohimanarina ny sekoly Edenah ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

NY AMPINGA Namoaka mpianatra 150 mianadahy indray

13/06/2017

Namoaka ny andiany fahasivy misalotra ny anarana “Antsiva” indray ny fikambanana Ny Ampinga ny faran’ny herinandro teo,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Herisetra sy asan-jiolahy Tena malemy ny fanjakana

13/06/2017

Mampiteny ny moana ny resaka tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Tsy an-drenivohitra tsy eny ambanivohitra fa dia manerana ny firenena mihitsy.

Hamaky ny tohiny...

Dilàna Morarano Chrome Ataon’ny jiolahy fahirano

13/06/2017

In-tsivy sahady izay ny jiolahy no nandravarava ny tanàna ao Dilàna fokontany Andoharano kaominina Morarano Chrome.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

SOSIALY

13/06/2017

Nanatevin-daharana ny fikambanana mpanao asa soa Rotary Club Lac Alaotra ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Ambatondrazaka Rakotomavo Herisoa Beberto.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana