Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170610

Misongadina

Andry Rajoelina Ny paikadiny vaovao…

10/06/2017

Manomana fatratra ny fifidianana 2018 i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao na tsy maneho hevitra amin’ny raharaha politika aza.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Vonona hanarina an’i Madagasikara

10/06/2017

Nitsidika an’Ihazolava, tanàna eo anelanelan'Ambatolampy sy Ambohimandroso, toerana misy orinasa iray manamboatra biriky na irony antsoina hoe “parpaing” irony i Marc Ravalomanana omaly. Tanimanga sy tanimena no entina manamboatra azy ary nahavariana ny dingana arahina amin'ny fanamboarana azy ireny.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rastany Nanampy ireo traboina teny Manjakamiadana

10/06/2017

Noho ny fangatahan’ireo traboina rava sy simba trano noho ny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo, teny amin’ny fokontanin’i Manjakamiadana eny “La haute ville”,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mihoron-koditra sahady !

10/06/2017

Renay izao ry Jean fa mafimafy amin'izay ny tsindry amin'ny hampidirana an-draneny eny Ambaniatsinana, ka may volon-tratra indray ianareo a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Nilatsaka ny didy Voarara ny tsipoapoaka

10/06/2017

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fa noho ny antony filaminana dia hankalazaina tsy misy tsipoapoaka ny fetim-pirenena amin’ity 2017 ity.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanaovan-gazety Tena mahaliana ny tanora ankehitriny

10/06/2017

Anisan’ny lalam-piofanana iray tena mahaliana ny tanora eto amintsika ankehitriny ny serasera hahafahana miditra amin’ny asa fanaovan-gazety.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Inona no haloaky ny ampitso ?

10/06/2017

Tapitra ny fampiatoan’ny fitsarana ny asany ary nisy ny zavatra maro nambaran’izy ireo nandritra ny fanatsaharana ny asa tao anatin’ny fotoana voafetra. Inona no hiseho aorian’ireny ?

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

TAPATAPANY

10/06/2017

Hahazo fitsaboana maimaimpoana avokoa ireo olona any amin’ny Faritra Melaky amin’ity volana jona ity. Tafiditra ao ireo mila fandidiana maika nefa tsy nanana fahafahana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fizahantany eto Madagasikara Hiditra lalina kokoa ny Sinoa

10/06/2017

Delegasionina mafonja avy amin’ny ofisim-pirenena momba ny fizahantany sinoa no noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

BNI Madagascar Manohana hatrany ny tanora Malagasy

10/06/2017

Banky iray anisan’ny manohana akaiky ny fivoaran’ny fomba fanabeazana eto amintsika ny Banky BNI Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana Ankalazaina any Moramanga anio

10/06/2017

Hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana anio sabotsy 10 jona ny any amin’ny distrikan’i Moramanga. Hametraka tantara goavana ho an’ity distrika iray ity sy ireo mponina ao aminy izany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fianakavian’ny jeneraly Paza Notafihin’ny andian-jiolahy

10/06/2017

Efa mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Hentitra ny minisitry ny polisy « Tsy maintsy esorina ny ahidratsy »

10/06/2017

Natao maly zoma 9 jona ny famindram-pahefana teo amin’ny kaomandin’ny sekolim-pirenen’ny polisy Antsirabe na ny ENIAP. Ny kaomisera divizionera Talily Damy indray no hitantana ny sekoli-pirenen’ny “Inspecteur et Agent de Police” ankehitriny,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana